Bhutan: Ny Pretra no nanjary nidiran'andro voalohany noho ny Didy mandrara ny fihinana paraky

Miankina amin'ny fomba fijerinao azy ihany izy ity, pretra Bodista izay nosamborina tamin'ny faran'ny volana Janoary raha iny izy niditra ny firenena iny niaraka taminà fonosana Baba miisa 72, no sady paraky fihinanana avy any Inde no  mpandika lalàna voalohany na ny nidiran'andro voalohany noho ny Didy mikasika ny Paraky any Bhutan izay tenananan-kery nanomboka ny volana Janoary 2011.

Sonam Tsering. Sary nampindramin'i Chencho Dema. Fampiasàna nahazoana alalana

Nanomboka hatreo, dia notanana tsy nisy didy i Sonam Tshering (23) mandra-pahazoany ny didim-pitsarana nanagadra azy mandritra ny telo taona tamin'ny 2 Martsa. Nanaraka akaiky ity tranga ity ny haino aman-jery Bhutanese, ary anisan'izany ny mpitoraka bilaogy. Pejy Facebook iray mitondra ny lohateny hoe”Avaozy ny Lalàna mifehy ny Paraky” ihany koa no natsangana hanoherana ity Didy ity. Nolazaina fa nilaza ny Praiministra hoe  niainga avy amin'ny zava-niseho tany Tonizia sy Ejipta ity pejy ity.

@business_bhutan

Milaza ny PM fa tsy tsara ilay pejy FB manohitra ny Lalàna mifehy ny Paraky nalaina tahaka avy amin'i Tonizia, Ezypta & Libya. “Mpampijaly olona ve ny tenako,” hoy izy nanontany

Toa hita taratra ihany fa mampitaha izany amin'ny zava-niseho tany Afovoany Atsinanana ny Praiministra, raha ampitoviana amin'ny Bhutanese vitsy izay tena mahatsapa mafy ny dingana izay nataon'ny governemanta ho azy ireo, tena zara raha misy ny fanafintohinana. Latsaky ny 300 ny mpikambana ao amin'ilay pejy Facebook, hafa noho izany fony nisy ny niantso hanao fanoherana, maro amin'ireo Bhutanese no manana fijery mifanohitra amin'izany. Na izany na tsy izany, raha noraisin'ireo Bhutanese ho tafahoatra loatra ilay Didy, dia tsapan'izy ireo ihany kosa fa mba nisy zavatra tsara azon'izy ireo avy amin'io fa amin'ny endriny hafa.

Etsy andanin'izany, raha lavitra ny hiaka farany amin'ny zava-nitranga tany Tonizia sy Ejipta izy ity, dia tsy tokony hanamaivana ny herin'ny feon'ny vahoaka sy ity teknolojia vaovao ity kosa ny manam-pahefana eo amin'ny governemanta amin'izao vanim-potoan'ny haino aman-jery sosialy sy ny teknolojia izao.

Ny didy fanapahana navoakan'ny Fitsarana Ambony tsy ela akory izay, momba ny tranga voalohany amin'ny Lalampanorenana ao Bhutan, izay nanome rariny mpikambana 2 avy  amin'ny mpanohitra manohitra ny governemanta ankehitriny dia nanaporofo tamin'ny vahoaka ny fahafenoan'ny rafi-pitsarana.  Na izany aza, betsaka ny fanapahana/didy – avy amin'ny lalàna – no tsy mahafaly ny olona. Ny sasany amin'izany dia sazy mafy tahaka ny fampidirana 3 taona an-tranomaizina ho an'ny fandikan-dalàna maivana toy ny disadisa na tsy fifankahazoan-kevitra na ny fandikana ny didy momba ny zava-mahadomelina.

Namoaka fanangonan-tsonia ihany koa ny mpikambana iray ao amin'ny Parlemanta handalinana ny fitarainan'ny vahoaka mikasika ny fahataràn'ny raharaham-pitsaràna.

