Ejipta: Miarahaba Firenena Iray Vaovao

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Fihetsiketsehana any Egipta 2011.

Manonofy hoavy tsaratsara kokoa ry zareo Ejiptiana, ary ho an'ny maro dia efa an-dalam-pahatanterahana izany nofinofy izany. Ao anatin'ity lahatsoratra ity, rentsika avy amin'ireo Ejiptiana mpitoraka bilaogy ny  fahatsapana ho toy ny mahita fahaterahana firenena vaovao, dia ny firenena izay nandrasan-dry zareo hatry ny ela

Mona Seif (@monasosh) dia nanome tsy tapaka fanavaozam-baovao avy any an-kianjan'i Tahrir, isan'ireny ny alin'ny 2 Febroary. Maneho hevitra ny amin'ny fanosorana azy ho “mahery fo” izy:

Tiako hazavaina ity: Tsy mahery fo aho, voaaro aho.
Niitatra nandritra ny alina ny fifandonana. Nanomboka tamin'ny vato sy tavoahangy, nihisaka tamin'ny coctail Molotov, avy eo nisy ny poa-basy. Teo,  saingy tsy nanao na inona na inona ny tafika, ary nisy fotoana nidina ihany ry zareo fa niafina tany anatin'ny fiarabeny tany.
Tsy mahita mihitsy aho teny azo hamaritana ny herimpo natrehiko maso tamin'io alina io. […] Ampy nahatsapako tsara iny alina iny fa ny tena Ejipta tadiaviko dia izay tao an-kianjan'i Tahrir. Ireo vahoaka tao no tena i Ejipta, ary ary niaraka amin'izy ireo aho na inon-kidona na inon-kihatra taminay.

Revolisiona. Sary nampindramin'i Iman Mosaad ampiasàna ny Creative Commons Attribution-ShareAlike 2.0 Generic license.

Mitanisa ny fitsidihany ny kianjan'i Tahrir niaraka tamina namana iray i escribes  Merry, sy ny fihaonan-dry zareo tamin'ny sasany tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana:

Tamin'ny endrika feno tsiky dia nanontany ahy sy ilay namako ny iray tamin'izy ireo  “nahoana ianareo no tonga aty?”… dia hoy ilay namako “satria firenenay ity…”, nobanjiniko tanatin'ny masony izy ary niezaka mafy nifehy tena tsy hamihina azy aho sady namaly hoe  “satria IANAREO no fireneko”… ary dia izany izy ireo, Oadray Andriamanitro o, ry zareo ireo no firenena nokatsahako nandritra ny androm-piainako manontolo ary hitako nony farany…

Fihetsehampo izay novoizin'i Nadia El-Awady tao amin'ny  Twitter:

Ry Ejiptiana ao an-toerana: atsaharo ny fijerena ny fahitalavi-panjakana ka tongava ao tahrir. Hijery ilay #Egypt niriantsika rehetra  #jan25

Ilay mpitoraka bilaogy izay misora-tena ho Fugitive in a World of Dreams (Mpitsoriadriaka ao anatin'ny Tontolon'ny Nofy) dia manoratra hoe:

كنت قد اخترت لمدونتي اسم دنيا غير الدنيا علي اعتبار انها دنيا احلام .. لم ولن يتحقق فيها فيها شيء مما نرجو…. دنيا اسبح فيها بخيالي لابعد ما يكون دون الوصول لادني حلم …. لكن بعد الخامس والعشرين من يناير اكتشفت ان انني كنت مخطئة لابعد حد ….فقد علمني شباب مصر بل علم العالم باسره انه لا مستحيل يمكنك ان تحلم وتصل بحلمك لابعد ما يكون يكفيك الارادة وحدها كي تحقق ما تتمناه … انني فخورة باني مصرية وبأني انتمي لهدا الجيل الرائع من شباب مصر …. لقد اصبحت مصر فعلا دنيا غير الدنيا بكل المقاييس
Nofidiako ho an'ny bilaogiko ny anarana hoe “A World Out Of This World – Tontolo iray ivelan'ity Tontolo ity”, mba hilazàna ny maha tontolon'ny nofy azy… Tsy misy ao ary tsy ho tanteraka ao izay niriantsika… tontolo iray izay azoko ilomanosana ao anatin'ny sary an-tsaina, na toy inona na toy inona halavirana, nefa tsy ahatakarana mihitsy na dia izay nofy farany akaiky indrindra aza… Saingy taorian'ny 25 Janoary dia hitako fa nanao hadisoana goavana aho… Nampianatra ahy  ny tanora Ejiptiana – ny marina dia tena izao tontolo izay mihitsy no nampianatra ahy – fa tsy zavatra tsy azo tanterahana akory izany; afaka manonofy ianao ary afaka manatanteraka ny nofinao, na toy inona na toy inona habeny. Ny hany ilainao dia  ny finiavna hanatanteraka izay irinao … Mirehareha aho fa Ejiptiana ary iray amin'ity andian-tanora Ejiptiana  indray mihira kanto loatra  ity… Nanjary firenena iray hafa ivelan'ity tontolo ity tokoa i Ejipta, amin'ny lafiny rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.