Bahrain: Taratasy avy any amina Bilaogera tamin'ny fidiran'ny tafik'i Arabia Saodita

Andia miaramila an-jatony avy any Arabia Saodita sy ny Vondrona Arabo izay eo ambany fiarovan'ny Filan-kevitra Fiaraha-miasan'ny Helodrano no tonga tao Bahrain ny Alatsinainy 14 Martsa  mba hanampy ny fitondrana amin'ny fanaraha-maso ny fihetsiketseham-panoherana misesisesy ny governemanta izay nanomboka ny 24 Febroary. Tsy misy olona mahafantatra hoe ahoana no nanapariahana ny andia miaramila, fa ny fikambanana miaro ny zon'olombelona mbamin'ny governemanta avy amin'ny firenena hafa dia nandrisika an'i Barhain mba hitony. Mbola nihanika ny fiholàhana ao Pearl ihany ny mpanao fihetsiketsehana, izay toerana efa nitrangana loza noho ny herisetra ary farafahakeliny valo no maty. Ankoatra ny adim-pivavahana eo amin'ny  Shiita (maro an'isa) sy Sonita (vitsy an'isa) izay tian'ny mpiady fahefana aderadera.

Troops and tanks are sent into Bahrain from Saudi Arabia on invitation by Bahrain's government by mtradwan © Demotix (14/3/11)

Fiara mifono vy ao Barhain avy any Arabia Saodita noho ny fanasan'i Bahrain

Ny Alatsinainy tao Manama

Ity lahatsoratra manaraka ity dia avy amin'ny mailaka tamin'ny bilaogera iray tsy nitonona anarana izay nalefany tao amin'ny  Global Voices. Nahazoana alalana ny famoahana azy indray.

Aleo ho lazaina hoe, tsy mazava marina izay tena nitranga. Eny, nisy baomba mandatsa-dranomaso sy bala fingotra tao amin'ny fiholàhana ao Pearl ny alina lasa teo (tsy kianja). Androany, nangina tanteraka ny tanàna. Nobahanan'izy ireo ny faritra maro ao an-tanàna, ka maro ireo olona tsy afaka namonjy ny toeram-piasany. Nandeha mba hitsangatsangana kely manodidina ny tanàna aho. Eny amin'ny mpivarotra enta-madinika, angonin'ny mpivarotra ny entany, toy izany koa eny amin'ny mpivaro-toaka!

Maro ireo mpianatra voaraoka tany am-pianarana. Fianarana sasany no tsy nampianatra nandritra ny herinandro, raha toa ka noteren'ny minisitry ny fampianarana hisokatra ny sekoly sasany. Eny anivon'ny oniversité, fifandonana kely manjary misy baomba mandatsa-dranomaso sns, izay niseho tamin'ny tsirairay. Tsy fantatro marina izay tena  nitranga.

Tsy manao ny asany tsara ireo haino aman-jery aty mba hampandre anay izay zava-miseho… Amin'izao fotoana izao ao amin'ny fahitalavitra, indreto andia tafika ao anaty fiara mifono vy no tonga ao amin'ny mpiray dia ao Saodia, mifampiarahaba sy mampiseho mariky ny fandriampahalemana! Ao anatin'izany fotoana izany dia misy fandihizana tranainy ataon'ny Mpanjaka Saodiana sy ny Mpanjakan'i Bahrain sy ny fianakavian'ny Mpanjaka, tahaka ny hiran'ady taloha ny hira mandeha! Tsy hiseho androany izany, ka mbola naverimberiny teo ihany ny sarin-kira momba izany.

Police fired tear gas and rubber bullets at protesters on Sunday, March 13. Photo by Sean Carberry © Demotix

Polisy nitifitra baomba mandatsa-dranomaso sy bala fingotra tamin'ny mpanao fihetsiketsehana tamin'ny Alahady 13 martsa 2011. Sarin'i Sean Carberry © Demotix

Inona no hitranga manaraka?

Toa hafahafa izany!!! Tsy miasa ny olona rahampitso.  Mangataka ireo vadiny sy ny zanany hody any an-trano ireo lehilahy eo amin'ny fiolàhana ao Pearl, ary maro ireo mifono anaty zavatra – Tsy fantatro izay fomba fiteninao azy – toy ny akanjo ‘vata-paty’ na ny tafo ampiasainy eo dia handrakofana ireo vatana mangatsiaka. Angamba ireo no olona te ho faty noho ny antony marina ary tsy manana antenaina intsony eo amin'ny fiainana , tena tsy fantatro. Mino aho fa hadalana izany ary ny tsirairay dia tokony hamonjy ny fonenany ary tsy hijanona eo amin'ny fiolàhana intsony. Matoky aho fa tsy ho voatifitra izy ireo, nefa kely ihany ny finoana raha mbola mikiry hijanona eo izy ireo.

Nanao fihetsiketsehana koa ny toby mpaninjara solika, ary nampitandrina izy ireo fa ‘mety ho tapaka ny jiro’. Anisan'ny Fampitandremana hafa sy tsaho ny hoe “Ry namana Sonita, raha manatona ny polisy na ny fiara mifono vy ianareo, dia mety ho voatifitra’. Ny fampitandremana hafa dia ny tsy fiarahana mivoaka amin'ny alina, raha tsy izany dia mety hisy ny voatifitra.

Marina tokoa, lasa ny vazivazy…tsy ho eny amin'ny fiolàhana ao Pearl ny andia miaramila, fa ho eny amin'nyy Exhibition Road izy ireo!! (izay misy ny mpivaro-tena sy ny dokam-barotra mora).

Androany tao amin'ny fiolàhana ao Pearl, nisy vahoaka nikabary, saingy nangina sy nilamina izany. Nitsangatsangana teny ireo namako, mora mifankahazo sy mifandray ireo olona ka nifanasa hisotro dité, kafé, hisakafo,..sns… Fa ny haino aman-jery ihany no nampiseho azy ireo amin'ny endrika hafa. Nandeha teny aho, ka toy ny karnavaly no tao.

Manao ny tokony ataony koa  ireo mpanohana ny governemanta eny amin'ny fiolàhana , izay manakaiky be  ny tokontanin'ny Mpanjaka, mivavaka ho an'ny Mpanjaka, ny fianakaviana…sns.

Miraikitra eo amin'ny fahitalavitra ireo vahoaka mba hanantena zavatra, nefa tsy misy inona na inona, ankoatra ny hadalana milaza hoe ‘ Tianay ny Mpanjaka Hamad’, ary ‘Fantatray fa tsy matory ianao raha  mifoha izahay,’ ranomaso sy alahelo, misaotra anao tamin'ny nandefasana ireo andia miaramila hamonjy ny ainay!! Tsy nisy na inona na inona, tsy niteny ny governemanta na ny Mpanjaka na ny praiminisitra. Tsy fantatray izay mbola hitranga manaraka. Misaotra an'Andriamanitra noho ny  Hafatra amin'ny Blacberry, Twitter sy ireo zavatra ahafahanay mifandray amin'izay hitan'ny olona miseho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.