Sina: Faneriterena sivana avy amin'ny sehatra tsy miankina

Tsy zoviana intsony fa tsy maintsy manaraka ny fepetra fanivànana avy amin'ny fahefam-panjakàna samihafa ireo mpamatsy aterineto any Sina. Na izany aza, miaraka amin'ny fisondrotan'ny orinasa tsy miankina mifandray betsaka amin'ny vahoaka, misy faneriterena be tsy mitsaha-mitombo amin'ny sivana avy amin'ny sehatra tsy miankina. Ny sasany amin'ireny mandoa vola amin'ireo vohikala mba hamafa lahatsoratra, ny sasany misotasota tsotra izao.

Tamin'ny 26 Janoary 2011, namoaka taratasy misokatra ny Bokee.com ho an'ireo mpampiasa azy fa nisy nisotasota ny vohikala rehefa nandà tsy hamafa lahatsoratra iray ry zareo. Nifandray tamin'ny Bokee.com ilay mpisotasota tamin'ny alalan'ny QQ chat tamin'ny 25 Janoary ary nangataka ny hamafàna taratasy misokatra iray izay navoaka tamin'ny 16 Aogositra 2006 nosoratan'ny profesora roa avy amin'ny Departemanta Fitantanana ao amin'ny Anjerimanontolon'ny Xiamen izay miampanga ny filohan'ny departemanta, Chen Hanwen, ho nanao kolikoly akademika. Indro ny dikantenin'ny resaka tao amin'ny QQ chat:

Judge 12:22:46
Tsy afaka mamafa ilay lahatsoratra ho ahy izany ianao?
Bokee Service 12:23:52
Miala tsiny aho fa tsy afaka hanampy anao.
Judge 12:24:54
Safidy tokana ho ahy ny mametraka sakana.
Bokee Service: 12:25:41
?
Judge: 12:25:36
Mifandraisa amiko raha manana olana ny vohikalanao.
Judge: 12:33:44
Namorona sakana aho ho an'ny famindràna “données” ka mety hisy fiantraikany amin'ny fiasan'ny vohikalanao izany. Raha fafànao ilay lahatsoratra dia hotsoahiko ilay sakana.

Judge 13:51:07
http://www.blogchina.com/authorEdit/articleCommentAll.php?id=168142 Ampio aho hamafa io lahatsoratra io dia hilamina ny zava-drehetra.
Judge 13:54:14
Nataoko nanodidina an'i bokee ilay sakana.
Bokee Service 13:54:55
Miarahaba, azonao hazavaina ve hoe nahoana ianao sy ny mpanjifanao, Atoa Chen, no mila mamafa io lahatsoratra io maika dia maika?
Judge 13:54:54
Fafao aloha io dia afaka miresaka isika.

Judge 17:20:35
Ato aho
Bokee Service 17:22:31
Mbola mitohy ve ny fanafihana?
Bokee Service 17:26:56
Mba ajanony ny fanafihana ny bokee.com sy ny blogchina.com. Tsy ara-dalàna ny fihetsika toa izany. Noraketinay ny fanafihanao. Raha tsy mampiato izao ianao dia hambaranay ny daty sy ny mpanjifanao ary hotaterinay any amin'ny manam-pahefana sy ny sampana fandriampahalemana an'ny governemanta.
Judge 17:27:55
Afaka mihizingizina tsy hamafa ianao
Judge 17:28:08
Sahirana aho.
Bokee Service17:32:39
Raha tsy mijanona ianao dia hotaterinay ny momba an'i Chen Hanwen sy ny sotasotanao
Judge 17:33:01
Ha Ha
Judge 17:33:23
Fantatro tsara fa hanao izany ianao, ary soa ihany fa efa niomana amin'izany aho.
Judge 17:33:38
Lazao araka izay itiavanao azy
Judge 17:34:38
Sahirana aho fa lasa

Nanomboka tamin'ny 1 ora atoandro hatramin'ny 6 ora hariva tamin'ny 25 Janoary ny sotasota. Fifangaroana sotasota DDos (fanasemporana ny serveur) sy SYN izany miaraka amin'ny IP hosoka. Notaterin'ny BlogChina tany amin'ny manampahefana tao an-toerana ny raharaha.

Araka  ny valim-pikarohan'i Baidu, niparitaka nanerana ny vohikala maro ilay lahatsoratra, nefa nofafàna avokoa ny ankabeazan'ireo lahatsoratra ireo. Bokee.com sy XYS.org no hany mbola nitàna izany tamin'ny aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.