Vehivavy Saodiana Mangataka ny Zon'Izy Ireo, any anaty Twitter

Vanim-potoanan'ny fiovàna izao any Afovoany Atsinanana sy ny Tontolo Arabo ary tsy te-ho tara amin'izany ireo vehivavy Saodiana. Mandefa ny fangatahana fitoviana izao ry zareo any anaty aterineto any – ao amin'ny Twitter, Facebook, anaty sehatra fifanakalozan-dresaka sy bilaogy samihafa.

Deborah Amos ao amin'ny Georgia Public Broadcasting dia mitatitra fa nanaitra ny filàna ara-politikan'ny any Arabia Saodita ireo zava-nitranga tato ho ato.

“Duraa Ali, mpianatra ho mpanao gazety iray, 22 taona mitafy ‘abaya’ mirebareba sy voaly hatrany an-tampon-doha, dia manontany ao amin'ilay sehatra fifanakalozan-dresaka raha toa ka mba afaka mitarika  revolisiona any Arabia Saodita ny vehivavy. Ny vehivavy no isan'ireo tsy manana zo feno, nilaza izany tao anaty tehaky ny iray trano izy.

Nianatra tany Bahrain i Ali fony nanomboka ny hetsi-panoherana tany. Natahotra mafy izy tamin'ny fangatahan'ireo Siita mpanao fihetsiketsehana nihantsy ny fianakavian'ny mpanjaka Sionita ary sahirana tamin'ireo valinkafatra maherisetra tamin'ireny fitakiana ireny.”

Tao amin'ny Twitter i #saudiwomenrevolution dia be mpanaraka be tokoa ary indraindray dia betsaka bitsika miditra isan'andro ho fanohanana na manohitra ny fangatahan'ireo vehivavy. Midika ho dingana iray izany hamoahana ny olan'ireo vehivavy Saodiana hiseho masoandro ary andraisana anjara amin'ireo fifanakalozan-dresaka mafàna momba ny demaokrasia sy ny fitovian'ny lahy sy ny vavy eo amin'ny Tontolo Arabo Silamo.

Ireto misy bitsika nofantenana avy amin'ny #saudiwomenrevolution

Ao amin'ny Facebook, ny pejy Saudi Women Revolution dia manana mpanohana 591 ary mitombo foana. Na dia amin'ny teny Arabo aza ny ankabeazan'ireo lahatsoratra, dia misy fanehoan-kevitra vitsivitsy amin'ny teny Anglisy ary mahasarika lehilahy tsy silamo manohana azy sy vehivavy avy amin'ny faritra samihafa manerana izao tontolo izao. Sariitatra maneho vehivavy Saodiana sy ny ady atrehan-dry zareo isan'andro no manokatra ny maso, indraindray tena manohina ny fo.

Satria mitombo hatrany ny fanohanana faobe ho an'ireo vehivavy Saodiana, dia tena tsy mahazo aina marina mihitsy ny manampahefana any, miaraka amin'ny fiakaran'ny fahatsiarovan-tena ara-politika eny anivon'ny vahoaka. James Nixon ao amin'ny Thniq dia milaza fa,

“Vondrona irain'ireo avarapianarana, mafàna fo mpiaro zon'olombelona ary mpisolovava maro no nihaona tamin'ny 10 Febroary mba hanangana ny antoko politika voalohany ao Arabia Saodita, ny Umma Islamic Party, hangatahana ny hanatsaharana ny fitondran'olon-tokana fotsiny ny firenena.

Izy rehetra ireo dia nosamborina tamin'ny 18 Febroary, miaraka amin'ny fangatahan'ny manampahefana hanaovan'izy rehetra fanambaràna fa hoe tsy hanohy ny fitakiany ry zareo mba ho takalon'ny famotsorana azy ireo.”

Vava-ady mafy atrehana ho an'ireo vehivavy Saodiana sy vehivavy mangataka fanovàna, saingy toy ny nanaporofoan'ireo tranga tany Tonizia sy Ejipta azy – tsy azo atao tsinontsinona mandritra ny fotoana ela velively ny herim-bahoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.