Ombay mitady: Mila Zaza Marobe i Singapore

Nahatratra ny fetra farany ambany 1,16 % ny taham-pahaterahana any Singapore. Mba hampitomboana ny isan'ny mponina, nandroso soso-kevitra ny governemanta ny hampitomboana ny isan'ireo vahiny tonga miasa  sy monina any ary mba hampivoarana ity tanàna-fanjakàna kely ity. Ahoana ny valinkafatra avy amin'ireo mpitoraka bilaogy?

Ny fandrisihana na fanomezana tamby dia ilaina havaozina raha ny hevitr'i  Singapore Notes

Ny Kaonty Fampivoarana  ny Ankizy – Children Development Account (CDA) dia tsara mandra-pahafeno enin-taona an'ilay zaza fotsiny. Manomboka eo amin'ny faha-7 taonany, anao amin'izay ny anao. Avelao hidaboka àny ny kajikajy ara-matematika – ny saran'ny Anjerimanontolo ho anà sampam-pianarana iray maharitra 4 taona fotsiny dia efa mahalany an'io valopim-panampiana io.

My Little Corner manazava ny fifanipahana misy amin'ny fampakarana ny taham-piterahana sy ny fangatahana ny mba hamokarana bebe kokoa eo anivon'ny toeram-piasàna

Tsy misy resaka mihitsy ny hoe sady hampitombo ny fahafaha-mamokatra no hampitombo ny fahaterahana koa. Mifanipaka ireo.

Ny fanalahidin'ny tontolo iainana salama ho anà fianakaviana iray dia ny fianakavianao hatrany. Ka manampy ve raha toa rangahy sy ny vadiny tsy maintsy miasa alina ary matetika hatramin'ny faran'ny herinandro, voakendan'ny hazakazaka ho amin'ny”fampakarana ny taha-mpamokarana” izay manery azy ireo ?

Ahoana ny fiantraikan'io “fampakarana ny taha-mpamokarana” io amin'ny ankizintsika? Mbola hihevitra anao ho isam-pianakaviana ve ny zanakao raha ny betsaka amin'ny fotoananao lany any ampiasàna ary ny hafa no hitan-dry zareo bebe kokoa noho ianao?

Gerald Giam manakiana ny politika “antemantemaka” momba ny fifindra-monina nataon'ny governemanta

Mitanisa karazana antony maro ireo tanora Singaporiana momba ny antony tsy ilàny zaza maro: sahirana amin'ny asa, ny halafon'ny vidim-piainana, ny rafi-pampianarana mavesatra ho an'ny ankizy (sy ny raiamandreny), ny fahasarotan'ny fitadiavana toerana honenana.

Maro amin'ireo antony ireo no toa mifandray amin'ny hamaroan'ny mponina sy ny fifaninana, izay, rehefa hitarina lavitra, dia vokatry ny politika antemantemaka momba ny fifindra-monina nataon'ity governemanta ity.

Sady mampiasa hanihany, i groundnotes dia manolo-kevitra ny mba hampiasàna ny teknikam-pampitomboana taranaka any amin'ireo ‘zoos’, toerana fametrahana biby

Fotoana izao hanatonantsika ireo manampahaizana manokana. Izany tsy midika hoe ireo toerana mora vidy na fandaniam-bola amin'ireo tambajotra mpikarakara fampihaonana olona mitady vady  ao Singapore. Ny tena manampahaizana matihanina no resahako – ireo zoos!

Ny zoos tsara indrindra eran'izao tontolo izao dia manana fandaharan'asa fampitomboan-taranaka ireo biby ao, miaraka amina taham-bokatra avo dia avo. Ireo biby exotic sy ahiana ho lany taranaka no tena tsinjo ho sarotra ampitomboan-taranaka indrindra rehefa any am-bàla, hey, raha vitan-dry zareo ny mampitombo isa ny Condors Amerikana, mety mbola hisy fanantenana ihany ho an'ny Singaporiana.

The Lycan Times mampahatsiahy ny governemanta mba hampidina ny vidim-painana hahafahana mampiakatra ny tahan'ny fahafahana miteraka

Raha fehezina, ny làlana tsara hampakarana ny tahan'ny fahafahana miteraka dia ny fanomezana antsika toeram-ponenana takatry ny rehetra ary ny fampidinana ny vidim-piainana. Mila asa mafy izany rehetra izany ary koa politika mijery ny lavitr'ezaka izay ilàna  fotoana mba hitera-bokatra.

Manana tolo-kevitra mitovotovy amin'izay i Kelvin Tan

Ho an'ny kilasin'ireo herim-pamokarana manana fidiram-bola antonony, tena ilain-dry zareo ny fampidinana ny saran'ny fiterahana sy  ny fanabeazana.  Singapore dia mila mamoaka vola misimisy kokoa ho an'ny fiterahana, ny saran'ny fidirana an-tsekoly sns… Tokony hahazo fanampiana isan-kerinandro ireo raiamandreny manan-janaka. Amin'ny teny hafa, tokony ho zavatra tena mahatsiriritra izany hoe hanan-janaka izany. Marina fa politika mila vola be tokoa izany saingy ny vokatra entiny avy eo mbola ho be lavitra noho izay lany nanaovana an'io politika io.

My Singapore News dia manoratra fa ny governemanta dia tokony hamatsy vola ny filàn‘ny ankizy

Raha toa ny olana ka hoe ny sàndany ara-tsosialy sy ara-bola, dia mila resahana eo amin'ny sehatry ny firenena manontolo  ilay olana. Raha toa ny tanora mahita fa midangana be ny sandan'ny fanabeazan-janaka, an'iza ny tsiny? Maro amin'ireo mpivady tanora no mihevitra sy mahafantatra ny halafon'ny fanabeazan-janaka ato amin'ity tanàna mamay amin'ny hofan-trano ity. Inona no tsy andraisan'ny governemanta an-tànana ny fanabeazana ny ankizy, ny lafiny ara-bola fotsiny?

i Cloudywind dia mitanisa ireo antony mahatonga ny mpivady tsy hiteraka

Satria maro amin'ireo olona manambady no kivy mieritreritra ny hoe tsy maintsy hilahatra lavabe mandritry ny alina mba hahita toerana ho an'ny zanak'izy ireo any amin'ireo toerana fitaizana ankizy.

Satria maro amin'ireo manambady no mbola an-dalam-panangonam-bola ho an'ny saram-pitsaboana hahafahana miteraka.

Satria maro amin'ireo vehivavy manambady no te-hitazona ny toerany any amin'nyasan-dry zareo.

Satria maro amin'ireo vehivavy manambady no te-hitazona ny asany.

Satria maro amin'ireo mpivady no sempotry  ny fanaovana asa ambony ampanga mba ho Moramora kokoa, Mendrika, ary Kinga.

Satria maro amin'ireo olon-droa tsy mbola mpivady no tsy mety mahita efitrano kely sahaza  sy taka-bidy.

Satria maro amin'ireo tokantena no tsy mbola nahita sipa Singaporiana lahy/vavy tena teraka teto Singapore.

Hajian-tsary avy amin'ny pejy twitpic an'i chibified

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.