Maraoka: Ny kabarin'ny Mpanjaka ao amin'ny Twitter

Naka tahaka an'i Tonizia sy i Ejipta, nidina an-dalambe ny tanora Maraokana nanomboka ny 20 febroary mba hitaky fanovàna lalampanorenana izay hita ankehitriny fa manome fahefana feno ny Mpanjaka . Tamin'ny Alarobia, nanao ny lahateniny voalohany ho an'ny firenena ny Mpanjaka Mohammed VI hatramin'ny nisian'ny fihetsiketsehana mandàla ny demokrasia. Tsy niteny mivantana momba ny hetsika, fa nampanantena “fanovàna lalampanorenana mazava” sy fitsapakevi-bahoaka momba ny “fitsinjaram-paritra tsara,” mikendry izay hanomezana fahaleovantena tanteraka ny faritra manoloana ny governemanta izy –fanovàna izay araka ny filazany dia hiantoka ny fisaraham-pahefana sy fanamafisana ny andraikitry ny praiminisitra voafidy sy ny parlemanta.

Narahina akaiky tao amin'ny Twitter tamin'ny tenifototra #khitab ny kabariny , izay midika hoe kabary amin'ny teny Arabo. Ity kabary kely sy fanehoan-kevitra tao:

@citizenkayen: renforcement du role de la femme #khitab

[Lazain'ny Mpanjaka ny ] “fanamafisana ny anjara toeran'ny vehivavy”

@Lamialaz: Discours du Roi Mohamed VI : Régionalisation et Constitution. #khitab

Kabarin'ny Mpanjaka: fitsinjaram-paritra sy Lalampanorenana.

@Takhouar: Machrou3iyat tatalou3at référence au #feb20 #khitab

“Ny maha-ara-drariny ireo fitakiana” tao amin'ny kabarin'ny Mpanjaka dia miresaka ny #Feb20 (hetsika mandàla ny demokrasia ny 20 Febroary).

Nilaza ihany koa ny Mpanjaka ny handraisany andraikitra amin'ny fizotry ny fanovàna mazava ny lalampanorenana, izay mifototra amin'ny fitsipika 7:

@mcherifi: #khitab RT @citizenkayen: refonte constitutionel complete: 1 identite nation auotur amazighia

Fanavaozana tanteraka ny lalampanorenana [hoy ny Mpanjaka] mifototra voalohany indrindra amin'ny fanekena ny fisian'ny Amazigh (Berbera) ho isan'ny zom-pirenena.

@crowd42: #khitab : séparation des pouvoirs

[Fampanantenan'ny Mpanjaka] fisaraham-pahefana.

@Hyperconnard: #khitab un nouveau gouvernement issu du parlement et 1er ministre issu uniquement du parti vainqueur

[Nilaza ny Mpanjaka] governemanta vaovao  avy amin'ny parlemanta ary praiminisitra avy amin'ny antoko mandresy amin'ny fifidianana.

@citizenkayen: renforcer le role des partis et loposition aprlement et la soc civile #khitab

[Maniry ny Mpanjaka) hanamafy ny andraikitr'ireo antoko politika, ny mpanohitra, ny parlemanta ary ny fiarahamonim-pirenena

@Hyperconnard: #khitab lajnat mouraja3at dosstor.

[ny Mpanjaka dia hamorona] vaomiera hanitsy ny lalampanorenana ankehitriny.

@RedaBlog: et nous voilà, une autre commission… #khitab

Eto indray isika, misy vaomiera hafa indray.

@Takhouar: ASSEMBLEE CONSTITUTIONNELLE (non élue) présidée par Abdeltif Mennouni #khitab

Famoronana antenimieran-dalam-panorenana (tsy nofidiana) tarihin'i Abdeltif Mennouni.

@mounirbensalah: #khitab 1 projet de const avant juin 2011

[Nampanantena ny Mpanjaka] lalampanorenana vaovao alohan'ny volana jona 2011.

Amin'ny ankapobeny dia fahafahampo ireo fanehoan-kevitra  voalohany :

@DrSwEeToO: hadshi ki beshar bel kheir #Khitab

Fambara tsara izany.

@meryemefaris: Milay! #khitab

masaka!

@didacasa: Mahafa-po #khitab !

@: 3acha lmalik #khitab du siecle

Ho ela velona ny Mpanjaka. Izany no kabarin'ny taonjato!

@mounirbensalah: #khitab #feb20 a gagne

Nandresy ny #Feb20 (hetsika mandàla ny demokrasia) !

@YassBerraoui: HISTORIQUE #khitab

MANAN-TANTARA!

@ManusMacManus: Mitovy amin'ny rafi-pifidianana Britanika#Maroc #Feb20 #Khitab

Niantso fahamailoana kosa ny sasany:

@Hyperconnard: #khitab un discours assez vague. Des déclarations d'intention. De très belles intentions.

Kabary somary manjavozavo. Fanambaram-pikasana. Fikasana tena tsara.

@Hyperconnard: #khitab le #feb20 mais aussi les soulèvements arabes ont servi a quelquechose au maroc

Nahtam-bokatra tany Maraoka ny hetsika mandàla  ny demokrasia (#Feb20) sy ny Fitroaran'ny Arabo.

@abmoul: Si j'ai compris, la monarchie garde la main haute sur le processus de révision constitutionnelle. #khitab

Raha azoko tsara izany dia mbola mitana andraikitra lehibe ny fitondram-panjaka eo amin'ny fanovanaa ny lalampanorenana!

@: le discours du Roi ne garantit rien. La vigilance est plus que jamais de mise.

Tsy miantoka na inona na inona ny kabarin'ny Mpanjaka. Ilaina indrindra ny ho mailo.

Jereo ny tantara  “Morocco: King's Speech Tweeted- Maraoka:Ny kabarin'ny Mpanjaka nalefa Tweet” ao amin'ny Storify:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.