Arabia Saodita: Nampanantena Volabe Ny Saodiana Ny Mpanjaka

Volabe no nampanantenaina ny Soadiana androany (18 Martsa 2011), taorian'ny teny nataon'ny Mpanjaka Abdulla ho an'ny firenena. Tanatinà teny fohy,  ilay Mpanompon'ireo Trano Masina Fivavahana roa dia nisaotra ireo mpisorona, ny mpanoratra ary ny Ministeran'ny Atitany noho ny ezaka nataon'izy ireo hiarovana ny fanjakana. Taorian'izany, andianà didy maro navoakan'ny mpanjaka no novakian'ny mpanolotra iray, namariparitana ny fomba hitsinjarana ny volabe dolara an-davitrisa hanomezana trano mendrika, asa sy fiantohana ara-pahasalamana ho an'ny Saodiana.  Tokony hatsangana ihany koa ny komity miady amin'ny kolikoly; tokony hahazo ny karama farany ambany daholo ny mpiasa Saodiana rehetra; ary tokony hahazo ny fisondrotana tandrify azy ireo manamboninahitra  miaramila sy polisy.

Nisarika ny sain'ny mpiondana aterineto maro tokoa ilay kabary, taloha, nandritra ary taorian'ny namakiana azy. Nanjary lohahevitra nafonja naneran-tany tao amin'ny Twitter ny tenifototra hoe #sakingspeech.

Ilay kabary dia nitranga taorian'ireo fitakiana sy hetsi-panoherana madinidinika nangataka fanovàna teo amin'ny fanjakana, izay niangavian'ireo mpitari-pivavahana ny Saodiana mba tsy hanaraka ny onjan'ireo hetsi-panoherana satria ny fanoherana toy izany dia nidika fandàvana ara-pinoana tany Arabia Saodita. Fifandrifiana, ny iray tamin'ireo lalàna navoaka androany dia ny fametrahana ny sampana iray vaovao misahana ny ara-pinoana mba hiandraikitra ny fatwas (didy ara-pivavahana)..

Ireto ny sasantsasany tamin'ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter  momba ilay kabarin'ny mpanjaka Saodiana sy ireo lalàna navoaka:

@khalidalkhalifa: Hiteny afaka fotoana fohy ao amin'ny TV Saodiana ny Mpanjakan'i Arabia  Saodita, Abdalla.. Samia manongilan-tsofina ny rehetra

@sultanalqassemi: misaotra ireo mpisorona, ny mpanoratra ary ny Ministeran'ny Atitany noho ny ezaka nataon'izy ireo hiarovana ny fanjakana ny Mpanjaka Saodiana..

@SultanAlQassemi: Naharitra iray minitra mahery ny fisaorana & fiderana natolotry ny Mpanjaka ho an'ireo mpitarika fivavahana Silamo #Saudi

@afaliq: Raha asaina mamintina amin'ny teny dimy ny kabarin'ny mpanjaka aho dia hoe  “misaotra anareo – inty ny volabe ” #SAkingspeech

@jenanmoussa: miresaka lamina vaovao ny mpanjaka #Saudi .  2000 riyals saodiana isam-bolana no homena ireo olona tsy an'asa. #KSA

@docshayji: Namoaka lalàna ny Mpanjaka Abdudllah ao #KSA izay manome karama 2 volana ho an'ny mpiasa & mpianatra saodiana rehetra. 2000SR ho an'izay rehetra tsy an'asa

@Matthias_Sailer: nandidy tombontsoa ara-bola maro ho an'ny vahoakany ny mpanjaka #Saudi: fandoavana bonus, karama farany ambany avobe, sns. tamin'ny alalan'ny SultanAlQassemi #KSA #Gulf

@Saudiwoman: 16 lavitrisa ho an'ny ministeran'ny fahasalamana mba hananganana toerana fitsaboana ny homamiadana sy sampam-pitsaboana manokana hafa, klinika ary trano ho anà toeram-pitsaboana goavana

@schaefdogschaef: NAMOAKA DIDY MAMPANANGANA TRANO FONENANA 500.000 NY MPANJAKA… mbola zava-maivana hifikirana eo amin'ny fahefana!!

@AnasAlaoui: “Didy faha 7-n'ny mpanjaka Saodiana- eo ambany fiahiana mivantan'ny Mpanjaka ny sampan-draharaha miady amin'ny kolikoly, tsy misy olona azo avahana amin'ny fanadihadiany”

@bagadood: Didim-panjakana faha -8: fampitomboana hatramin'ny 200 tapitrisa SAR ny fanampiana ireo toeram-pitsaboana tsy miankina #SAKingSpeech #SaudiMataleb

@Redbelt: Raha ny hevitro, tena hevi-diso ny famoahana didy ho an'ny karama farany ambany ho an'ny saodiana anaty fotoana maharitra. #ksa

@bagadood: Didim-panjakana faha -10: Dingana iray hampakarana ireo manamboninahitra rehetra ao amin'ny tafika & polisy ka mendrika fisondrotana #SAKingSpeech #SaudiMataleb

@alnitak250: nanolotra volabe sy tombontsoa ara-toekarena marobe ny Mpanjaka #Saudi saingy tsy misy mihitsy na kely aza fanavaozana ara-demaokratika

@mahmoodali1: azon'ny mpanjaka natao tsara ny nandefa ny kabariny taminà BITSIKA (tweets) misy teny 140! #lol #ksa #Bahrain #GCC

@beleidy: Dia niteny nandritra ny minitra vitsy izany ny Mpanjaka Saodiana, ary avy eo manome vola sy asa ho an'ny vahoaka

@alhefzi: #SAKingSpeech, fa mba taiza loatra ary izany VOLA BE TSY HITA NOANOA IZANY!?!?!?! =) =)

@SBassam: Hatreto, tsy mbola nisy baiko matotra avy amin'ny mpanjaka, manantena foana aho na izany aza!! #Saudi

@Nuha_Nofal: Ho lany vola isika! woooo #SAKingSpeech

@YazzNafjan: Lohahevitra resahana be ny  #SAKingSpeech, zavatra saodiana iray lasa resabe  faharoa tao anatin'ny herinandro monja. #Awesome

Aziz Shalan, mpampiasa Twitter, dia nanome sary iray misy ny lohahevitra:

#SAKingSpeech trending no Twitter

#SAKingSpeech trending no Twitter

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.