Bahrain : Tsy hita i Ali Abdulemam

Vao avy nandray vaovao mampalahelo avy amin'ny fikambanana miaro ny zon'olombelona Bahrainita izahay fa: tsy hita i Ali  namanay sy mpiara-miasa aminay.

Ali Abdulemam, bilaogera fitaratra sy mpanoratra ao amin'ny Global Voices Advocacy, dia nogadraina ny 4 septambre 2010, ary noafahana ny 23 febroary 2011, rehefa nanome baiko hanafahana ireo andiana gadra ny mpanjaka ao Bahrain, ao anatin'izany ny gadra politika sy ny mpiserasera mazoto, anisan'izany i Ali :

Ali Abduleman, izay heverin'ny sasany fa « rain'ny tontolon'ny bilaogy » ao bahrain taorian'ny namoronany ny tranokala fiadiankevitra tsy voasivana sy nanokatra adihevitra politika sy sosialy ny firenena, dia tsy hita. Tsy manana vaovao momba azy ny fianakaviany.

Nitantara ny zava-niseho omaly hariva ny dadatoany : polisy mitam-basy 50 no tonga nisambotra ny zana-drahalahiko, herinandro vitsivitsy taorian'ny namoahana azy tany am-ponja, tamin'ny fifanarahana natao mba hampanginana ireo mpanao fihetsiketsehana bahrainita. Voampanga ho nandray anjara tamin'ny « cellule organisationnelle » sy nolazaina ho anisan'iray amin'ireo 25, voasambotra noho ny firaisana tsikombakomba hanongana ny governemanta izy.

Tamin'ny  1: 15 maraina eo ho eo, ny 18 martsa, taitra tamin'ny feom-basy nidona nyvavahady vy ivelany ny fizarazaran-trano ao Aali izay misy ny trano nofain'i Ali ho an'ny rahalahiny.

Eo amin'ny polisy 50 eo, misaron-tava sy hary fitaovam-piadiana no namaky ny varavaran-kazon'ny trano. Mbola natory tao amin'ny rihana ambany ny rahalahin'i Ali, ny vadiny ary ny zanany vavy. Niditra an-keriny tao ireo polisy ary tsy namela ny vadiny sy ny zanany hiaro-tena fa nanontaniany hoe aiza i Ali, sady manohoka ny basy eo amin'ny tavany.

Namaly izy ireo fa i Ali sy ny vadiny dia mbola tsy nody tao an-trano nandritra ny telo andro ary tsy manan-kevitra ny amin'izay toerana mety hisy azy. Tezitra ireo polisy raha tsy nahazo valin-teny, ka nokorontanin'izy ireo ny efi-trano, avy eo nankany amin'ny rihana farany ambony ka novakiany ny varavarana roa tao amin'ny efitr'i Ali, izay efa nilaozana andro vitsivitsy mialoha noho ireo fandrahonana matetika sy ny varavaran'ireo fianakaviana hafa, tsy manana rohim-pihavanana aminy. Tsy tao ireo fianakaviana hafa ireo. Mety nasain'i Ali nipetraka any amin'ny olona akaiky azy izy ireo.

Rehefa avy nanakorontana ireo efi-trano sy nanimba izay rehetra tao ny polisy, dia nofenoin’ izy ireo fitaovana elektronika hitany tao ny valizy lehibe,( fakantsary, disque durs, fakandahatsray, DVD, sns). Avy eo, niverina tao amin'ny rihana ambany izy ireo ka namerina indray ny fanontaniany, sady nandrahona ny hitondra ny zanany vavy. Nilaza ny rainy sy ny reniny fa izahay aloha vonoina mialoha ny hitondrana ny zanany vavy. Soa ihany, fa nihemotra ireo polisy,  satria angamba mety fantany fa nilaza ny marina ireo fianakaviana fa tsy manana vaovao izay toerana mety misy an'i Ali sy ny fianakaviany. Nandao ny trano telo andro mialoha izy ireo mba hialokaloka any amin'ny toerana mangingina tsy misy mpahita, ary miantso ireo akaiky azy mba ho fanomezan-toky fa tsy misy atahorana ny ain'izy ireo. Tapaka ny fifandraisana androany ka tsy fantatr'ireo akaiky an'i Ali Abduleman intsony raha mbola eto Barhain izy, na efa nandositra ny firenena na efa voasambotry ny polisy.

Afaka mizaha resadresaka natao tamin'i Ali Abduleman ianao izay notontosaina taorian'ny nivoahany tany am-ponja :
http://www.almasryalyoum.com/en/node/335408

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.