Japana: Sarimiaina Manazava ny Olan'ny Nokleary Amin'izao Fotoana

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitray manokana momba ny Horohorontany Japana 2011.

Namorona lahatsary miaina ilay mpanakanto Kazuko Hachiya (八谷和彦) mba hanazavana ny toe-draharaha any amin'ny ozinina mpikirakira ny nokleary ao Fukushima.

Ny mpilalao fototra ao dia Genpatsu-kun (izany hoe i Mr. Nuclear power station ) izay narary vavony noho ilay horohorontany. Ireo dokotera (izany hoe ireo manampahaizana manokana momba ny nokleary) tonga mba hitsabo azy miaraka aminà rano sy asidra boric mba hanakanana azy tsy hanao “poo” (izany hoe hamoaka taratra, saingy raha amin'ny firesaka Malagasy andavan'andro dia mandefa setroka na rivotra). Amin'izao fotoana, ny aretim-bavonin'i Genpatsu-kun tsy mitsahatra nefa araha-maso tsy mitsahatra kosa ny toe-pahasalamany ary hatreto, dia “poopees” miverimberina (izany hoe. famoahan-tsetroka) no lazaina fa nisy.

Ilay sarimiaina koa dia manazava ny maha-samy hafa ny fomba, na dia amin'ny endrika ratsy aza, nataon'i Mr. Genpatsu (izany hoe ny ozinina ao Fukushima) amin'ny fomba nataon'i Mr. Chernobyl, satria izy dia mitafy lamba malefaka toa landihazo. Kanefa, raha toa i Mr. Genpatsu tsy maintsy hi-“poo” (izany hoe hipoaka ilay ozinina nokleary), ho ratsy ny vokany amin'ny fahasalaman'ireo olona monina eo amin'ilay faritra mandritra ny ampolo-taona maro.

Ny mpilalao fototra ao dia Genpatsu-kun (izany hoe i Mr. Nuclear power station ) izay narary vavony noho ilay horohorontany. Ireo dokotera (izany hoe ireo manampahaizana manokana momba ny nokleary) tonga mba hitsabo azy miaraka aminà rano sy asidra boric mba hanakanana azy tsy hanao “poo” (izany hoe hamoaka taratra, saingy raha amin'ny firesaka Malagasy andavan'andro dia mandefa setroka na rivotra). Amin'izao fotoana, ny aretim-bavonin'i Genpatsu-kun tsy mitsahatra nefa araha-maso tsy mitsahatra kosa ny toe-pahasalamany ary hatreto, dia “poopees” miverimberina (izany hoe. famoahan-tsetroka) no lazaina fa nisy.Ilay sarimiaina koa dia manazava ny maha-samy hafa ny fomba, na dia amin'ny endrika ratsy aza, nataon'i Mr. Genpatsu (izany hoe ny ozinina ao Fukushima) amin'ny fomba nataon'i Mr. Chernobyl, satria izy dia mitafy lamba malefaka toa landihazo. Kanefa, raha toa i Mr. Genpatsu tsy maintsy hi-“poo” (izany hoe hipoaka ilay ozinina nokleary), ho ratsy ny vokany amin'ny fahasalaman'ireo olona monina eo amin'ilay faritra mandritra ny ampolo-taona maro.

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ireo tatitray manokana momba ny Horohorontany Japana 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.