Ao ami'ny iray amin'ireo karazana tranga fahita be indrindra nalefa tany amin'ny fitsarana tamin'ny taona 2007, momba ny mpikambana iray tao amin'ny fianakavian'ny mpanjaka izay nitetiky ny haka tany tamin'ny alalan'ny manam-pahefana ao amin'ny governemanta, afa-keloka daholo izy rehetra tamin'ny volana Septambra tamin'ny taon-dasa.

Na izany aza, niverina teny amin'ny Tribonaly ny raharaha taorian'ny nandefasana taratasy tsy fanta-piaviana teny amin'ny Komity misahana ny ady amin'ny kolikoly izay natsangan'ny Mpanjaka fahaefatra any Bhutan hanajanonana ny kolikoly toy ireo. Miandry daholo ny olona rehetra amin'izay hitondran'ny Fitsarana azy ity. Ary indrindra amin'izao andron'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety izao, dia andrasana tokoa ny zavatra toy izao – fanehoan'ny olona ny fihetseham-pony sy ny heviny.

Nanoratra amin'alahelo eo amin'ny bilaoginy ny mpikambana iray ao amin'ny Parlemanta, Sangay Khandu:

Tena mampalahelo fa i Sonam Tshering no Bhutanese voalohany nogadraina noho ny fihinana paraky nanomboka tamin'ny fampiharana ny Didy Fanaraha-maso ny Paraky. Amin'ny mahampanao lalàna ahy, dia mampalahelo ahy ny zavatra mahazo azy. Zava-dehibe ny ilazàko izany satria tsy azo lavina mihitsy fa ireo mpanao lalàna rehetra dia… Buthanese miaina ao anatin'io fiaraha-monina io miaraka amin'ny fianakaviana, tapaka sy namana, ary samy fehezin'ny lalàna mitovy… Tsy voatery hanohana ny hevitra hoe “ahilika” na “saziana” aho fa mino aho fa raha lohahevitra mila averina resahina indray izy ity dia tokony horesahina, ary heverina foana ny fizotran'ny lalàna. Tena manome lanja ny fahalalahana maneho hevitra tsy amin'ahiahy aho.

Etsy andanin'izany, manantena ireo Bhutanese vitsivitsy tezitra fa hanafoana ny didy ny governemanta. Nilaza ny mpitoraka bilaogy Jurmi Chhowing izay namoaka isan'andro ny sariny mandrehitra sigara eo amin'ny Facebook hoe:

Vaovao mamplaelo:

Nivoaka ny didy: Migadra mandritra ny telo taona i Sonam Tshering (raha ny fahazoako azy..).

Misolo vaika ny akalana ny tenany.

Na izy aza nanoratra taratasy tany amin'ny pretra nangataka ny hanaovana ny sazy ho telo taona fisintahana fandinihan-tena izay fanirian'ny mpino Bodista. Namaly i Manju Wakhley:

Manangana fanjakana mpihatsaravelatsihy isika – ny endritsika manoloana an'izao tontolo izao no mbola karakaraintsika noho ny vahoaka. Firaisam-po amin'ny olombelona rehetra- marina e? Ny fitiavan-tena no ambony noho ny firaisan-kina. Mampalahelo izany, tena mampalaelo.

Betsaka no mitaraina mikasika ny fanomezan-danja tsy araka ny tokony ho izy ny fifohana sigara raha oharina amin'ny famonoana olona noho ny alikaola, izay tafakatra maherin'ny 50 isanjaton'ny olona any amin'ny hopitalin'i Thimphu. Nilaza antony hafa mikasika ny maha avo ny tahan'ny fahafatesana i Kinga Sithup :

Ny lalana ratsy no mahafaty kokoa ny olona noho ny fifohana sigara …

Fa ao anatin'izany rehetra izany, ny sasany toa an'i Kelzang Wangchuk dia manana hevitra hafa mihitsy:

Bumthang, Zangdopelri latsaka an-tany, may indroa satria nanomboka nifoka sigara ny olona tao amin'ny lemaka mahafinaritra!! Tsy maintsy mandoa vola ho an'ny fanangonam-bola Fire Kidu izay rehetra mifoka sigara ao amin'ny lemak'i Bumthang … vokatry ny fifohana sigara!!

