Voasambotra tamin'ny maraina teo ilay mpitoraka blaogy Siriana Ahmad Abu al-Khair

Nitatitra ireo namana akaikin'ilay mpitoraka blaogy Siriana Ahmad Abu al-Khair fa nosamborina tamin'ny 5ora maraina teo tany an-toerana izy raha avy any amin'ny tanàna Banias hiverina ho any Damaskaosy. Araka ny nambara dia nalain'ireo mpitandro filaminana ihany koa ireo solosainany manokana. Hatramin'izao aloha dia mbola tsy fantatra na ny toerana misy azy na ny antony nisamborana azy.

Ahmad Abu Al-Khair, mpitoraka blaogy Siriana nosamborina

Abu al-Khair dia mpitoraka blaogy ela nihetezana nanomboka nanoratra tamin'ny 2005. Ny blaoginy ملتقيات أحمد Ahmadblogs dia miresaka momba ny lohahevitra maro manomboka any amin'ireo tsikeram-boky hatramin'ny fanehoan-kevitra momba ny fihetsiketsehana any amin'ny tontolo Arabo. Izy dia anisan'ny namorona ny fikambanana blaogy Siriana  Almudawen, ary anisan'ny mpitantana ny Ektob, sehatra fitoraham-bilaogy. Manana diplaoma amin'ny fianarana silamo sy Arabo i Abu al-Khair. Manam-pahaizana manokana momba ny fampielezam-baovao izy, ary araka ny mombamomba azy ao amin'ny Facebook dia liana amin'ny media mifangaro sy fanaovan-gazetin'olon-tsotra izy.

Efa mipoapoaka izany vaovao izany amin'ny tontolon'ny blaogy Siriana, ary misy pejy Facebook hanohanana azy efa manana mpikambana maherin'ny zato.

Tonga andro vitsivitsy taorian'ny nanasaziana ny mpitoraka blaogy Siriana Tal al-Mallouhi 5 taona an-tranomaizina noho ny fanomezam-baovao ny firenena vahiny ny fisamborana an'i Abu al-Khair. Izany dia manafoana tanteraka ny fanantenana aterineto misokatra sy malalaka any Siria taorian'ny nanalàna ny sakana tamin'ny Facebook, Youtube, ary Blogspot.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.