Koety: Olona an-jatony mitaky fanovàna praiminisitra

An-jatony vitsivitsy ireo vahoaka nivory tao Koety androany mitaky ny “governemanta vaovao”, sy praiminisitra vaovao, ary fomba fiasa vaovao.” Na dia misy aza ireo miteny fa i Koety dia miezaka manatratra ny rivo-panovàna mitsoka mahery eo amin'ny tontolo Arabo, ny hafa anefa mandà izany, milaza fa tsy misy ifandraisany amin'ny firenen-kafa ny fihetsiketsehana ao Koety . Na izany aza, firenena Arabo i Koety, izay ezahin'ireo tanora hitondrana fanovàna.

Fihetsiketsehana, izay nilamina tanteraka, saingy vitsy tsy araka ny no-eritreretina ny olona. @Sultan7879 lahatsoratra, sarin'ny fihetsiketsehana:

Kuwaiti protesters calling for a new government, with a new Prime Minister

Mpanao fihetsiketsehana ao Koety mitaky governemanta vaovao, sy praiminisitra vaovao

Nilaza izy hoe:

صوره اقرب للتجمع #واترك لكم حرية تقدير اعداد الحضور؟؟ # 8mar #kafi #soor5 #er7al #kuwait #q8 http://t.co/YV8g9fO
“Ity dia sary nalaina akaiky tamin'ny famoriam-bahoaka, avelako hanombana ny isan'ny mpanao fihetsiketsehana ianao.”

Ao amin'ny Twitter, vahoaka maromaro no nanambara ny fikasany handray anjara amin'ny fihetsiketsehana. @al_tariq2009 :

بسم الله الرحمن الرحيم ، اتوجه الآن لساحة الصفاة التقي الشباب هناك
Andeha ho any amin'ny kianjan'i Safat aho mba hihaona amin'ireo tanora
Tamin'ny fomba tsy mazava anefa, nanambara ny fikatonanan'ny kianjan'i Safat ny minisitry ny Atitany androany, izay efa niomanan'ireo vahoaka, nefa dia tsy nahakivy azy ireo  hiantso famoriam-bahoaka indray izany.

Nanazava i @LeKoweit:

نظرا لاغلاق ساحة الصفاة، ندعو أبناء الشعب الكويتي الى التوجه الى ساحة التغيير، الساعة 7 مساء اليوم، مقابل مجلس الوزراء، بجانب البنك المركزي
Satria mikatona ny kianjan'i Koety, dia  manentana ny vahoakan'ny Koety izahay handeha ho eny amin'ny kianjan'ny fanovàna, amin'ny 7 maraina, eo anoloan'ny filankevitry ny minisitra, akaikin'ny banky foibe.

Raha manontany ianao hoe aiza no misy ny kianjan'ny fanovàna, satria tsy hitanao amin'ny sarintany mihintsy izy, ity ny fanazavana avy amin'ny @eL_aldstor :

( التجمع اليوم أمام مجلس الوزراء .. في الساحة المقابلة بجانب الدوار وتسمي من اليوم ( ساحة التغيير
Ny famoriam-bahoaka androany dia eo anoloan'ny filankevitry ny minisitra eo amin'ny toerana akaikin'ny fiodinana. Manomboka androany, dia ho antsoina hoe Kianjan'ny Fanovàna ny anarany.

@ShagranQ8 dia nanandrana ny hahafantatra marina fa maninona ny nohidiana tamin'ny mpanao fihetsiketsehana  ny kianjan'i Safat:

سبب تغيير ساحة الصفاة حسب ظني هو:السلطة لاتريد لهذه الساحة أن تبرز إعلاميا في حال سلّط الإعلام”الخارجي”الضوء على مكان التواجد لطمس تاريخيتها
Ny antony namindrana ny toerana hamoriam-bahoaka ao amin'ny kianjan'i Safat, dia mino aho fa satria tsy tian’ ny fitondrana sao voasoratra [anaty vaovao] ny anaran'ilay  kianja raha ohatra ka mitodika any ny mpanao gazety vahiny.

Nanazava ny @walladah fa maninona no manao fihetsiketsehana izy :

سأعتصم اليوم الساعة السابعة مساءاً مع الشباب من اجل حكومة جديدة بنهج مختلف …فهل ستعتصم معنا ليكون الصبح في بلادنا أكثر إشراقاً ؟
Androany, dia andeha hamonjy fihetsiketsehana aho amin'ny 7 hariva miaraka amin'ireo tanora mba hitaky governemanta vaovao sy fomba fiasa vaovao. Handeha hamonjy fihetsiketsehana miaraka aminay ve ianao  mba hamirapiratra eto amin'ny firenentsika ny fiposahan'ny masoandro?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.