Nepal: Nifidy praiminisitra ihany nony farany ny parlemanta

Taorian'ny volana maro nifandroritana sy ny fikasana hifidy nandamoka efa in-17 izao, dia nifidy izay ho praiministra ihany nony farany i Nepal. Jhala Nath Khanal, mpitarika ny antoko kôminista (Itambaran'ny marksista sy ny Leninista) no voahosotra tamin'ny alahady lasa teo, nandritra ny lanonana natao tao Kathmandu renivohitra. Na dia tsy mbola fanta-daza amin'ny asa nataony sy ny fahaiza-manaony aza i Khanal dia mampisy fanantenana ny maro kosa izay niaina tao anatin'ny korontana sy fifandirana nandritra ny 7 volana izay nisakana ny fandriam-pahalemana mbola marefo any Nepal.

Praiminisitra Jhala Nath Khanal teo ampanaovana fianianana handray ny asany. saripika Wikimedia user Krish Dulal, used under CC license.

Surya B.Prasai ao amin'ny American Chronicle anankiray amin'ireo manantena. Naborany fa:

” …tsy ho azo ato anatin'ny volana vitsivitsy akory ny fandriam-pahalemana, tsy maintsy hamafisina ny demokrasia aty Nepal, ary tsy maintsy alefa tokoa any amin'ireo toerana tena voa mafy ny fanampiana. Vao haingana ny Mpandrindran'ny Firenena Mikambana any Nepal, Richard Piper, no nahita fa tsy noraharahiana ny fivoarana fa natao ho an'ny olona ambany saranga tao amin'ny fifampiresahana politika. “

Ankoatry ny fanantenana sy ny vintana fa ho tsara fiandohana izy ity, dia misy sakana goavana eo amin'ny làlan'i Khanal. Tsy azony tsinontsinoavina ny olana misy eo amin'ny firenena izay mampihena ny lanjan'ny ekonomia sy ny orinasa.  China Dialogue namoaka fanadihadihana lalina nataon'i Deepak Adhikari momba ny faharitan'ny angovo.

“Miaraka amin'ny ririnina mamely mafy, ny mety ho fahatapahan-jiro, izay antsoina amin'ny fiteny mahazatra hoe delestazy, no manalokaloka ny mpanjifa herin'aratra aty Nepal. Ny tena mampanahy ny mponina amin'ny vanim-potoana toy izao dia tsy ny hatsiaka avy amin'ny tendrombohitra Hymalaya ihany, fa ao koa ny fahatapahan-jiro tsy azo ialana, manomboka ny volana oktobra hatramin'ny novambra ary mitohy mandrapahatongan'ny volana jona na jolay. Rehefa febroary tahaka izao dia maharitra be ny fahatapahana satria mahatratra 16 ora isan'nadro izany.”

Iharan'izany fahatapahana izany koa i Kathmandu renivohitra satria 14 ora isan'andro ny azy. Tsy maintsy mitady vahaolana haingana momba io olana amin'ny angovo io ny governemantan'i Jhala Khanal mialohan'ny hipoahan'ny hatezeram-bahoaka eny an-dalambe.

Amin'ny maha mpitarika kôminista azy, dia nanda tsy hanao fianianana teo anatrehan'Andriamanitra i Khanal ary nolazai'ny sasany fa mpihatsaravelatsihy izy tamin'izany.  Ilay mpitoraka bilaogy Umesh Shrestha ao amin'nyMySansar manontany:

“तर शपथ ग्रहण गर्दा त्यही ईश्वरको नाममा शपथ लिन चाहिँ तपाईँ किन अघि सर्नुभएन। यदि तपाईँ ईश्वरलाई नमान्ने कम्युनिस्ट हुनुहुन्छ भने बालुवाटार प्रवेश गर्नुअघि चाहिँ किन ईश्वरको चित्र भएको कपडा घाँटीमा भिरेर पूजाआजा गर्नुहुन्छ ? किन यो दोहोरो मापदण्ड ?”

Kanefa tsy nanao fianianana teo anatrehan'Andriamanitra ianao. raha kôminista ianao ary tsy mino an'Andriamanitra, nahoana ianao no nanao fanompoam-pivavahana mialohan'ny nidiranao tao amin'ny lapan'ny praiministra? Nahoana no mandray roa?

Tezitra be ve ireo andriamanitra ireo? toa milaza ny ho avy sahady izany, fa raha tsy mahavita mamaha ny olana misy amin'ny herinaratra sy mametraka fandriam-pahalemana i Khnala dia manary ny vintany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.