Japana: Lahatsary Avy Amin'olon-tsotra Momba ilay Horohorontany

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitray manokana momba ny  Horohorontany Japana 2011.

Mendri-piderana ny fikirizan'ny olona hilanja fandraketan-tsary sy haka lahatsary na dia be aza ny tsindry mahazo azy ireo eny an-kianja eny noho ny fihetsehan'ny tany itsahana. Lahatsary avy amin'olon-tsotra noraketina tamin'ny Zoma 11 Martsa nandritra ilay horohorontany sy tsunami nadravarava toerana maro tao Japana izao no mameno ny Youtube. Anatin'ireo maro ifampizarana any anaty aterineto, indreto misy vitsivitsy.

Ny andro nitrangan'ilay horohorontany goavana

Tompon'andraikitra tao aminà toeram-pivarotana lehibe iray ao Tokyo mametaka ireo takelaka mandritra ny fihetsehana izay naharitra mihoatra ny iray minitra.

Satria ahovitrovitry ny horohorontany ny trano, mitsoaka mivoaka mankeny an-dalambe ny olona.

Ireto olona ireto indray dia mijery avy eny amin'ny toerana avo ny fiteleman'ilay tsunami ny seranana Iioka ao amin'ny Prefektioran'i Chiba.

Tao amin'ny fitodian'i Shinjuku ao Tokyo, tamin'ny 11 Marsta, be ny olona tsy afaka nody an-trano taorian'ilay horohorontany.


Andro roa taty aoriana

Taorian'ilay horohorontany, lehilahy iray no nanontaniana mikasika ny faharavana tao Iioka, Prefektioran'i  Chiba tamin'ny 13 Martsa ka niteny hoe: “Sahala amin'ny hoe nitety namakivaky  ny tanàna ny onja”

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitray manokana momba ny Horohorontany Japana 2011.

Tomomi Sasaki no nandika avy any amin'ny teny Japoney

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.