Bahrain: Ny “meme”-n'ilay lehilahy nihiaka TAKBEER

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011 ity lahatsoratra ity.

Vokatra tsy nampoizina tamin'ny hetsi-panoherana nandritra ny Andron'ny Fahatezerana izay mbola mitohy any Bahrain, niara-nivondrona ireo mampiasa ny media sosialy ary namorona ny “meme” [mihomehy] voalohan'i Bahrain : ilay lehilahy nihiaka “TAKBEEER”

Nisy tranga mitovy tamin'izay ihany koa tany Ejipta tamin'ilay lehilahy ao ambadik'Omar Suleiman“, ilay lehilahy mihiaka TAKBEEER (Mansour Tariq ny tena anarany) nitsangana tao aorian'ny mpampianatra teolojia miozolomana Bahrainita malaza Shaikh Abdullatif Al-Mahmood nandritra ny toriteniny tao amin'ny Moskean'i Al-Fateh ary nihiaka “TAKBEEER!” (Fiantsoana ny vahoaka hiteny ‘Allah Akbar’ [Tsara i Allah]). Ny Fiantsoana “Takbeer” ihany koa dia fomba silamo solon'ny tehaka ho an'ny silamo nenti-paharazana.


Lahatsary mampiseho sasantsasany amin'ny fotoana nisandratan'ity lehilahy mihiaka TAKBEEER ity nandritra ny fanambarana (Navoakan'ny mpampiasa YouTube youth4bahrain)

Ny tsy fitsaharany mihiaka Takbeer no toa hatsikana kely teo am-piandrasana ny fanambarana nataon'i Shaikh Al-Mahmood. Ora maro taorian'ny fahalavorariany, napoakan'ireo hatsikana sy teny fototra ho an'ilay lehilahy nihiaka TAKBEEER ny Twitter.

@HasanAlMaskati Vao avy nijery ny lahatsarin'ilay #Takbeer Guy aho ka tsy tafajanona mihomehy ary tsapako hoe maninona ny vahoaka no nitabataba !!

@tighten @Fayo0osh any amin'ny(fihetsiketsehina) ataon'ireo mpomba ny governemanta amin'ny Alatsinainy, nisy lehilahy iray tsy nijanona niteny #takbeer, malaza be izy amin'izao fotoana izao! http://on.fb.me/h1yVE1

@YasserAlHawaj Marary angamba ny tendan'ilay lehilahy nihiaka Takbeer ao amin'ny BTV! Gara ny feony!

Navoaka tamina fanamboarana “meme” io sariny io izay ahafahan'ny vahoaka mamorona ny teny tiany apetraka manokana..

Global Voices is Awesome TAKBEEEEEEEEER

Tsara ny Global Voices TAKBEEEEEEEEER

..ary nahazo ny “Obama Hope Treatment” mihitsy aza izy..

@tsalrashoud Eny afaka isika mpankafy ny #TakbeerGuy! Nahalala ianao fa nitranga izany #Bahrain http://twitpic.com/42ylvx

Takbeer Hope

Fanantenana Takbeer

Tsy misy fahatsapana loak'alina raha tsy misy Pejy Facebook [ar] na kaonty Twitter fihanihaniana (@takbeerguy)

Nampiasaina tamin-javatra tsara ihany koa ny sariny satria dia nanamboatra T-shirt misy ny tarehiny ireo mpanentana #UniteBH ary nivarotra izany tamin'ny sarany BD5 (USD$15) izay hanaovana asa soa sy ho an'ny fianakavian'ireo maritiora.

@mshareeda Nahazo ny t-shirt-ko #TAKBEERguy ianao vokatry ny nataon'i @ahmedzainal izay nirotsaka tamin'ny fanamboarana ny t-shirt TAKBEEER #UniteBH http://yfrog.com/h43fhkaj

TAKBEER T-shirt for charity

TAKBEER T-shirt ho an'ny fanaovana asa soa

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana ny Hetsi-panoherana Bahrain 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.