Libanona: Fihetsiketsehana manohitra ny rafitra mifototra amin'ny sekta

“Te hanongana ny fitondrana ny vahoaka” izany no fehezanteny manakoako manerana ny firenena Arabo nandritra ny volana maromaro. Tonga hatrany Libanona izany ny Alahady lasa saingy misy fiovana kely: “Te hanongana ny fitondrana mifanavaka ny vahoaka.” Maherin'ny 2500 ireo olom-pirenena Libaney nidina an-dalambe tamin'ny 27 febroary 2011, tao an-drenivohitra   Beirut mba hanohitra ny rafi-panjakana mifanavaka (sektarisma) ary mbola nikasa ny hidina an-dalambe izy ireo ny (6 Martsa). 

Smoker holds sign, translation: "Sectarianism is bad for your health. We suggest avoiding it." Beirut, Lebanon. Image by Dana Ballout, copyright Demotix (27/02/11).

Mpifoka sigara mihazona soram-baventy, misoratra hoe: "Tsy tsara ho an'ny fahasalamana ny sektarisma. Manoro hevitra izahay mba tsy hanaovana izany." Beirut, Libanona. Sarin'i Dana Ballout, zon'ny mpamorona Demotix (27/02/11).

Ny fangatahana momba  io fihetsiketsehana io izay nalefa tao amin'ny Hetsika Facebook dia toy izao : 

نحن مواطنون ومواطنات نتحرك اليوم 

  • ضد النظام الطائفي ورموزه، أمراء الحرب والطوائف
  • ضد نظام المحاصصة والتوريث السياسي
  • ضد الإستغلال الإجتماعي – الإقتصادي، والبطالة، والهجرة
  • ضد الفقر والتهميش
  • ضد الإنماء غير المتوازن والحرمان المناطقي
  • ضد العنصريّة والتمييز

لذلك نريد: 

  • دولة علمانيّة مدنيّة ديمقراطيّة، دولة العدالة الإجتماعيّة والمساواة
  • الحق في العيش الكريم لكل المواطنين من خلال:
  • رفع الحد الأدنى للأجور
  • تخفيض أسعار المواد الأساسيّة
  • تخفيض أسعار المحروقات
  • تعزيز التعليم الرسمي
  • تكافؤ فرص العمل العامة والخاصة
  • إلغاء المحسوبيّة، الوساطة، والرشاوى
  • الحق بالمسكن اللائق
  • تعزيز الضمان الإجتماعي وإقرار ضمان الشيخوخة

هذه هي بعض من ظواهر الفساد في النظام الطائفي القائم، لهذا كله ولأسباب أخرى، يجب ونريد!
إسقاط النظام الطائفي 

لذا، ندعو جميع المواطنين والمواطنات، وكل أفراد المجتمع الللبناني إلى التحرك. 

Izahay amin'ny mizaka zom-pirenena Libaney dia :
  • Manohitra ny fitondrana miandany sy ny lehiben'ny ady mbamin'ny mpitarika
  • Manohitra ny fitondrana misy fameran'isa sy ny fifandovana politika
  • Manohitra ny fanararaotana ara-toe-karena sy ara-tsosialy, ny tsy fisian'asa ary ny fifindra-monina
  • Manohitra ny fahantrana
  • Manohitra ny fandrosoana isam-paritra tsy mitovy tantana
  • Manohitra ny fifanavakavahana sy ny fanavakavaham-bolokoditra

Araka izany, dia mila izahay: 

  • Firenena demokratika, laïka ary sivily. Firenena mandala ny fahamarinana ara-tsosialy ary ny fitoviana
  • Zo hanana fiainana milamina ho an'ny olom-pirenena :
    • Ampiakarina ny karama farany ambany indrindra
    • Fampihenana ny vidin'ny zavatra ilaina andavan'andro
    • Fampihenana ny vidin'ny solika
    • Fanamafisana  ny rafi-pampianarana miankina amin'ny fanjakana
    • Fampitoviana vintana amin'ny fampidirin'asa miankina na ny tsy miankina amin'ny fanjakana
    • Fanafoanana ny fandevozana, ny fanerana ary ny kolikoly
    • Zo hanana trano sahaza
    • Fanamafisana ny filaminana sosialy sy ny rafitra miaro ny zokiolona

Ireo karazana kolikoly ireo no vokatry ny fitondrana mifototra amin'ny sekta (antokom-pivavahana) . Ary noho izany, dia tsy maintsy harodanay ny fitondrana ara-tsekta. 

