Bahrain: Ny Anjara Raisin'Ireo Mpila Ravinahitra

Ampahany amin'ny tatitray manokana mikasika ny  Hetsi-panoherana Bahrain 2011 ity lahatsoratra ity.

Tahaka ireo firenena rehetra mpikambana ao amin'ny GCC (Gulf Cooperation Council), dia miankina betsaka amin'ny herim-pamokarana avy any ivelany i Bahrain, indrindra indrindra fa ny avy any amin'ireo firenena ao Azia Atsimo, na izany ho an'ireo asa mila fari-pahaizana ambony na ny salantsalany. Raha araka ny fanisàna natao tao Bahrain tamin'ny 2010, manome ny efa ho 51 isan-jaton'ireo hery afaka mamokatra amin'ny mponina 1.2 tapitrisa ao Bahrain ny mpiasa nafarana..

Nandritra ny korontana sy hetsi-panoherana tsy ela akory izay teto Bahrain dia mitombo hatrany ny ahiahin'ny vondrom-piarahamonin'ireo vahiny mpila ravinahitra mikasika ny fiantohana azy ireo noho ny fisian'ireo Pakistaney nisy nanafika tao an-tranon-dry zareo tany Manama renivohitra.

::D::, mpanao gazety iray manam-piaviana Indiana sady mpitoraka bilaogy izay nandany betsaka tamin'ny androm-piainany tany Bahrain  no manoratra mikasika ny fanadihadiany momba ireo korontana amin'izao fotoana

Maro ireo mpiasa vahiny ao Bahrain, toa ahy, no teraka sy lehibe tao amin'io nosy io. Ny ray aman-dreninay mety ho tsy nànana fahazoan-dàlana Barhaini (passport), na izahay koa aza, saingy manontany tena aho raha antony andraisana anay ho faralahy amin'ny vahoakan'ity firenena ity izany satria hoe tsy mena no lokon'ny fahazoan-dàlana anananay. Izahay no vondrom-piarahamonin'ireo manana fiaviana avy any India, Pakistan, US na UK. Efa ampolo-taonany maro tany aloha tany no nifindra monina teto ny ray aman-dreninay, eto izahay no mihary ary Bahrain no toerana nofinidinay ho ‘ny tanindrazanay’.

The blogger at a pro-government rally at Al-Fateh Mosque

Ilay mpitoraka bilaogy tamin'ny fihaonamben'ireo mpomba ny governemanta tao amin'ny Maoske Al-Fateh

Ekenay fa tsy tonga lafatra i Bahrain; Ekenay fa tena ilaina ny fanovàna, eo amin'ny sehatra ara-politika ary tsy isalasalana fa ny mpampita vaovao eto dia ilaina fandrindran-drafitra sy averina dinihana indray. Maro koa ireo nanohana ny hetsika talohan'ny nivadihan'izy io ho baranahiny. Renay ny tohan-kevitr'izy ireny ary nomenay ny fomba fijery nanananay.

Maro amin'ny vondrom-piarahamonin'ireo mpiasa mpila ravinahitra no manohana ny governemanta satria Bahrain dia milaza ny tenany ho firenena malalaka manome fahalalahana ny ara-pinoana sy fivavahana.

Betsaka koa ireo  vahiny mpila ravinahitra no nanambara imasom-bahoaka ny fanohanany ny fianakavian'ny Mpanjaka.  Be ihany koa ireo naneho hevitra rehefa nilaza ny fanohanany ny governemanta ireo mpiasa vahiny, ka niteny hoe “raharaha an-tokantranon-dry zareo io, ka inona no itsabahanareo amin'izany?” Ho an'ireny fanakianana ireny dia tokana ihany ny fanontaniana apetrako, “Hitsangana hitazam-potsiny avy eo an-damosina ve ianao raha ny tranonao, ny firenenao no voakitikitika? Mety hiteny ve ianao hoe tsy andraikitro izany ka hialangalana?” Rehefa misedra olana nyfirenentsika, zontsika sy adidintsika ny mitsangana manolo-tena.

Avoitrany ihany koa ny fivoarana amin'ny fampahalalam-baovao ao Bahrain manoloana ny vondrom-piarahamonin'ireo mpila ravinahitra.

Nanao dingana lehibe ny mpampahalala vaovao. Efa manana fampielezam-peom-paritra mihitsy aza izahay izao. Manana gazety samihafa amin'ny teny Arabo sy teny Anglisy izahay. Mamoaka ny Tagalog ihany koa i Bahrain, ny gazety Malayalam ary ny Urdu. Nandritra inyvolana lasa iny, ny BTV fahitalavi-panjakana dia niady ny mba hahazoantsika vaovao araka izay tratrany [na dia mirona amin'ny fanohanana ny fanjakana aza izy].Eny, nandia làlana lava tokoa ny fampahalalam-baovao saingy mbola be koa no tsy maintsy hodiaviny. Amin'ity herinandro ity, voalohany teo amin'ny tantara, namoaka vaovao tamin'ny Tagalog sy Hindi ny BTV.

That in itself is a mark of respect and appreciation to the expatriate community.

Mamarana ny lahatsorany izy, feno toky fa hanao izay fara heriny ny governemanta mba hiarovana ny vondrom-piarahamonin'ireo mpila ravinahitra mandritra izao fotoan-tsarotra izao:

Ho ahy sy ny ankohonako, tsy niserana tao an-tsainay mihitsy ny eritreritra hilefa. Teto aho no teraka, teto ny fianakaviako no nonina efa ho telopolo taona mahery, ny tanindrazanay. Ny Praiminisitra sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny eto Bahrain dia nampanantena koa fa hanao izay tratrany ho fiarovana anay. Matoky azy ireo aho sadymatoky an'i Bahrain.

Ao amin'ny Twitter ihany koa ilay mpitoraka bilaogy ary azo arahana amin'ny @dilknml

Ampahany amin'ny tatitray manokana mikasika ny  Hetsi-panoherana Bahrain 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.