Kolombià: Mpianatra amin'ny Ambaratonga Ambony Miresaka Momba ny Fahasamihafàn'ny Lahy sy ny Vavy

Colombian Campaign on Sexual Identity in High School

Any Kolombià, ny governemantan'i Medellin dia nanomboka fanentanana iray ho fanairana ny rehetra amin'ny fahasamihafàn'ny lahy sy ny vavy any amin'ny sekoly ambaratonga ambony, ary ny ampahany amin'ny fanentanana dia ahitàna lahatsary ao amin'ny aterineto misy ireo mpianatra samihafa miresaka momba ny zavatra niainan-dry zareo.

Ndeha horaisintsika i Isabela, hatao ohatra: izy ihany no mpisolo vavan'ny tenany satria mila miresaka amin'ireo manampahefana ao amin'ny governemanta izy hanelanelana noho ny fitondratenany mba hahazoana ny fanohanan'ireo ray aman-dreniny amin'ny fanapahan-keviny hiverina an-tsekoly indray tsy ho toy ny zazalahy, toy izay ataony ankehitriny, fa ho toy ny vehivavy izay fahatsapany ny tenany amin'izao.  Taorian'io dona voalohany io, hitany fa tsy hoe  nanohana fotsiny ny fanapahan-keviny ny sekoliny fa raha ny marina dia nidera azy tamin'ny fijoroany amin'ny maha-izy azy. Notsindriany mafy fa na dia hafahafa fihetsika aza ireo mpianatra sasany, dia mba nahita fanohanana sy tsy dia fanaovana antsojay loatra tsy araka izay noheveriny izy. Na izany aza, nila nandona loha sasantsasany koa izy hampitàna ny hafatra mba tsy hitoetra sy hiharan'ny tsy rariny ary hompàna lava izao.

Katerine dia mino fa ny fahatsorana mikasika ny maha-lahy sy maha-vavy ny tena no fanalahidin'ny fankatoavana. Amin'ny trangany manokana, tsy dia niraharaha izany ny iray kilasy aminy rehefa niseho tamin'ny maha bisexuelle azy izy ary notsindriany fa raha misy olona mahatsiaro ho hafahafa na manilika azy, dia fahavoazana ho azy ireo izany fa tsy azy akory.

Mauricio dia niseho koa amin'ny maha-homosexuel azy (lahy tia lahy) tao amin'ny sekoly ambony misy azy: ny fahitàny azy dia avy amin'ny tsy fahafantarana  sy ny tahotra no tena ihavian'ny fanilikilihana ary dia miaro tena amim-pahalalàna izy. Rehefa miteny azy ireo mpiray kilasy aminy hoe tsy azony aleha ny faritra toy itsy na toy iroa satria natokana ho an'ny ‘lehilahy’ dia midrikina izy fa isan'ny tovolahy mpianatra ao amin'ny sekoly koa, ary olombelona. Nambarany koa fa tsy avy amin'ny olona ‘gay’ (bandy mirevy bandy) ny olana fa avy amin'ny tahotra an'ireo lahy tia lahy, na vavy tia vavy (homophobia).

Zulangie dia nanapa-kevitra ny hilaza  ny maha-vavy tia vavy azy tao amin'ny sekoly misy azy hanalàna ireo fitsaratsarana  ivelany: nisy mpampianatra, mpianatra ary mpitantana nametaka afisy lehibe ary nanao fanambaràna manilika ireo homosexuels ka nahatonga azy nanapa-kevitra hoe ny fijoroana manoloana ny maha-izy azy no làlana tsara indrindra hanaporofoana amin'izy ireny fa diso ny fitsaratsaràna ivelany ataon-dry zareo.

Harold dia mahitsy, saingy ao anatin'ny resadresany dia nararaotiny ny fotoana mba hiresahana amin'ny anaran'ny fiarahamonin'ny lahy tia lahy ary ny fomba azon'ireo nivoaka tamin'ny fahanginany hanampiana ireo tsy mahavita misokatra ka hijoro amin'ny maha-izy azy ireo manokana.

Ary ilay mpampianatra, Luz Ángela, koa dia nanome ny fomba fijeriny: Nampianatra momba ny Etika sy ny Soatoavina izy taminà Sekoly Ambaratonga Ambony iray izy ary nanipika fa manaja ny fanapahan-kevitr'ireo mpianatra ry zareo ary mandrisika ny hafa hanaja  ny fahasamihafàna: fa  ny Sekoly Ambony dia tokony ho toerana azo antoka ho an'ny mpanatra mba hijoroany amin'ny maha izy azy no sady mianatra miatrika ny fahatsapàna, ny fihetseham-po ary ny fifampitsinjovana samy olona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.