Arabia Saodita: Ny fiverenan'ny Mpanjaka Abdullah

Niverina nody ny mpanjaka Saodiana Abdullah bin Abdulaziz omaly alarobia 23 febroary 2001, taorian'ny telo volana nitsaboana tena tany ivelany . Nanomboka tao amin'ny Hopitaly Presbyteriana ao New York ao Etazonia ny fitsaboana azy, ary notohizany tany Maraoka ny fanamafisana ny fahasalamany.

King Abdullah as he appeared on Saudi TV upon his arrival (by @waa3ad)

Ny Mpanjaka Abdullah tao amin ny fahitalavitra Saodiana tamin ny fahatongavany(sary@waa3ad)

Nanantena fiovana matotra ara-politika sy ara toe-karena  ireo Saodiana, nifanojo indrindra tamin'ny fahatongavan'ny Mpanjaka tamin'ny fiaramanidina anefa izany, satria dia nambara  tokoa izany vaovao ho amin'ny fanovana izany. Na dia izany aza anefa, diso fanantenana ihany izy ireo, satria bitika ny ankamaroany ka tsy dia nisy fiantraikany tamin'ny  mponina maro an'isa.

Mbola tsy ampy izany!

Indreto tora-po na hevitra avy amin'ireo Saodiana diso fanantenana:

@alghamdi_R
يا ترى هل يحتفل الآن بعودته من كان لديه أب أو أخ أو قريب مسجون من غير تهمة ولا محاكمة ؟! ، #saudimataleb الفرح جيد ، ولكن العدل مطلوب أيضا
Tsara ny fankalazana, kanefa ilaina koa ny fahamarinana. Manontany aho raha misy ireo manana ray na anadahy na namana voafonja tamin'ny tsy rariny, sady tsy nandalo fitsarana no tsy hankalaza ny fahafahany rehefa tafavoaka soamantsara izy?!
@essamz
نتمنى أن تكون الأوامر الملكية المعلنة اليوم مجرد أوامر قديمة متراكمة تنتظر عودة الملك. وأن هناك إصلاحات حقيقية ستعلن قريبا #saudimataleb
Mino izahay fa ny fanovana vaovao dia toy ny fanankorotanana efa mahazatra ihany, ary hambara izany vaovao marina izany atsy ho atsy.
أتمنى ممن أراد أن يهنئ الملك بسلامته بإعلان في جريدة -لن يراه الملك- أن يتصدق عنه بكفالة أسر فقيرة بذات القيمة فهي أنفع #saudi #saudimataleb
Matoky ireo te hiarahaba ny Mpanjaka noho ny fahasalamany voalaza ao amin'ny gazety aho- izay tsy ho voavakin'ny mpanjaka – fanomezana handoavan'izy ireo dokam-barotra ho amin'ny asa soa ho fanampiana ireo fianakaviana izay tena sahirana indrindra.
@abualkhair
#saudimataleb وبمناسبة عودة الملك والمكرمات الملكية ثم البيانات المطلبية أطاب د.عائض القرني بصرف كتاب لا تحزن مجانا لكل مواطن سعودي
Amin'izany fotoana izany sy aorian'ny fanambarana ny fanovana vaovao, dia mangataka an'ny Dr. Aydh Alqarni aho hanome ny dikantsary amin'ny bokiny  “Don't Be Sad“= “aza malahelo”ho an'ireo olom-pirenena Saodiana tsirairay.

Na ahoana na ahoana…Faly izahay fa tafaverina izy!

Etsy ankilany, maro ireo Saodiana izay faly fa tafaverina ny Mpanjaka. Mba hanamarihana izany fotoana izany, dia voaravaka faneva sy saina ny lalana ao amin'ny renivohitra  Riyadh, mirary ny Mpanjaka ho salama sy ho tonga soa ny vahoaka. Ankoatr'izany koa dia Saodiana maro no nankany amin'ny seranam-piaramanidina mba hitsena sy hirary azy manokana fa tonga soa izy.

Fankalazana manerana ny  Riyadh ary  nanao fampisehoana an-danitra ny fiaramanidina miaramila izay nahavariana ny vahoaka.  Manao fehitenda ahitana ny loko sainam-pirenena Saodiana ireo mpanolotra amin'ny fahitalavitra amin'ilay fandaharana manokana mitondra ny lohanteny hoe “The Joy of a Nation” “Ny hafalian'ny firenena” ho fanamarihana ny fahatongavan'ny Mpanjaka. Indreto misy tora-po avy amin'ireo Saodiana sasantsasany tamin'ny Tweeter:

@BeeTaz
#kingabdullah #saudiarabia aaalffff 7amdellah 3al salama ♡ http://plixi.com/p/79417396
Tonga soa!

@waa3ad
Tiako izy:”( #KINGABDULLAH http://yfrog.com/hsofncyj

@SaudiiAmerican
7mdelilah 3slaama ya #KingAbdullah, misaotra anao amin'ny zavatra rehetra. N7bk 🙂

Tonga soa  Mpanjaka Abdullah, ary misaotra anao amin'ny zavatra rehetra; tianay ianao!

Amin'ity sarimihetsika [lahatsary] ity, dia nizara sary tamin'ny fahatongavan'ny Mpanjaka sy ny fankalazana manodidina an'i Riyadh  i oeziiL:

http://www.youtube.com/watch?v=9c9-BRkkyy0

@LaylaAJ_
​والله يبو متعب لو غيابك أطول خذنا السعوديه بيدها وجيناك #OnlyinSaudiArabia #KSA #kingabdullah
Raha nijanona ela ianao, dia noraisinay an-tanana ho anao ny fanjakana.

@Sarah_AlAyed
#Niverina tamin-pivitrihiana ny Mpanjaka Abdullah manoloana ny vahoaka saodiana Tahiana izy raha niandry ela loatra, ary lasa niandry ny fampandrosoana alf hamdlilah 3ala salamt (misaotra an'Andriamanitra noho ny famonjeny ny) rain’ ny firenena.

@NouraAgeel
الشعوب تحرق انفسها لرحيل رئيسها نحن احترقت قلوبنا شوقاً لعودة مليكنا الله يحفظك لنا #kingabdullah

Maimay ny firenen-kafa hanala ny filohany fa ny fonay kosa maimay satria tsy teto en-toerana ela loatra ianao. Hitahy anao anie i Allah.

Ity misy sarimihetsika amin'ny YouTube nataon'i iJihad tamin'ny fiverenan'ny Mpanjaka Abdullah :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.