Lahatsary: Sarintany Fitadidiana Fotoana Maneho Ireo Hetsika sy Fitroarana Amin'ny Ankapobeny

John Caelan avy amin'ny vohikala The Swamp Post dia namorona lahatsary roa somary nafainganina fandeha maneho an-tsarintany ny fihetsiketsehana nanomboka tamin'ny 18 Desambra ka hatramin'ny 7 Martsa 2011, izay ahitàna ny fihetsiketsehana sy ny fitroarana mihànaka manerana ny firenen-tsamihafa.

http://www.youtube.com/watch?v=ogUYigqwKYY

Ity iray manaraka ity dia mifantoka amin'ny faritra Afovoany Atsinanana:

http://www.youtube.com/watch?v=BcEMxLwRSqI

Ao amin'ny fanehoankevitra iray ao amin'ny vohikalany, ho valim-panontaniana ho an'ny mpamaky dia azavainy ny fomba nahazoany ireo vaovao ireo rehefa nokarohana ny vokatry ny fitroarana sy ny fihetsiketsehana tany anatin'ny tatitr'ireo fampahalalam-baovao mahazatra.

Amin'ny ankapobeny, ny tetika nampiasaina dia ny famoaboasana ireo vaovao 1000 azo voalohany rehefa mikaroka vaovao mikasika andro iray manokana sy fitrandrahana izay tranga manokana mampiavaka azy. Nadika tanaty Excel isanandro ireny–nadika tànana ny avy amin'ireo lahatsoratra ny toerana nitrangàny, ary ny sary dia nofinidy avy amin'izay taham-pitateram-baovao tsara indrindra, satria tena sarotra ny mitatitra izay tena isan'olona marina manatrika ireny fihaonambe ireny, eo ihany koa ny mety ho fanovana ataon'ireo antokon'olona tafiditra amin'ny resaka. Ny takelaka fikajiana (excel) ny andro tsirairay dia navadika ho .csv daholo, ary nakarina ho any anatin'ny mpaneho sarintany, izay zavatra azo ampiasaina malalaka ao atolotry ny Zee Maps, satria mahantra aho e. Mety hadiaka ny andro iray, misy vaovao ampidirina, ny tranga efa mihoatra ny 5 andro dia fafàna, avadika ho volon-davenona ny tranga feno 2 andro. Ny tranga tsirairay dia mitazona ny lokony mandritra ny roa andro, indrindra indrindra mba hanarahana ny fifanitsahan'ny fizarana ora (timezones).

Na izany aza, Ing. Caelan, dia nahatsapa ihany ny tsy dia tokony hitokisana loatra amin'ireo vokatra ireo mba hanehoana fironana manerantany, tahaka izay azavainy ao anaty fanehoankevitra iray ao amin'ity pejy ity. Satria nisarika ny fifantohan-tsain'ireo mpampita vaovao mahazatra ny fihetsiketsehana, hoy izy, ity sarintany ity dia maneho hoe ahoana ny fisongan'ny tatitra momba ny hetsika sy ny fitroarana, fa tsy voatery ho ny isan'ireo fihetsiketsehana amin'ny maha fihetsiketsehana azy ireny.

Mba hahitàana bebe kokoa momba ireo hetsika sy fitroarana asehon'ireo lahatsary ireo, dia misy koa sarintany azo kitihana (interactive) izay azonao potsirina eo amin'ireo sary isankarazany ary azo vakiana ny vaovao samihafa momba ny hetsika nangonina ho an'io teboka io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.