Japana: Ireo lesona mikasika ny fitantanana ny krizy amin'ny fifaneraserana amin'ny vahoaka, omen'i Edano, Mpitantsoratry ny Governemanta

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ataonay momba ny Horohorontany Japana 2011 ity lahatsoratra ity.

Mitodika matetika amin'ny fahitalavitra ny firenena isan'andro hanarahana ny fivorina mivantana an'ny Sekreteran'ny kabinetra Yukio Edano.

Tian'ny manam-pahaizana amin'ny Fifandraisam-bahoaka Takashi Kurosawa ny fomban'ity lehilahy ity, milaza amin'ny antsipirihany ny zavatra tsara ataon'i Edano ao amin'ny lahatsoratry ny bilaogy “ireo zavatra 10 Fianatra amin'ny Mpitantsoratry ny Governemanta Edano mikasika ny Fifandraisam-bahoaka eo amin'ny Fahaiza-mandinika ny Fitantanana ny Krizy” (枝野官房長官から学べる10のこと:危機管理広報の視点から). Manoratra mikasika ny fifandraisana, dokam-barotra sy ny fitantanana ireo marika i Kurosawa ao amin'ny bilaoginy “the Public Returns“.

Nahazoana alalana avy amin'ilay mpitoraka blaogy ny fandikana ity lahatsoratra ity manontolo.

Ilay horohorontany Tohoku izay nikapoka tamin'ny 14:46 ny 11 Martsa 2011, dia nahatonga fahoriana, tsy tamin'ireo mponina tany amin'ireo faritra voadona ihany fa tamin'ireo izay nipetraka tany ivelany koa noho ny ireo loza nitranga tany amin'ny Foibe Noklearin'i Fukushima I.

Maneho ny fanohanany ny asan'i Edano ilay mpampiasa Twitpic shiba36ms

Anatin'ny zava-misy tahaka izao, misy lehilahy iray izay manintona ny saina bebe kokoa: ny Mpitan-tsoratry ny Governemanta Yukio Edano. Ireo fipoitrany miverimberina amin'ny media izay, raha ny fanahianay, tsy nahazo torimaso mihitsy hatramin'iny horohoron-tany iny, dia sady niteraka ny tenifototra “#edano_nero [matoria_edano]” ho lasa adihevitra mafana amin'ny Twitter, ary koa ny lahatsoratra ao amin'ny The Wall Street Journal mitondra ny lohateny hoe “Tireless Edano Earns Twitter Respect” (Mahazo ny fanajàn'ny Twitter i Edano tsy mety reraka).

RX6Y3dfe1Nc

Singa manan-danja iray anatin'ny sehatry ny Fifandraisam-bahoaka ny fifandraisana mikasika ny fitantanana ny risika mandritra ny zavatra maika. Satria ny tsy fahaiza-mitantana ny toe-draharaha dia mety hitondra amin'ny fandraisana ho fahavalo ny mpanjifa sy ny fiaraha-monina manontolo. Ny fomban'i Edano dia modely amin'izany fandinihana izany, ary dia notanisaiko eto ambany ireo antony mahatonga izany.

1. Miteny mazava tsara, miadana ary miato kely isaky ny andininy.

2. Tsy mamaky avy amina lahatsoratra nomanina fa ny tenin'ny tena manokana ihany .

3. Rehefa miteny ny mpanao gazety izy hametraka fanontaniana, dia jereny tsara anaty masony ilehio rehefa mamaly izy.

4. Tsy mandà ireo zavatra mety hitranga (tahaka ny fivoahan'ny taratra) ary manaiky azy ireny ho “mety hisy”.

5. Ho an'ireo zavatra mila ny fahaizan'ny manampahaizana manokana, manazava izy aloha nefa koa avy eo dia maneho ny heviny manokana.

6. Miverimberina matetika amin'ireo zavatra izay mety hitondra amin'ny hadisoan-kevitra izy. (Ny fiandohan'ity lahatsary eto ambany izay nalaina ny faha-12n'ny volana ity, na ny fanazavana nomeny momba ny vondrom-pihary herinaratra faha-4 -eo amin'ny 10:00 eo ho eo ao anatin'ilay lahatsary eto ambany- dia manamarina izany)

7. Manazava tsara ireo zavatra manitikitika ny sain'ny vahoaka, manonona ireo fiantraikan'ny taratra amin'ny vatan'olombelona. (Tsy amin'ny resaka sarisary fotsiny ihany, fa ihany koa ny faharetan'ny  filonana tao anatiny izay mamaritra ny halalin'ny fiantraikany.)

8. Tsy mamaly vilana fa mamaly araka izay fantany amin'ireo tranga azo tsapain-tànana.

9. Miseho foana ho mpitondra teny.

10. Manome ohatra mazava momba izay azon'ny olom-pirenena tsirairay atao mba ho fandraisany anjara amin'izao toe-javatra izao (fitsitsiana angovo, tsy mandefa mailaka mitohitohy be, tsy mitahiry, sy ny sisa.) .

Maro ny mitsikera ireo valan-dresak'i Edano indrindra taorian'ilay tamin'ny 12 Martsa fa hoe  tsy manome fampahalalana goavana izy na miezaka manafina ny tena zava-misy. Ara-drariny kosa aloha, na izany aza,  raha miresaka fotsiny mikasika ireo zavatra mifototra amin'ny zava-misy azo porofoina izy. Rehefa tsy misy fanavaozam-baovao, ny zavatra mety ho takatro (izay tsy manam-pahaizana) dia ny hoe tsy misy zava-baovao hatramin'ilay tafatafa farany.

Te-haneho ny fiaraha-miory amin'ireo izay tra-doza tamin'ilay horohorontany aho.

Misaotra betsaka an'i Naoki Matsuyama nanampy tamin'ny fandikana teny.

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ataonay momba ny Horohorontany Japana 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.