Jordanie: Nolavin'ny Islamista ny fanolorana toerana ho azy ireo ao amin'ny governemanta

Neken'ny mpanjaka Abdullah II any Jordanie ny fametraham-pialan'ny praiministra Samir Rifai ary notendrena hisolo azy i Maarouf Bakhit, olona mendrika ao amin'ny tafika. Na dia nangataka ny fialan'Andriamatoa Rifai aza ny islamista, dia nolaviny ankitsirano fotsiny izao koa ny fanendrena nataon'ny mpanjaka, nolazainy fa tsy hahavita hanavao ny politika any an-toerana ity olona vao notendrena ity. Nangataka fihaonana tamin'ny mpanjaka ny mpitarika ny islamista, izay mangataka ny fanavaozana ny lalàm-pifidianana any Jordanie izay napetraka tamin'ny 2010 ka mamaritra ny fari-pifidianana izay tsy mazava amin'ny mpifidy akory, ary koa hamboatra ny fetra farany amin'izany faritra izany mba hanomezana lanja mavesatra ireo faritra ahitana arabo mpifindra monina noho ireo faritra an-tanàn-dehibe ahitana mponina palestino-jordaniana maro.

Taorian'ny fihaonana tamin'ny mpanjaka, dia nilaza ireo mpitarika ny islamista fa “nazava sady nahitsy” ny resaka; kanefa mbola hitohy ny hetsika hanoherana an'i Bakhit. Avy eo, nanao dingana ity farany ary nanasa ny islamista handray anjara ao anatin'ny governemanta vao natsangany, izay nolavin'ireto islamista ireto izany. Niteraka resabe tamin'ireo mpiserasera amin'ny twitter jordaniana ity toe-draharaha ity. Naseem Tarawnah nanokatra izany:

Niantso ny islamista handray anjara ao amin'ny governemantany i Bakhit fa nolavin-dry zareo. Tsy hisy vintana ho azy ireo ohatr'izay intsony! http://is.gd/fPVCsp #REFORMJO #JO

Ali Abu-Nimah nanontany:

@tarawnah @jawazsafar Fa angaha moa izy tsy nangataka fifidianana malalaka mifototra amin'ny lisim-pifidianana azo antoka? Izay no nitsapana azy.

Tarawnah nanoro hevitra:

@avinunu raha nanaiky izy ireo dia nahazo toerana tsara hahafahany manitsy marina ny lalàm-pifidianana. @JawazSafar

Ali Abu-Nimah milaza fa tsy hanao afa-tsy ny hahatonga ny governemantan'i Bakhit ho ara-dalàna ny islamista fa tsy hitady toerana akory.

@tarawnah @jawazsafar raha izaoho no eo amin'ny toerany dia tsy hanao izany aho. Ny fandraisana andraikitra tsy misy fahefana dia maty momoka. Vato misakana fotsiny aloha izy izao any ivelany.

Tarawnah mamaly:

@avinunu ny sakana tokana hitarainan-dry zareo hatreto dia ny fanalana azy ireo tsy hanaraka ny fandamainana. Very izany fahafahana izany rehefa manda ny fanasana ianao.

Abu Nimah mamaly:

@tarawnah mangataka izy ireo ho ao anatin'ny fandaminana mangarahara miaraka amin'ny fitsipi-dalao azo antoka tsara fa tsy hoe akory omena anjara toerana hanambatambazana azy.

Abu-Nimah avy eo milaza ny zava-misy tamin'ny governemanta 1991, izay nahitana Frères Musulmans betsaka nitazona ministera maro nandritra ny volana vitsivitsy, kanefa tsy nahatanteraka ny fandaharan'asany hanatsara akory tamin'izany.

@tarawnah Efa tsy tadidiko intsony izany fa efa antitra aho. Izy ireo koa torak'izany.

Abu-Nimah manampy:

@tarawnah mbola tsy firenena afaka manapa-kevitra irery momba ny politikany i Jordanie fa tsy maintsy mbola miankina amin'izay tian'ny mpanjaka.

Nifantoka tamin'ny fahafahan'ireto mpikambana vaovao ao amin'ny governemanta ireto na tsia hanatanteraka ny fandaharan'asany ho amin'ny fampandrosoana ny resaka, ka hahazoan'izy ireo mamolavola lalàm-pifidianana vaovao. Tarawnah manazava:

@avinunu diso. ny vina volavolain'ny mpanjaka, ny fandaharan'asa an'ny governemanta. Izay no fomba fiasa eto amintsika.

Abu Nimah miverina kely amin'ny resaka islamista, manamarika:

@tarawnah tsy voatery ho ao anatin'ny governemanta izy ireo vao afaka hanolotra lalàm-pifidianana vaovao. Tsy misy idiran'ny fahefana mpanatanteraka izany.

AryMohammad Younes miombo-kevitra amin'i Abu Nimah:

@tarawnah tsy marina ve fa nandritra ny 20 taona mahery izaytaty Jordanie dia voafetra ny anjara asan'ny governemanta amin'ny fanavaozana politika? @avinunu

Hitanao ao amin'ny #reformJo ny tohin'ny resaka momba ny ho avy politika any Jordanie

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.