Tonizia: Nametra-pialana ny praiministra taorian'ny vono-olona ny Asabotsy

Ity lahatsoratra ity dia fanadihadina manokana mikasika ny  Revolosiona Tonizia taona 2011.

Nametram-pialana ny praiminisitra vonjimaika Mohamed Ghannoushi taorian'ny fatiolona ny Asabotsy tao an-drenivohitra Tunis. Ny fifandonana niseho tamin'ny Zoma alina tao amin'ny lalana Habib Bourguiba, nitarika fahafatesan'olona telo nisy teo amin'ireo mpitandro ny filaminana sy ny mpanao fihetsiketsehana.

Lalana Habib Bouguiba tamin ny zoma tolankandro, sarin i Khaled Nciri

Narahina  fampisehona milamina sy mafonja ireo herisetra tamin'ny zoma manoloana ny minisiteran'ny Atitany. Saiky marina tokoa fa ity fikomiana sy finiavana hamotika fananam-panjakana sy fananan'olo-tsotra ity dia efa nomanina sy nokarakaraina mialoha. Na izany aza, ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe iza no tompon'andraikitra?
Tao amin'ny Facebook, nilaza ny minisitry ny atitany  fa nomanina ireo fihetsika ireo; saingy tsy nanome fanazavana na hevitra ny amin'ny hoe iza no ho saziana:

عمد بعض الأشخاص من مثيري الشّغب الذين اندسّوا في صفوف المتظاهرين سلميّا واستخدموا مجموعة من الشبان في سن الدراسة دروعا بشرية للقيام بأعمال شغب وحرق وعنف بعد ظهر اليوم السبت 26 فيفري 2011 مستعملين العصي والحجارة

Sasany amin'ireo Mpikomy, dia anisany tafiditra tao amin'ny fihetsiketsehana milamina sy nametraka tanora mpianatra ho ampinga mba hampiely ny herisetra, fikomiana sy fandoroana izay nitranga ny 26 febroary tolakandro, sady nampiasa vato sy langilangy

Hoy ilay bilaogera Toniziana:

Et voila que même le ministère le confirme, ce qui se passe à l'avenue HB, ce sont des actes préparés à l'avance et visent à délégitimer le sit-in de la Kasbah, message à tout tunisien ayant même une petite goûte de patriotisme, soyez vigilant, pas de violence, pas de destruction, c'est notre Tunisie, quelque soit vos convictions, pour ou contre le gouvernement, ne vous laissez pas manipuler; semer le désordre c'est justement là ou on veut nous mener…

Nanamafy ny minisitera ny atitany fa: izay nitranga tao amin'ny làlana Bourguib, dia efa nomanina mialoha mba hanoritra ny sit-in tao amin'ny kianja Kasbah ho tsy manara-dalàna. Hafatra ho an'ny Toniziana tia tanindrazana rehetra: mitandrema, aoka tsy hisy herisetra, na fanimbana, fa an'i Tonizia ireny, na inona na inona hevitrareo, na mifanohitra ny governemanta vonjimaika. Aza manaiky fitahina ary aza mitondra fanakorontanana, tsy te ho tonga amin'izany isika…

Nicolas Beau, mpanao gazety frantsay sady mpanoratra, dia nilazalaza momba ny lalana Habib Bourguiba taorian'ny vonoan'olona ny Asabotsy:

Ce matin dimanche, l'avenue Bourguiba, où des casseurs ont à nouveau sévi dans la nuit sans que la police n'intervienne vraiment, est fermé aux voitures, mais aussi aux passants.

Ny Alahady maraina, ny lalana Bourguiba, nahitana ireo mpanakorontana  ny alina teo nefa tsy nisy ny fijeren'ny mpitandro ny filaminana izany manokana,  dia nihidy ho an'ny fiara sy ny mpandeha tongotra.

Nampiany hoe:

On voit en effet des supplétifs de la police, jeunes et en tennis, armés de longues lattes de bois, frapper méthodiquement et violemment, les jeunes manifestants et les traquer dans les halls d'immeuble. Pour peu qu'un portable soit aperçu, et immédiatement les nervis le fracassent, de peur des photos.

Raha ny tena marina, nahita ireo mpitandro ny filaminana fanampiny vitsivitsy isika, sy tanora mitana langilangy hazo lava be, izay midaroka tsy mitsahatra, ireo tanora mpanao fihetsiketsehana sady  manenjika azy ireny hatrany amin'ny trano fandraisam-bahiny. Ny fotoana kely ahitan'izy ireo finday, dia tonga dia atahoran'izy ireo fa hoe mety ampiasaina amin'ny fakàna sary  izany.

Tamin'ny Alahady, dia nitohy ny fifanandrinana tao amin'ny làlana Bourguiba.

I Lina Ben Mheni, mpiaro ny zon'olombelona  (@benmhenilina) ni-tweet hoe:

DES bombes lacrymogènes à l'Avenue Habib Bourguiba le cauchemar continue

Nisy baomba mampandatsa-dranomaso ao amin'ny lalambe Habib Bourguiba . Mitohy ny nofy ratsy.

Ny herisetra sy ny fanimbana zavatra dia tsy tao  Tunis ihany, fa tao amin'ny faritr'i Kasserine ihany koa, ao afovoany atsinanan'ny Tonizia.

Abu Sofiane (@AbuSofiane) ni- tweet hoe:

ce qui c'est passé à kasserine est ignoble ! ce gouvernement doit démissionné ce sont des criminels

Izay niseho tao Kasserine dia mahatsiravina. Tokony hametram-pialana ny governemanta, mpamono olona izy ireo

Kais elloumi (@kaiselloumi) ni-tweet hoe:

les évènements de Kasserine ne semblent pas être spontanés…. bizarre qu'ils coïncident avec le grand rassemblement de La Kasba

Ny zava nitranga tao Kasserine dia tsy zavatra kisendrasendra… hafahafa tokoa  satria nitontona niaraka tamin'ny famoriana tao amin'ny kianja La Kasba.

Ho setrin'ireo zava-niseho feno herisetra, ny mponina ao  Kasserine dia nanao famoriam-bahoaka tamin'ny Asabotsy mba hanoherana ireo herisetra sy fandrobana ary ihany koa mba hanoherana ny governemanta vonjimaika. Araka ny voalazan'ny http://thalasolidaire.over-blog.com:

Aujourd’hui, des milliers de manifestants sont dans les rues de Kasserine pour dénoncer ces pillages et ces incendies des institutions publiques et pour exiger, en même temps, la dissolution du gouvernement Ghannouchi

Androany dia mpanao fihetsiketsehana an'arivony no nidina an-dalam-be tao Kasserine, mba hanameloka ny asa fandrobana, ary koa hitaky ny fanonganana an'ny governemanta  Ghannoushi


1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.