Ejipta: Tafaverina amin'ny aterineto

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Tolona Egipta 2011.

Vao niverina ny aterineto any Egipta, dia miverina tsikelikely amin'ny aterineto koa ireo mpiara-miasa, tapaka sy namana Egiptiana. Fotoan-dehibe izao ary feno fifaliana ny rivotra iainana. Mbola voasakana amin'ny tambajotra sasany na i Facebook na i Twitter.

Ireto ny sasany tamin'ireo resa-be tamin'ny Twitter.

@JustAmira: Ahlan wa sahlan Egyptian tweeps! Chat away: tell us what happened when Mubarak switched off the light #Jan25

@JustAmira: Tafaverina ny aterineto aty Egipta! FOTOAN-DEHIBE izany! Mientanentana ery

Manaiky tokoa i Saudi Mashi 9a7:

@Mashi9a7RT @aaalshehry:
Tongasoa amin'ny aterineto #Egypt – مرحباً بعودة مصــــر للأنترنت #Egypt #25JAN #JAN25 #Iraq #Cairo #1M – malahelo anareo zahay — أفتقدناكم كثيراً

Dia miverina amin'ny hetsiny indray ireo Ejiptiana.

@AhmedDarweesh: @JustAmira sahirana namindra ireo fanampim-panazavana, sary, vaovao, video ho an'izao tontolo izao izahay 🙂

Dia mbola mitady lavitra noho izany izahay:

@JustAmira: @AhmedDarweesh Mba lazao anay amin'ny feonareo manokana ry Ejiptiana isany ny zava-mitranga #Jan 25

Mandritra izany dia tsy mitsahatra ireo fiarahabana, mitatitra i amid fa mbola voasakana ny Facebook any Ejipta, izay nanapaka ny aterineto tamin'ny 27 Janoary – raha nanandratra ny antsoantsony ireo Ejiptiana mangataka ny fiatoan'ny fitondràn'i Hosni Mubarak 30 taona.

@nightS: @Zeinobia Tongasoa e =) milay nareo! #jan25

@ZiadM: hooo hoo , niverina ny aterineto, mbola voasakana ny Twitter sy Facebook ao amin'ny @linkDsl !! tsy dia hitako loatra izay antony

@nmoawad: tongasoa!!! RT: @Zeinobia: Misaotra anareo rehetra manohana anay, misaotra anareo rehetra, tena marina fa manganohano ny masoko

@nightS: @ZeinabSamir Tongasoa..نوّرتي =) #jan25

Manaraha tsy tapaka ny sakana amin'ny media sy ny vaovaon'olon-tsotra izay hivoaka avy any Ejipta androany – noho ireo mpitoraka bilaogy sy mpampiasa aterineto mitatitra amintsika ny tantarany, amin'ny feony manokana.

Tongasoa tafaverina amin'ny aterineto, ry namana sy mpiara-miasa Ejiptiana.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Tolona Egipta 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.