Voasakana ny vohikala Blogspot any Kambodza

Manomboka androany dia hosakanana avokoa ireo vohikala blogspot rehetra any Kambodza araka ny baiko avy amin'ny Ministeran'ny Atitany ho an'ireo mpamatsy aterineto Kambodziana rehetra. Izany dia nohamafisin'ny mpamatsy aterineto tahaka ny Cellcard, Metfone, ary EZECOM.

Araka ny hita dia fanapahan-kevitry ny governemanta io sakana io manoloana ny lahatsoratry ny KI media tamin'ny volana Desambra izay namaritra ireo olona ambony ao amin'ny governemanta ho “mpamadika”. KI Media dia bilaogim-baovao malaza izay loza mananontanona ho an'ny governemanta.

Nitarika ny fisamborana ny tompon'andraikitry ny Lamin'asa ara-tsakafo Maneran-tany (WFP) Seng Kunnaka koa ity tranga ity, izay voaheloka enim-bolana an-tranomaizina noho ny fanaparitahana dika mitovy ny sary mahabe resaka avy tao amin'ny KI Media. Raha maro no mizara ny hevitra hoe nandika ny fetran'ny fahalalahana maneho hevitra ny KI Media, ny fisamborana ny tompon'andraikitry ny WFP kosa dia toa tsy voamarina ary nanamarika ny fanembatsembanana ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahazoam-baovao.

Raha vantany vao nosakanana ireo vohikala blogspot, nalefa tamin'ny Twitter sy Facebook ireo fanehoan-kevitra tamin'ny aterineto:

Mi-tweet i ChrisInCambo (Chris Brown)  :

Nosakanan'ny mpamatsy aterineto rehetra any Kambodza ny Blogger.com. Miandry sahady ny anton'izany amin'ny gazety rahampitso.

Namaly i john_weeks (John Weeks):

@ChrisInCambo Ny tatitra amin'izao fotoana izao avy amin'ny mpampiasa aterineto dia manambara fa ny mpamatsy aterineto EZEcom / Metfone IHANY no nanakana ny Blogger. Fotoana ve hampiasàna mpamatsy aterineto vaovao ?

Namaly i ChrisInCambo:

@john_weeks Tahaka ny mitifitra ny mpampita hafatra ny fanamelohana ireo mpamatsy aterineto. Mino aho fa tsy nanao izany ry zareo ireo raha tsy nobaikoana hanao izany.

Mi-tweet i Ninaism (Nina Lamparski):

#Blogspot sakanan'ny Ministeran'ny Atitany amin'ny fomba ofisialy nanomboka androany tamin'ny 10 ora maraina. Fotoanany mihitsy izao noho izaho manao fandalinana momba ny sivana aterineto #Cambodia

Tao amin'ny lahatsorany momba ny Fanaraha-maso ny Blaogy 2.0, nanoratra i Nina:

“Hatramin'izao i Kambodza nijanona lavitry ny sivana aterineto, nefa mety hifarana atsy ho atsy izany andron'ny fahalalahan'ny aterineto izany”

Na dia nifoha aza ny fanontaniana momba ireo antony ao ambadik'izao fanembatsembanana vohikala izao, mety ho efa mahafantatra ny antony marina ambadik'ity baiko ity ireo mpiady hevitra amin'ny Twitter. Maneho hevitra momba ny fanakanana ny KI Media i John Weeks:

@ChrisInCambo Tsy dia mpankafy an'i KI-Media loatra. Nefa ny fanakanana azy dia vao maika hisarika ny fifantohan-tsain'ny olona any amin'ny vohikalany, tahaka ny nitranga tamin'ny Reahu.net.

Ireto ny fanehoan-kevitra sasany tamin'ny facebook:

Ny Foibe Kambojiana ho an'ny Zon'olombelona dia manao tatitra vaovao avy amin'ny Vaovao Tselatra Kambodziana (CEN):

CEN: Ny Minisitry ny Atitany dia nibaiko ireo mpamatsy aterineto rehetra hanakana ny fidirana amin'ireo vohikala misoratra amin'ny blogspot, mba hanakanana ny KI Media. Tsy azo nidirana mihitsy ny tamin'ny mpamatsy aterineto sasany fa iray ihany no nety.

Nanoratra ny mpampiasa Facebook iray hafa, Cheng Samnang:

Inona no hitranga rehefa sakanan'ny fitondràna ny vohikala blogspot rehetra?! Inona no hataoko amin'ny blogspot-ko? Oadray, hay moa aho mbola afaka miditra ao any ivelan'i Kambodza fa ny namako any Kambodza  tsy tafiditra ao intsony amin'ny bilaogiko. Lety e!!

Nanambara ny mpampiasa facebook iray hafa:

“mialohan'ny revolisiona jasmina iray hafa ve? soa ihany fa mbola manana fb & twitter”

Mety mbola aloha loatra izao hijerena izay hitranga aorian'ny fanakanana ireo vohikala blogspot satria mety hiova ny fanapahan-kevitra, tahaka ny trangan'ny lamin'asan'ny governemanta hanana  sehatra fifanakalozana miankiana amin'ny fanjakàna mba hanaraha-maso ireo mpamatsy aterineto rehetra any an-toerana mba hanamafisana ny fandriampahalemana amin'ny aterineto, hisorohana ny vetaveta, halatra sy asa ratsy amin'ny aterineto. Nahemotra io lamin'asa io noho ny fanoheran'ny vahoaka, eny fa na tao anatin'ny governemanta ihany aza.

Fanampim-baovao: Nitatitra ny KI Media fa efa tsy nosakanana intsony ny vohikalany. Nandà koa ny fitondràna fa tsy nikatsaka ny hanivana ny KI Media izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.