Bahrain: Fanomezana $2,650 ho an'ny fianakaviana Bahraini tsirairay avy

Ho fanamarihana ny tsingerintaona faha-10-n'ny “National Action Charter“, nanambara ny Mpanjakan'i Bahrain Hamad fa omena fanomezana BD1,000 ($2,650) ny fianakaviana Bahraini tsirairay avy.

Raha efa maminavina ny tetibola ho azony sy ny zavatra ho vidiany amin'ity vola ity ny sasany, ny hafa kosa dia mitaraina fa hoe kely izany, sady tara loatra.

Ireto misy fanehoan-kevitra vitsivitsy tao amin'ny Twitter:

BD1,000

avy amin'i Amira Al Hussaini,
  • @ahmedalsairafi: Manana fianakaviana miisa eo amin'ny 250,000 eo i Bahrain raha ny fiheverako azy, izay mitentina 250 tapitrisa dinars, aza miteny amiko hoe tetikasa hanomezana fonenana ny rehetra izany

  • @ahmedalsairafi:Ny BD250 tapitrisa dia afaka, miaraka amina tany kely, hanamboarana trano miisa 6,000, nefa tsia, ilaiko handoavana ny trosan'ny fiarako ny BD1000…

  • @yslaise: #Bahrain1000BD na afaka hividianako fandriana tsara tarehy ho an'ny efitranoko na koa hanamboarana studio vlogging  ao amin'ny efitrano natokana ho an'ny vahiny (ity farany ity no tena tiako)

  • @jenanalaskari: Fotoana tahaka izao no anonofinofisako hanambady bozo mba ho  afaka mahazo BD1000 aho 😛

  • @MayMarzooq: Te hanambady ny zandrikolahy misy vonona ve? #Bahrain #BD1000

  • @Ali_Fareed: Araka izany dia BD1000 isaky ny fianakaviana Bahraini. izaho TOKANA! Araka izany dia BD200 avy no azon'ny tsirairay raha olona 5 ny ao anaty fianakaviana iray ! MORA LOATRA!? #Bahrain

  • @QueeNazli: Tsy mendrika ny hahazo BD1000 na zavatra hafa ny Bahraini. Mpanaraby sady tsy mitsahatry ny mitaraina.

  • @BahrainiTweets: Mitaraina momba ny Fitondrana ireo Bahrainis. Tia ny Mpanjakan'izy ireo, ary misaotra azy izy noho ny namelany azy ireo hitaraina & ny BD1000 😀 #Bahrain #feb14

  • @ehsankooheji:  Fihetsika tena tsy mety mihitsy ny fanomezana BD1000 ny rehetra. Tsy mitondra afa-tsy any amin'ny fiakaran'ny vidin'entana izany satria maro ny vahoaka no tsy hahatakatra akory ny fatran'entana tena ilaina#feb14

  • @ali_alsabbagh:  Ry akama, manana tsidrimandry hafahafa mikasika ity BD1,000 ity aho hoe hifototra amintsika ny bala satria hisondrotra ny vidin'entana ary hanamora ny fiakarana bebe kokoa hatrany aty #Bahrain

  • @alialsaeed: Fanalam-baraka re izany. araka izany dia hanaovana kolikoly indray ny Bahraini mba hikombom-bava ka homena “makrama” hafa? tsy ampy izany #bahrain #Feb14

  • @nymansouri: #LOL @ #Bahrain. Fanomezana 1,000 Dinars ho an'ny fianakaviana tsirairay avy.. Ry Governemanta saro-tahotra voalohany indrindra tany #GCC, Miarahaba anao aho! Iza ny manaraka? #Jan25 #Saudi #SidiBouzid

  • @iLandBahrain: Araka izany dia BD 1000 isam-pianakaviana Bahraini.. Tsy misy lojika ekonomika hankatoa izany fa raha ara-politika kosa dia fihetsika kinga izany!#Bahrain

  • @freedomprayers: #Bahrain tezitra ny vahoaka satria mila fahalalahana izy ireo, fahamarinana sy anjara asa ao amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra. Tsy hanonitra izany ny BHD1000 isam-pianakaviana.

  • @freedomprayers: Raha misambotra ny zanakay sy mampijaly azy ireny ianareo ary naka ny fandriaa fahaleman'ny fiainanay kanefa avy eo manome BD1000 isam-pianakaviana mba hanampenana ny vavanay, tsy HISY anie izany! #Bahrain #Bahrain

  • @aalman81: Fanomezana roa tao anatin'ny andro iray.. 1000 dinars isam-pianakaviana any bahrain & niala i Mubarak. Mihevitra aho fa sady hifety no hitomany ihany koa.#Jan25

  • @AnwarJanahi:  Na marina aza izany zava-drehetra izany, lany 3 taona eo ho eo ianao izay vao hahazo 1k

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.