Alzeria : midera ny herim-pon'ny vahoaka any Tonizia ny any Alzeria

Aorian i Tonizia, Alzeria? sary Flickr avy amin i anw-fr, zo mampiasa noho ny CC BY

Noharabain'ny mponina any Alzeria ny hetsika fanoherana nataon'ny vahoaka tany Tonizia nandravana ny fanjakan'i Zine El Abidine Ben Ali [EN] izay nanjaka tokana nandritra ny 23 taona. Any amin'ny resadresaka rehetra, ny bilaogy sy ny facebook, dia tsy hitan'ny vahoaka any Alzeria intsony izay hilazana ny herim-pon'ny vahoaka Toniziana izay nanohitra tao amin'ny fireneny ka nahatonga ny “filohany” handositra.

Ilay mpitoraka bilaogy R.Z, ao amin'ny bilaogy Mots de Tête [FR] no niarahaba manokana ny vahoaka Toniziana [FR] tamin'ny hetsika lehibe nataony. Ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohanteny hoe “Menaka sa fahafahana? 
Naneho ny safidiny ny Toniziana… “ (lohanteny fihantsiana mifandraika amin'ny fivoaran'ny korontana any Alzeria, izay nahavitan'ny fanjakana nampihena ny fitakian'ny tanora amin'ny hoe fiakaran'ny vidin'ny menaka sy ny siramamy), R.Z nanoratra:

Qui peut rester insensible à ce qui vient de se produire en Tunisie ? Le peuple tunisien, par sa mobilisation  pacifique et sa détermination arrache sa liberté. Mieux encore, à contraindre le dictateur Ben Ali à quitter le pouvoir. Pis encore et humiliant pour lui : à  fuir son pays penaud. Honni et vomi, le tyran sort par la petite trappe de l'Histoire. Il aurait pu se retirer autrement, «dignement». Cependant sa soif inextinguible du pouvoir, l'en a empêché. Manifestement, la dignité n'est pas l'apanage des dictateurs.

Iza no tsy taitra tamin'izay nitranga tany Tonizia? Ny vahoaka Toniziana, tamin'ny hetsika milamina nataony sy ny fahasahiany dia nahazo fahafahana. Ary ny tena tsara indrindra, nampatahotra an'i Ben Ali ka nanosika azy hiala teo amin'ny fitondrana. Ny tena zavatra ratsy sady nahamenatra ho azy : nandositra ny fireneny izy. mampihomehy, nivoaka teo amin'ny lalana tery teo amin'ny tantara izy. Afaka niala tamin'ny fomba hafa anefa izy, fomba “mendrika”. Kanefa ny hetahetany hifikitra amin'ny fitondrana no nanery azy tsy nahavitany izany. Raha tsorina, tsy antonona ny mpanao didy jadona ny fahamendrehana.

Araka ity mpitoraka bilaogy ity ihany:

Manana ny antony tsy ananan'ny mpitondra ny vahoaka natao tsinontsinona. Hetaheta ho amin'ny fahafahana, ny lalana, izy no nahafantatra ny zavatra rehetra. ny lalana no nahalala fa eny no niatombohan'ny faran'ny mpanao ampihimamba. Eny fa na dia ny mpanohana azy matanjaka indrindra aza, izay tsy iza fa i Sarkozy, tsy nahavonjy azy. Nahafantatra ihany i Ben Ali, fa efa tara loatra. Efa vita ny lamesa.

“Iza no manaraka?” Izany no fanontaniana apetraky ny mpitoraka bilaogy Alzeriana hafa, Fragments, taorian'ny fanambarana ny fialan'i  Ben Ali [FR].

Si l’information du départ définitif du président tunisien, Ben Ali, venait à se confirmer, ce serait une grande étape de franchie pour l’instauration d’un véritable État démocratique en Tunisie. Même si tout reste à faire, il faut se réjouir de cet élan d’espoir né après des années de musellement et de répression.

Raha voamarina fa nandao tanteraka ny fitondrana i Ben Ali, dia dingana lehibe hamerenana ny fanjakana demokratika any Tonizia izay. Eny fa na dia mbola betsaka aza no amboarina, dia tokony hahafaly ny tsirim-panantenana teraka taorian'ny taona maro nanampenam-bava sy namoretana.

Feheziny amin'ity fanontaniana ity:

Le départ précipité de Zine El Abidine Ben Ali fera-t-il des émules du côté d’ElMouradia (siège de la présidence de la République algérienne) ? En d'autres termes, notre tour viendra-t-il un jour ?

Nisy fiantraikany tamin'i ElMouradia (lapam-panjakan'ny filoha Alzeriana) ve ny fandehanan'i Ben Ali tampoka? Raha tsorina, ho avy koa ve ny antsika indray andro any?

Maneho hevitra momba ny fandosiran'ny filoha andrarezina Toniziana [FR], ny mpitoraka bilaogy Alzeriana iray ao amin'ny resadresaka fa tahaka ny “voalavo” i Ben Ali fa tsy tahaka ny filoham-pirenena.

En préférant quitter le navire en pleine bourrasque, l'ex-président Ben Ali s'est donné (pour la postérité des poubelles de l'histoire) l'image d'un rat que celle d'un vrai commandant assumant ses responsabilités à savoir mener à bon port son navire avant de le quitter.

Raha tokony hiala ny sambo ao anatin'ny savorovoro izy, dia naleon'ny filoha teo aloha Ben Ali nanao toy ny voalavo toy izay toy ny kapiteny tena mandray andraikitra ka hizaka ny andraikiny nanao izay nahatafita ny sambony mialohan'ny hialany teo.

Ampiany hoe:

Honteux destin pour un voleur , un criminel …..parmi tant d'autres de ses collèges
arabes et Africains.

Henatra indrindra ho toy ny mpangalatra, mpamono olona… anankiray amin'ireo Arabo sy Afrikana mbola mitovy aminy.

Ao amin'ny lahatsoratra mitondra ny lohanteny hoe “Tunisie-Algerie: zavatra mitovy” [EN] navoakany tao amin'ny bilaoginy [FR], ilay mpanoratra Alzeriana Makhlouf Bouaich, miaraka amin'ny fanantenana kely, no mahita fitoviana amin'ireo hetsika roa izay niseho tany Tonizia sy izay niainan'i Alzeria ny ampitson'ny korontana nisiana ra mandriaka tamin'ny oktobra 1988.

Nous assisterons à un ‘retour à la légalité’ (en Tunisie), à un ‘retour au calme’, à des arrestations de hauts dignitaires, à des rendements de comptes, les islamistes qui (re) viendront au premier plan…Tout cela donnera, à coup sûr, un peu de répit au régime pour se reconstituer. Enfin, une certaine décennie à l’algérienne bis.

Atrehantsika izao ny “fiverenana ho amin'ny fahamarinana” (any Tonizia), “fiverenana ho amin'ny fitoniana”, amin'ny fisamborana tena mendrika, amin'ny famerenana ny natao, ireo tena silamo miverina mahazo laka… Ireo rehetra ireo no hanome, azo antoka, fiatoana kely ho an'ny fanjakana hanamboarany azy tsara. Izany ho etahaka ny taranaka hafa hanorina Alzeria faharoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.