Meksika: Miteraka fisahotahana ny mety ho fanasivanana fanadihadiana

Peta-drindrina ofisialin'ny fanadihadiana "Voalaza fa Meloka". Sary azo sintonina avy amin'ny fitaovan'ny mpanao gazety ao amin'ny vohikalan'ilay sarimihetsika.

Ny mpitsara Meksikana Blanca Lobo Dominguez dia nibaiko ireo teatra hampiato mandritra ny fotoana voafetra ny fandefasana ilay fanadihadiana Meksikana malaza Presunto Culpable [es] (Voalaza fa Meloka). Ny antony ao ambadik'izany baiko izany dia satria i Victor Manuel Reyes Bravo, iray amin'ireo vavolombelon'ny fanenjehana tao anatin'ilay fandihadiana, dia milaza fa tsy nanome alalana ireo mpanao ilay horonantsary izy handrakitra azy sy hampiseho azy ao anatin'izany fanadihadiana izany.

Ny fanadihadiana dia mampiseho tranga izay ahitana fa malemy sy lo ny rafi-pitsaràna any Meksika. Izany dia hita amin'ny tantaran'i Antonio Zuniga, izay voampanga taminà vono olona tamin'ny 2005. Nivadika ny tranga rehefa mizotra ny horonantsary, satria tsy mitombina ny zavatra iampangàna azy.

Ambara ao amin'ny bilaogy Gancho ny lazan'ilay fanadihadiana:

Namaky zavatra maro momba ny Voalaza fa Meloka aho, fanadihadiana momba ny tena fahadisoana ara-pitsaràna any amin'ny rafi-pitsarana meksikana, tao amin'ny US media. Na izany aza, milaza i Milenio fa nivadika ho zava-tsy fahita mihitsy ilay izy: fanadihadiana nahomby teo amin'ny sehatry ny varotra tany Meksika. Teo ambany fiahian'ny Cinépolis, tambajotranà teatra lehibe indrindra any amin'ny firenena, tamin'ny herinandro voalohany fotsiny dia nampiditra 6.4 tapitrisa pesos ny Voalaza fa Meloka. 500000$ any ho any fotsiny izany, saingy efa efa tany amin'ny antsasa-dàlana amin'ny haha-fanadihadiana nahita fahombiazana indrindra tamin'ny tantaran'i Meksika azy izy.

I Octavio Islas, mpampianatra sady mpitoraka blaogy dia naneho ny ahiahiny momba ny mety ho fiatraikan'ny fampiatoana ny fandefasana ilay fanadihadiana [es] eo amin'ny fahalalahana maneho hevitra:

La suspensión en las exhibiciones de la película Presunto Culpable sería un atentado a la libertad de expresión. En esa cinta se muestran escenas de un proceso judicial que fue público. Los hechos allí registrados son de interés público –atendiendo al principio de máxima publicidad establecido en la Constitución– y su divulgación no requiere del permiso expreso de las personas que participaron en tales audiencias.

Mety ho tranga tsy fanajana ny fahalalahana maneho hevitra ny fampiatoana ny fandefasana ilay horonantsary Voalaza fa Meloka. Ao anatin'io horonantsary io dia misy fampisehoana fitsarana ampahibemaso. Ny tranga voarakitra ao dia mitodika amin'ny vahoaka tsy ankanavaka –anatin'izany ny foto-kevitry ny fanapariahana araka izay azo atao ny fepetra noraisina tamin'ny lalàmpanorenana– ary tsy mila alàlana avy amin'ny olona nandray anjara tamin'izany ny fanapariahana azy.

"Toño," fanafohezanan ny "Antonio," ilay mpilalao fototra. Sary azo sintonina avy amin'ny sampana fitaovan'ny mpanao gazety ao amin'ny vohikalan'ny sarimihetsika.

Alejandro Ortiz Sotomajor dia manoratra momba ny resaka sivana [es] izay iadiana hevitra:

Esta claro que no hay que pensar mucho para poder llegar a varias conclusiones, la principal y que anda en prácticamente boca de todos es que el sistema judicial no quiere que se saque a la luz todas la irregularidades en su administración y su forma de resolver los juicios.

Mazava fa tsy dia mila fieritreretana be loatra dia ahatakarana tsoakevitra maro, ny lehibe amin'izany ary izay resahana be indindra dia ny tsy itiavan'ny rafi-pitsarana hanabaribarian'ilay horonantsary ny tsy fetezana rehetra amin'ny fitantanana sy ny fomba hanaovana fitsarana.

Ny mpanatontosa ilay horonantsary, tao aminà fanambarana navoaka tao amin'ny  vohikalany [es], dia manambara fa ho tohizana ny fandefasana ilay fanadihadiana raha tsy maharay didy avy amin'ny governemanta na ny fitsarana ry zareo. Any Etazonia dia azo jerena manontolo ilay fanadihadiana ao amin'ny vohikalan'ny PBS hatramin'ny 31 Martsa 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.