Japana: Mamely ny morontsiraka ny tsunami, tsy mamela mahazo

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ataonay mikasika ny horohorontany Japan 2011 ity lahatsoratra ity.

Manaraka ilay horohoron-tany goavana indrindra teo amin'ny tantaran’ity firenena ity, voakapoky ny tsunami nahery indrindra tany aminy indray i Japana. Miraikitra eo amin'ny Fahitalavitra ny vahoaka eraky ny firenena satria mandeha amin'ny vaovao ilay tsunami mihoatra ny 7 metatra izay mamafa ireo fiara sy ireo tranobe tojo ny zotrany. Nandritra izay, miomana amin'ny zava-dratsy kokoa ireo faritra hafa erantany, i Hawaii nanome baiko amin'ny hanalana ireo amin'ny faritry ny morontsiraka ary antso fanairana sy fampitandremana ho an'ireo firenena 20 hafa fara-fahakeliny. Mamoaka fanavaozana mivantana mikasika ity loza voajanahary ity ny The Guardian.

Saritanin'ilay tsunami avy amin'ny news24.jp:

Saritanin'ilay tsunami avy amin'ny news24.jp

Sarina tafio-drivotra lehibe any Ibaraki (avy amin'i @gakuranman):

Indro sasantsasany amin'ireo hafatra ao amin'ny Twitter.

Manoratra i Tinystar323:

津波は「波」じゃなくて、「コンクリートの壁が猛スピードで突っ込んでくる物」だと思って下さい。人間にどうにか出来る代物じゃないです。絶対に興味本位で見に行ったりしないで下さい。

Iangaviana ianao tsy hieriteritra ny tsunami ho tahaka ny “onja”, fa kosa tahaka ny rindrina vita béton mirodana amin'ny hafainganam-pandeha avo dia avo”. Tsy mahatohitra azy ny olombelona. Iangaviana ianao tsy handeha hijerijery any ivelany noho ny fitiavana te-hahita.

Nisy tatitra tsy voamarina avy amin'ny @nishi_0024 nilaza fa tsy mandray olona intsony ny toeram-pivoriana Pacifico Yokohama :

【緊急拡散】パシフィコ横浜は津波の危険があるため、受け入れ中止だそうです!

Pacifico Yokohama [toeram-pivoriana] dia tandindonin'ny tsunami, ka nijanona tsy nandray olona intsony izy ireo!

Avy amin'i @edamamicky, tra-boina tamin'ity tsunami ity:

津波被害あり。自宅2階にて母と弟と近所の男性一名と救助を待っています。怪我はありません。1階は浸水して自力では外に出れません。電話も繋がりません。

Tra-boinan'ny tsunami ny aty. Ato amin'ny toeram-ponenana 2F (rihana faharoa) aho miandry vonjy miaraka amin'ny reniko, ny anadahiko, sy mpifanolo-bodirindrina. Tsy misy maratra. safotry ny rano ny 1F (rihana voalohany) ary tsy afaka mivoaka manavotena izahay. Sady tsy misy fifandraisana finday.

Ho an'ny fandrakofana isa-minitra mikasika ny toe-javatra taorian'ilay horohorontany, araho ny fampahalalam-baovao tsy tapaky ny NHK.

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ataonay mikasika ny horohorontany Japan 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.