Video: Ireo fanatanjahantenan'izao tontolo izao sy ireo lalao lalaovin'ny olona

Roa taona mahery lasa izay dia nanoratra mikasika ny fanatanjahantenam-pirenena isika. Androany isika dia hamerina hitsidika izay lohahevitra izay mba hahalalana bebe kokoa mikasika ireo fanatanjahantena sy lalao filalaon'ny olona any amin'ireo faritra samy hafa eran-tany.


Tovolahy any an-kianja,  avy amin'i Andrew Villasis CCBy

Ny Arnis dia fanatanjahantena any Filipina. Fifangaroana ady fifampikasihana miampy tehina lava ho tovan'ny tànana. Voalaza fa nivoatra avy amin'ny fandraràna ny fampiasana fitaovam-piadiana izay naneren'ireo mpanjanantany Espaniola ny vahoaka anatiny, noho izany dia mody ataon'izy ireo ho fiadiana amin'ny teatra izany, ary izany no nahafahan'izy ireo manazatra tena. Ity manaraka ity dia fanadihadiana fohy mikasika ny arnis sy ny fiezahan'ireo mpankafy sasany mamerina ny lazany:

Ny lalao nentin-drazana Arzentina dia antsoina hoe Pato, fifangaroana polo sy basketball ka ny baolina dia alatsaka afovoana fehim-barika mijidina.  Midika hoe ganagana ny anaran'ity lalao ity amin'ny teny Espaniola, taloha dia ganagana mbola velona no solon'ity baolina ity. Mivoaka sy miditra ao  amin'ny tantara [en] izy ity arakaraky ny fankasitrahana, ary dia niafara tamin'ny fandraràna azy mihitsy noho ny fiakaran'ny famoizana ain'olona. Nambara ho lalaom-pirenena tany Arzentina izany tamin'ny 1953. Ity horonantsary mihetsika manaraka avy amin'ny fantson'ny Minisitry ny Fampianarana ity dia manazava ny tantara sy ny fitsipi-dalaon'ny Pato . Ahitana dikanteny Anglisy kely etsy ambany:

Kanefa ny fanipazana biby avy eny ambony soavaly dia tsy zava-baovao intsony: any Afghanistan, ny Buzkashi dia fanatanjahantenam-pirenena ary ny atao amin'izany dia ny fifantenana zanak'omby na osy (voalaza fa maharitra ela ny zanak'omby vao misaratsaraka) raha miriotra iny ny soavaly ary avy eo dia manipy izany any amin'ny faritry ny tarigetra, sady misoroka ny famelezan'ny ekipa mpifaninana izay hanao ny afany ihany koa hahazoany ny taolam-biby ankoatra ny faminganana ny soavalinao. Ity horonantsary manaraka ity dia mampiseho lalao atao any amin'ny lalantsaran'ny Wakhan any Afghanistan:

Ny lalaom-pirenena ao Iran sy Bangladesh dia ny Kabaddi, fanatanjahantena nentin-drazana izay “hamelezan'ireo mpikambana” ao anatin'ny ekipa iray ny mpifaninana aminy amin'ny alalan'ny fametahana-javatra eny amin'izy ireo sy ny fialàna ny fisamborana sady mitazona ny fofon'ainy sy mamerimberina ny anaran'ny lalao. Tao anatin'ireo fiadiana ny ho tompon-dakan'ny Kabaddi eran-tany 3, i Inde no nibata ny voninahitra, narahin'i Iran sy Pakistana. Ity horonantsary manaraka ity dia mampiharihary ny lalaon'ny kabaddi any Inde, izay ahafahana mijery ny famelezana sy ny fisakanana:

Any Brezila no misy ny capoeira, zafindraony eo anelanelan'ny fiarovantena, ny fanatanjahan-tena, sy dihy sy ny mozika. Avy any amin'ny fikambanan'ireo andevo Afrikanina no niandohan'izany, nandalo tamin'ireo vanim-potoana nandraràna azy, ary amin'izao fotoana dia lasa zavatra toy ny Masoivohon'ny kolontsaina Breziliana, satria nahatonga ny fiparitahan'ny fanangànana sekoly fampianarana  capoeira any amin'ireo firenena maro samy hafa ny fitiavana ilay fanatanjahantena. Ankehitriny rehefa avy nahavita nihodidina ny tany ny Capoeira dia tafaverina any Afrika, izay ahitana sokoly mao misokatra.  Amin'izao fotoana izao dia manam-bitana hianatra ity fiarovantena, izay fantatr'izy ireo amin'ny zava-maneno nentin-drazany sy ny dihiny ity ny tanora Afrikanina, izay hita ao anatin'ity horonantsary natao tany Sao Tomé e Príncipe ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.