Ejipta: Mifaly izao tontolo izao satria niala i Mubarak

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana  ataonay momba ny Hetsi-panoherana Ejipta 2011 ity lahatsoratra ity.

Mubarak Steps Down

'Niala i Mubarak' (avy amin'ny Celinecelines ao amin'ny Flickr)

Niala i Mubarak. Aoka ireo mpitoraka tweet no havelako haneho ny fifaliambeny:

@AJEnglish: Hafatra farany: Nanambara i Omar Suleiman fa niala i Mubarak – http://aje.me/ajelive #egypt #cairo

@SultanAlQassemi: Ireo tena teniny: Omar Suleiman: Niala i Mubarak. Nametraka ny andraikitra hitondra ny firenena ho an'ny Filankevitra ambonin'ny tafika izy

@Ghonim:

مبروك لمصر .. المجرم غادر القصر
Arahabaina Ejipta…Nandao ny lapa ilay olo-meloka

@AbdullahBoftain:

تنحى !!
Nanongan-tena izy!

@ianinegypt: Niala i Mubarak, misandratra avy ao an-kianjan'ny Tahrir i Allahu Akbar”. #egypt #jan25

@jonjensen: Tsy Filohan'i Ejipta intsony i Hosni Mubarak. Lasa adala ny sarababem-bahoaka ao Tahrir. #Jan25 #Tahrir

@draddee: LASA i Mubarak!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!

@Firas_Atraqchi: Nolalaovin'ny miaramila tsara mihitsy- mitondra ny firenena amin'izao fotoana. Raha tsy nanao izany izy taloha. #jan25 #cairo

@Dima_Khatib: LASA i Mubarak #egypt #jan25

@tololy: Niala ihany i Mubarak nony farany. Mikasika inona izany ny kabariny omaly alina? “Hitazona” ny toky nomeko aho, “tsy hiala” aho alohan'ny Septambra. #Jan25

@eyade: Mianjera ny Farao, Averiko. Mianjera ny Farao.

(Dika teny Arabo harahina tsy ho ela)

Ampahany amin'ny fandrakofana manokana taoanay momba ny Hetsi-panoherana Ejipta 2011 ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.