Iran: Mampahatsiahy indrindra ny “hetsika maitso” tany Iran ny fijoroana any Ejipta

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny Fanoherana any Ejipta 2011.

Ho an'ny ankamaroan'ny mpamaham-bolongana Iraniana dia mampahatsiahy indrindra ny “Hetsika Maitso” tany Iran taorian'ny fifidianana tamin'ny 2009 ity Hetsi-panoherana Ejipsiana sy ny fampiasana ny valan-tserasera ity.

Tahaka izany ihany koa ny nataon'ny fitondrana Ejipsiana naka tahaka ny tany Iran rehefa mamaly bontana eny an-dalambe sy nampihatra ny sivana an-tserasera.

Viona no namariparitra ny fitoviana misy tamin'ny fananganana takelaka Facebook fifanentanana handaminana ny fihetsiketsehana teo amin'ny Iraniana sy ny Ejipsiana, ary nolazainy fa faly izy tamin'ny fahitana ny fitomboan'ny hetsika fanoherana ny jadona any Ejipta [fa]. “Lesona ho an'ny mpitia fahafahana manerana izao tontolo izao ny Onja Maitso,” feno fanantenana tokoa ravehivavy amin'izay hitranga raha mbola mitohy ny hetsi-panoherana. “Tsy very maina tsy akory ny ran'ny maritiora.”

Ny mahavariana dia ny bolongana Iraniana Green Reform nahatsinjo toe-javatra tahaka izao [fa] tamin'ny Aogositra 2010.

Mizotra mankamin'ny demokrasia i Ejipta. Mihafarofy ny fitondran'i Mubarak ary mitombo ny tsy fahafalian'ny vahoaka. Tsy an'asa ny 30 isanjaton'ny mponina. Fitaovana vaovao eo ampelatanan'ny vondrona vaovao any Ejipta eo amin'ny sehatra politika sy ara-piaraha-monina ny aterineto sy ny Facebook.

Irangreenrevolution niteny [fa]:

… Mihamandroso ny demokrasia eto “Afovoany Atsinanana”. Mihanaka nankany Ejipta sy Yemen ny Fiokoana tany Tonizia. Nahoana no mangina ny mpitarika ny Hetsika Maitso Iraniana? Afa-manongana ny fitondrana Islamika ihany koa ny vahoaka.

Tweatter, mpamahm-bolongana Iraniana hafa nilaza [fa]:

Afaka i Tonizia ary ho afaka ihany koa i Ejipta sy i Yemen. Mitovy ny teny lazain'ny mpitarika avy amin'ny mpanohitra sy ny olona any amin'ireo firenena ireo. Notapahin'ny ‘mpanavao ny Establishment’ ny hazon-damosin'ny hetsi-panoherana tany Iran.

Mandritra izany fotoana izany ny mpamaham-bolongan'ny mpanohana ny Repoblika Islamika, tahaka an'i Donyaye Syasat, dia nanompana ny asan'ny Mpirahalahy Miozolomana any Ejipta. Nozarainy tamin'ny teny Persa ny tafatafa nifanaovany tamin’ Ibrahim Munir, iray amin'ny mpitarika ny Mpirahalahy Miozolomana, izay milaza fa ratsy dia ratsy tokoa ny toe-draharaha any Ejipta ka ho sarotra ho an'ny fitondrana miaramila ny hifehy (hanakana) ny vahoaka.

Ao amin'ny Balatarin, valan-tserasera Iraniana iray, maro dia maro ny rohy avy amin'ny vaovao iraisam-pirenena miresaka momba ny hetsi-panoherana Ejipsiana.

Ity lahatsoratra ity dia iray amin'ny fitantarana manokana momba ny Hetsi-panoherana Ejipsiana 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.