Libya: Niteny i Obama, antso tao amin'ny Tweeps

Ity lahatsoratra ity dia fitantarana manokana ataonay momba ny Fihetseham-bahoaka 2011 Lybia.

Nivoaka tamin'ny fahanginany ny filoha Amerikana  Barack Obama noho ny zava miseho ao Libya, nisy ny kabary nataony tao amin'ny Trano Fotsy [Maison Blanche] ny zoma , saingy tsy dia nahafa-po an'ireo izay nihaino Twitter ny hafatra nataony, ka ny ankamaroany  dia namingavinga ny Filoha teo amin'ny Tweet tao anatin'ny kabariny.

Tsy nilaza ny anaran'ny mpitarika Libiana, Kolonely Muammar Gaddafi, manameloka ny herisetra atao amin'ny vahoaka Lybiana i Obama nandritra ny hetsim-panoherana ny fitondrana nanomboka ny 16 febroary(#Feb17) ary naneho ny fiaraha-miory tamin'ireo izay namoy ny ainy.

Nilaza i Obama fa ny sekreteram-panjakana Hillary Clinton dia hivory miaraka amin'ny vaomieran'ny zon'olombelona any Geneve, ary nanolotra ireto fanamelohana manaraka ireto:

Ny fampijaliana sy ny fandatsahan-drà dia manafintohina, ary tsy azo ekena velively. Anisan'izany ny fampitahorana sy ny baiko hitifitra na hanafay ireo mpanao fihetsiketsehana am-pitoniana sy am-pilaminana. Mandika ny sata iraisam-pirenena sy ireo fitsipika momba ny fahamendrehana iombonana izany fihetsika izany. Tsy maintsy aato ny herisetra.

Manohana tanteraka ny zo maha olona ireo mponina  Libyana ny firenena Amerikana. Tafiditra amin'izany ny zo mba hanao fihetsiketsehana am-pilaminana, ny fanehoana hevitra malalaka ary ny fahafahan'ny Lybiana hanapa-kevitra ny amin'ny ho aviny na ny anjarany. Izany no zon'olombelona. Tsy azo amidy izany.

Ny talata, nampiseho ny hatezerany i  Gaddafi, kabary tsy mandeha amin'izay laoniny no nataony, niantso fahafatesana ho an'ireo izay mbola manohintohina ny fitondrany izy.

Indreto manaraka amin'ny teny anglisy ireto ny resaka mandeha tamin'ny twitter

Ity lahatsoratra ity dia fitantarana manokana ataonay momba Fihetseham-bahoaka 2001 Lybia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.