Tontolo Arabo : Media vaovao sy ny fanehoan-kery ataon'ny Ejiptiana

Miandry am-panahiana izay mety ho fivoaran'ny toe-draharaha any Ejipta ny tontolo Arabo. Androany, naka sisiny ny media mahazatra hatramin'izay fa ny media an'ny vahoaka no mahazo laka.

Raha mitana toerana lehibe ny media vaovao hanehoan'ny vahoaka ny heviny, dia manana ny anjara toerany lehibe koa ny fampitana vaovao amin'ny fomba vaovao satria manampy amin'ny fikarakarana ny fanoherana sy ny fanehoan-kery izany. Miady hevitra mikasika ny dikan'izany rehetra izany miaraka amin'ny fanoherana any Ejipta ny mpitoraka bilaogy arabo, fanoherana izay ahitana olona aman'arivony maro midina an-dalam-be mitaky fanovana ara-politika sy ara-ekonomika.

Ilay mpitoraka bilaogy Marôkana Hisham nanoratra mikasika ny anjara toeran'ny media amin'ny fanehoan-kery miseho any Ejipta. Mifantoka bebe kokoa amin'ny fomba fampiasana ireo media vaovao ireo any Ejipta izy, tahaka ny nampiasana azy ireny koa tany Tonizia tamin'ny fiandohan'ny volana.

Androany, namaly ny antso amin'ny diabe hanoherana ny 30 taona nitondran'i Husni Mubarak ny Ejiptiana. Nidina (ary mbola eny ankehitriny) an-dalam-be ry zareo ka mameno ny lalana ao Le Caire sy ny tanàn-dehibe maro any an-toerana, am-pilaminana maneho ny hatezerany ary manohitra ny taranaka 3 nifandimby niainana kolikoly sy famoretana. Maro amin'ireo mpanohitra no tanora ary niaina tao anatin'ny politikan'i Mubarak sy ny lalànany. Mitana anjara toerana lehibe indray koa eto ny facebook sy ny twitter hanaparitahana ireo ezaka ataon'ny mpanohitra satria antokon'olona vitsy aman-jatony no mitambatra eny an-dalam-ben'i Le Caire sy Alexandrie eny, ary ireny no mitambatra indray ka mahatonga olona aman'arivony maro mitaky fanovana.

Milaza ny fihetsehana goavana niseho tany Tunisie nialoha ity tany Ejipta ity i Hisham, ary manazava ny anjara toeran'ny twitter sy ny facebook tany Tunisie.

Tena nisy dikany lehibe teo amin'ny fihetsehana nataon'ny Toniziana nahavitan'izy ireo ny fanoherana voalohany ilay mpitondra Arabo mpanao didy jadona ny internet sy ny media an'ny vahoaka. Tsy miteny aho akory hoe fanoherana twitter izany, fa hoe ny twitter sy ny media an'ny vahoaka no fiadiana mahomby nampielezana vaovao. Ireo no fitaovana kely nanampy ny hetsika rehetra ka nahatonga azy hanenika ny firenena manontolo, hatrany Sidi Boudiz, ka hatrany amin'ny lalana rehetra mankao Tunis renivohitra, ary tao anatin'ny fotoana fohy.

Ny tena marina, tsy hoe fitaovana ampiasaina ifandraisan'ny mpanao fihetsiketsehana ihany akory ny media an'ny vahoaka. Fa ireo media efa nisy hatramin'izay na ao amin'ny faritra izany na hatrany ivelany dia tsy manisy lanjany ny fanoherana na zara miteny ny fisian'ny fanoherana amin'ny lohanteniny.

Ilay mpitoraka bilaogy Jordaniana Osama Romoh izay mankahala ny fomban'ny media mahazatra eran'ny tanàna raha miresaka ity fanoherana any Ejipta ity, no nanapa-kevitra  hanampy amin'ny fanaparitahana vaovao amin'ny alalan'ny fizarana ny rohy rehetra miresaka ny vaovao rehetra ananany, ao amin'ny bilaoginy

ما يحدث في مصر من مظاهرات تندد بالنظام الحاكم وتنتفض لسوء أحوال معيشة المصريين هو أكبر من أن يتم تلخيصه في بضع سطور لمقال أو وجهة نظر، ولأن الجهات الإعلامية ووسائلها تقلّل من شأن أحداث مصر في أخبارها ولا تغطي فعلاً ما يحدث هناك، قررت أنه من واجبي أن أفعل شيئاً ولم أجد في يدي إلا أن أساهم في نشر الكلمة وأن أنشر في هذه الصفحة روابطاً لأخبار من هنا وهناك تتعلق بمظاهرات مصر

Ny fanehoan-kery miseho any Ejipta ankehitriny hanoherana ny fitondrana dia lehibe loatra ka tsy voafintina ato anatin'ny andalana vitsy, na lahatsoratra iray, na lahatsoratra manokana iray Ary hatramin'ny tsy niraharahian'ny media mahaazatra ny zava-misy any Ejipta, ary tsy soratany ny tena zava-misy marina miseho any an-toerana, dia voatery aho hamaly sy hanampy amin'ny famoahana ny rohy rehetra milaza ny vaovao rehetra mifandraika amin'ny fanehoan-kery ataon'ny Ejiptiana manomboka eto ka hatrany ary na aiza na aiza.

Mampiasa ny sivana amin'ny internet ny fanjakana ejiptiana hahatonga ny olona ho kivy ka tsy hampiasa izany intsony. Kanefa ilay mpitoraka bilaogy Jordaniana, Roba Al-Assi mbola mahazo vaovao avy any Ejipta ihany. Nanoratra izy ny amin'ny fomba hahafahany , izy n,y mitovy amin,y rehetra nahazo vaovao avy amin'ny media vaova.

Indroa izao tato anatin'ny volana, mipetraka ato am-pandriako aho miaraka amin'ny solosainako ao amin'ny maizina ary mijery ireo rohy rehetra mandritra ny ora maro.

Tohizany ihany.

Andro farany izao araka ny efa fantantsika. Tsy lafiny politika, kanefa aloha loatra raha tenenina. Raha miresaka momba ny fandaniana fananana izao, dia fantatro fa tsy milaza zavatra vaovao aho, tena tsy mampino fotsiny izao.

Jan25: The Demonstrator
Mpampiasa twitter maro no milaza ity sary ity ho “ny sarin ny androany“.

sary nalaina avy @abanidrees ao yfrog

Farany, Youssef nanoratra mikasika ny fiovana sahady manerana ny faritra rehetra ato ho ato.

ورغم أنني من أكثر الناس تشاؤماً
من ألأوضاع العامة في المنطقة
وكنتُ دوما أقلهم تفاؤلاً
إلا أنني أكاد أُجزم
أنني أشتمُ رائحة تسونامي التغيّير
تهبُ على المنطقة بأكملها
أما ماهيّة التغيّير فمن الصعب التكهن به
وإن كنتُ أُخمنُ أنها تغيّيرات جذريّة
Na dia izaho aza no olona faran'izay mora kivy indrindra.
Izaho koa no olona manana fanantenana indrindra raha mikasika ny toe-draharaha eran'ny faritra ankehitriny.
Noho izany, tiako ny milaza aminareo fa tsapako ny rivotra mitondra fiovana.
Tsapako mitsoka eran'ny faritra rehetra izany.
Mety tsy haiko izay mety hiova eo, fa fantatro fotsiny fa ho goavana izany.

Anisan'ireo lahatsoratra momba ny Fanoherana tany Ejipta 2011 ity ity lahatsoratra ity

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.