Araka izany, dia miantso ny mizaka zom-pirenena Libaney rehetra izahay hihetsika: 

Avy amin'ny sokajin-taona rehetra ireo mpanao fihetsiketsehana, na lahy na vavy, tsy anavahana antokom-pivavahana ary mandà ny hiandany amin'ny antoko politika eo amin'ny firenena. Indreto sombiny amin'ireo fanohanana tao amin'ny tweets: 

@justimage: Sonita, shiita, ny kristianina, ny laïka sy ny hafa, milatsaka ho an'ny rehetra ny orana ao #Lebanon. #unitelb 

@mdghamloush: انا مني ضد الدين انا ضد الطائفية #feb27 #unitelb 

@mdghamloush: #unitelb Tsy manohitra ny fivavahana aho, fa manohitra ny sektarisma #feb27

@habibh: Ireo rehetra izay leon'ny sektarisma, ny kiantranoantrano, ny kolikoly, ny halemena politika, mifohaza, mitsangana ary takio ny fanovana IZAO! #UniteLB 

Etsy andaniny, tsy tian'i Fadi ny foto-kevitry ny hetsika na dia eo aza ny fanohanany ny fanjakana laïka. Nilaza tao amin'ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe “Mamon'ny divain'ny revolisiona i Libanona ” izy: 

Tsy mino fikasana tsara ao anatin'izy io aho.
Tsy mba nitia ny rafitra teto Libanona mihitsy aho. Raha ny marina, ny rafitra laïka no antenaiko indrindra, fa ny tsara indrindra azoko ambara amin'ity fihetsiketsehan ity dia izy Ambakaina (Naive)

[…] 

Lazao ahy raha niova ny rafitra rahampitso: 

- Ho lasa ve ny adihevitra momba ny tribonaly manokana misahana an'i Libanona fifandirana manodidina izany ?
– Ny filazan'i Hizbullah sy ny ady amin'i Israely ve ho lasa?
– Hanjavona ve ny tsipika manavaka antsika ho vahoaka iray sy mahatonga antsika hifidy ireo mpanao politika mpanao kolikoly any amin'ny sekta misy antsika fa tsy ireo olo-mendrika mahavita azy? 

Nanontany i Mustapha avy ao amin'ny Beirut SpringInona ny manaraka ho an'ny mpanohitra ny sektarisma?” ary nilaza izy hoe: 

Raha mbola mampiasa ny modely revolisionera izy ireo ka  milaza zavatra toy ny hoe ” fandravana ny sakana amin'ny tahotra “, dia tsy hahazo vahana na aiza na aiza. Satria ny ambadik'io eritreritra io dia  hadisoan-kevitra inoan'ny ankabetsahan'ny Libaney mailaka ny “handrava ny rafitra mifanavaka ” na inona na inona dikany. 

Nampiany hoe: 

Raha nipetraka niaraka tamin'ireo aho, dia nanoro hevitra azy mba hifantoka amin'ny olana mifototra amin'ny tsirairay  toy ny mariazy sivily sy ny hizakan'ireo renim-pianakaviana Libanezy ny zom-pireneny. Izany lohahevitra izany no hahazo fanohanana lehibe amin'ny Libaney ary azo lazaina ho zavabita  mivaingana hahatonga ezaka amin'ny hetsika hoavy. 

Miparitaka ny feo hihetsika isan-kerinandro mandra-pivaly ny fangatahan'izy ireo. Fanampin'izany, ny tanora Libanezy tsy miankina dia efa nanao sit-in roa tao Sanaye’-Beirut sy ny tanàna atsimon'i Saida tamin'ity herinandro ity. 

Anelanefan'ny hetsi-panoherana ny rafi-pitondrana ara-tsekta rahafakampitso (6marsa?) sy ny fihetsiketsehana Martsa 14 ny Alahady manaraka izay miantso ny fanafoanana ny fampitaovam-piadina ny Hezbollah, inona no tena irian'ny vahoaka Libaney? 

Araho ny teny fototra #UniteLB ao amin'ny Twitter mba ahitana hevitra sy fihetseham-po maro kokoa, fa efa lasa vavahadi-peo sy vavahadin-kevitra Libaney  mba hanana Libanona tafaray izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.