Shina: Tsy maintsy mandeha i Gaddafi (Kadhafi)

Tanatinà hafatra fohy androany,  ‘Tsy manana raharaha anatiny ny mpitondra jadona,’ Han Han, mpitoraka bilaogy be mpamaky manerantany no mampisaintsaina momba ny fivoaran'ny toe-draharaha ao  Libya:

身边有不少人都很关心利比亚的乱局,甚至还有一个比利亚的球迷一直以为是比利时出事了。中国投了一票支持制裁,一票弃权禁飞,让人欣喜。今天又有不少人为卡扎菲吵的不可开交,当然他们分成了两派,一派的意思是卡扎菲作恶多端,专横腐败,滥杀平民,炸毁客机,应该被联军消灭,还有一派的意思是那是利比亚的内政,其他国家不应该干涉,西方国家无非想从利比亚得到一些石油或者转移自己国家的内部矛盾,居心叵测。

Tsy vitsy tamin'ireo olona nanodidina ahy no nanaraka akaiky ny korontana misy any Libya, ary na dia ilay Libiana mpankafy baolina kitra fantatro aza dia mihevitra fa diso famindra i Belzika. I Shina dia nifidy indray mandeha ny ho fampiharana sazy, ary tsy naneho hevitra tamin'ny fametrahana faritra habakabaha tsy azo isidinana, mahafinaritra izany. Ankehitriny, androany, tsy hitsahatra ny hiady amin'i Gaddafi ny olona, ary mazava loatra nizara ho antoko roa ry zareo: ny iray milaza an'i Gaddafi ho devoly latsaka an-tany, mpanao kolikoly sy didiko fe-lehibe izay mandripaka ny sivily ary  mitifitra fiaramanidina sivily ka tokony hofongorin'ny Fiaraha-mientana [ Coalition]. Avy eo dia misy ny ankilany hafa izay milaza fa misy ny raharaha anatin'ny Lybia ary tsy tokony hitsabahan'ny firenena hafa, fa te-hahazo ny solika avy ao Lybia  fotsiny ny firenena tandrefana na  hamily ny sain-dry zareo tsy hifantoka amin'ny raharaha an-tokantranony, fa manana hevitra ambadika ry zareo.

朋友转而问我的观点,我说,我的观点特别简单,独裁者没有内政,杀戮者当被侵灭。昨天正好是十九年来最大的月亮,无论是谁,无论为了什么,代表月亮消灭他。

Noho izany, rehefa misy namana manontany ny fomba fijeriko, dia lazaiko, fa tsotra no fomba fahitàko azy: tsy manana raharaha anatiny ny mpanao jadona, ary ny mpandringana olona dia tsy maintsy tafihana sy fongorana. Omaly no mba volana nibaliaka tao anatin'ny 19 taona. Tsy raharahantsika ny hoe iza, na nahoana; ho an'ny volana mibaliaka, vitao ny aminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.