Marina mihitsy hoe anisan'ny niteraka ny fanimbana goavana indrindra ny afo tany Bhutan. Nefa dia manamarina ny lalàna nampiharina ve izany, ny hevitra nitondrana azy izay toa avy any Bumthang, anefa ny ankamaroan'ny afo dia avy amin'ny lampin-tsolika sy avy amin'ny tsy fihetezan'ny tariby mitondra herin-aratra/na afo ateraky ny fahatapahan'ny tariby mitondra herin'aratra noho ny sigara. Ohatra iray vao haingana izao i Bajo fire ary nilaza ny fanadihadiana natao mikasika ny afo any Bumthang fa mety ho ny labozia no nahatonga izany.

Vao haingana ihany koa no nahatratrarana ny mpandika lalàna faharoa raha ny filazan'ny mpitoraka bilaogy Passang Tshering:

Olona mpifoka sigara sy Mpihinam-paraky ary mpidoroka no ao amin'ny tanànako … ary raha ny lalàna dia sahala amin'ny hoe ny tanànako iray manontolo mihitsy no ho tanana am-ponja…

Jereo inona no nosoratako tamin'ny herintaona

Ary nanoratra Dechen Roder, mpanao sarimihetsika tanora iray hoe

Rehefa mahalala daholo ny olon-drehetra eto amin'ity pejy ity fa tsy ho tratra mihitsy izy ireo amin'ny fifohana sigara sy fihinana paraky, dia izay no lafatra. Nandeha vao haingana tamin'ny toeram-bahoaka aho ary nahita olo-manan-kaja nifoka sigara teo amin'ny lalan-tsaran'ny seranam-piaramanidina niaraka tamiko izay tena namofona nanerana ny toerana… raha te ho sarotiny amin'ny fanarahan-dalàna isika dia tokony hahakasika ny rehetra izany …. satria izy io lalàna izay natao hanosehana ho ambany kokoa ny sokajim-piaraha-monina sasany (ny sarambabem-bahoaka).. ary ny tena atahorako dia ny hoe ireo izay nanao ny lalàna, dia hahita ihany koa fa nanakorontana amin'izao fotoana izao, nefa dia aleo andeha amin'izao ihany, toy izay hiaiky fa tsy nety ny nataony.

Nandeha mihitsy aza moa ny vehivavy tanora iray Cee Dee Jamtsho, nitsidika ny pretra tanora :

Nanao fotoana aho androany hihaonana amin'i Sonam Tshering….tena faly izy nahita ahy na dia vahiny taminy aza aho. Raha nanomboka niresaka taminy aho … dia nanganohano ny masony sy ny masoko ihany koa … mafy loatra ny nahita azy nifatotra rojovy sahala amin'ireo olona nahavita heloka be vava… nolazainy tamiko fa tsy fantany mihitsy ny lalàna ary nanomboka tamin'izay vao fantany. Nogadraina izy … sahala amin'ny matahotra sy malahelo izy……olona maro no nosamborina ary nohidina any an-tranomaizina… fotoana izao ho an'ny governemanta ny hanaovana hetsika dieny mbola tsy dia tara loatra….

Nihaona tamin'ny rain'ny gadra mihitsy aza izy ary nandika ny ny zavatra tiany holazaina.

Dia i Kencho Namgyal no namehy azy tsara indrindra raha nilaza izy hoe:

Fitaovana lehibe hiampangana ny olona manàra-dalàna [ny] lalàna fanaraha-maso ny Paraky.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.