Meksika: Nandefa tweet mba hiarovan-tena ilay mpihira voaendrikendrika ho nanolana zazavavikely tsy ampy taona

Tamin'iny herinandro lasa iny, voaendrikendrika ho nanolana zazavavikely tsy ampy taona anankiroa ilay mpihira ny gadon-kira ‘pop’ izay 28 taona fantatra amin'ny anarana hoe Kalimba.

Ireo zazavavikely ireo dia nokaramaina halaina sary any amin'ny trano fisotroan-toaka mandritra ny alin'ny fampisehoana . Nanapa-kevitra ny tsy handray karama tamin'ny asany izy ireo satria efa tsapan'izy ireo fa ampy azy ny fahafinaretana azony izany hoe tafaraka  amin'io mpihira malaza io tao amin'io fampisehoana io. Taorian'io fampisehoana io, dia nandeha nankany amin'ny trano fatorian'ilay mpihira izy ireo, toerana noheverina ho nitrangan'ilay fanolanana.

Ao Meksika, dia voasazin'ny lalàna ny fanaovana firaisana ara-nofo amin'ny zaza tsy ampy taona.

Ny andro manaraka, dia niverina tany amin'ny  seranam-piaramanidina niaraka tamin’ ilay mpihira ireo zazavavy ireo.

Mizarazara amin'ny heviny avy ireo vahoaka Meksikana mikasika io tantara io: ny sasany dia mihevitra fa manararaotra ilay mpihira ireo zazavavy ireo mba ho fanta-daza koa sy mba ahazoany vola; ny sasany indray mieritreritra hoe tsy afa-nanoatra ireo zazavavy ireo fa nohararaotin'ilay mpihira malaza satria mihevitra ity farany fa afaka mahazo izay iriany rehetra.

Microphone image by Flickr user ganatronic used under a Creative Commons Attribution-Share Alike license

Sarina Microphone nalaina tao amin'ny Flickr nampiasain'ny ganatronic ary nahazoan-dalana tany amin'ny Creative Commons Attribution-Share Alike license

(@KalimbaMX) Ny fanambarana tao amin'ny ‘tweets’ nataon'i  Kalimba farany teo dia mitantara ny fivavahany sy ny finoany ary ny fifikirany amin'Andriamanitra:

Independientemente de lo que pase, gracias a todos lo que creen en la verdad. DIOS los bendiga. Seamos fuertes en oracion. Be blessed.

Na inona na inona zavatra mety hiseho, dia misaotra anareo rehetra izay mino ny fahamarinana aho. Ho tahian'Andriamanitra anie ianareo. Aleo hamafisina ny fivavahantsika. Ary ho tahiany isika.

Es gran error humano creer que DIOS te abndona en los problemas y nos deja solos. No es hipocrecia, es fe! Conozco a mi DIOS. Be blessed

Ny tena hadisoan'ny olombelona dia ny fieritreretana hoe arian'Andriamanitra ianao rehefa sendra olana ary irery ianao. Tsy fihatsarambelatsihy akory izany fa finoana! Izaho mahafantatra tsara ny Andriamanitro. Ary ho tahiany aho

Niaro azy ihany koa ireo mpankafy azy tao amin'ny Twitter, toa an'i Monserrat Sotelo (@BarbieMonse) [es] sy Kenya Alvarez (@Jeiimyy):

kalimba stamos contigo animo amigo hechale ganas ya sabes q estas 2chicas solo kieren hacer pedazos tu vida y tu carrera tqm ….

kalimba manohana anao izahay, mahereza ry namako, fantatrao tsara fa te hamotika ny fiainanao sy ny ho avinao fotsiny ireo zazavavikely anankiroa ireo. Mankafy anao izahay…

Somary tohina ireo mpampiasa Twitter sasany satria lasa nahasarika haino aman-jery sy vahoaka maro io trangan-javatra io. Nandefa tweet i Ce (@csita22) :

Entre si soy acuario o no, y si kalimba es culpable o no, casi me distraigo de lo realmente importante… Que voy a hacer por mi pais hoy??

Manontany tena aho raha i  Aquarius aho na tsia, sy ny hoe meloka ve i  Kalimba sa tsia, ka saika varimbariana tamin'izany aho ka tsy haiko intsony hoe inona ny zavatra tena manan-danja… Inona re no zavatra azoko atao ho an'ny fireneko amin'izao fotoana izao e??

Mitovitovy amin'izay ihany, manameloka ny haino aman-jery i El Silenciero (@ElSilenciero) [es] noho izy ireo mitatitra bebe kokoa mikasika ny tantaran'i Kalimba noho ilay famonoana ilay mpamorona tononkalo sady mpanentana antsoina hoe Susana Chavez.

Nampitovy an'io trangan-javatra io tamin'ny tantara mitohy ilay bilaogy Hazme el Chingado Favor compared [es]:

La telenovela nacional esta dominada últimamente por la historia de Kalimba que es acusado de violar a dos menores de edad. Sobra decir que para este tipo de noticias nos pintamos solos con chistes

Ny tantaran'i Kalimba no nanjaka tao anatin'ilay telenovela nacional, izay nanendrikendrika azy ho nanolana zazavavikely tsy ampy taona anankiroa. Tsy ilaina akory ny filazana hoe amin'ireny karazam-baovao ireny dia vitantsika ny mamorona sangisangy aman-jatony.

Farany, i Félix Rivera tao amin'ny pejin'ny “Sexo Ilícito” (Illicit Sex) tao Vanguardia, dia nizara ny fomba fijeriny mikasika io vaovao io [es], ary mangataka ny fiaraha-monina Meksikana mba hitsara ara-drariny an'io trangan-javatra io :

En todo caso, Kalimba no se ha cansado de declararse inocente. Y aunque el público prefiera la “versión picante” en la que todos se lo imaginan sosteniendo relaciones sexuales con dos muchachas ebrias, también cabe la posibilidad de que efectivamente no haya sucedido nada. En todo caso, lo más importante es que esta situación se resuelva con justicia y que si de todos modos alguien resulta culpable, se pague el delito conforme a la ley.

Na inona na inona anefa zavatra nitranga, dia tsy nanaiky lembenana izy ary nilaza hatrany fa tsy meloka. Ary raha tian'ny mpijery kokoa no nihaino ilay “fanazavana somary nitarina” izay mihevitra ilay mpihira ho  nanana firaisana ara-nofo tamin'ireo zazavavikely mamon'ny toaka, dia mety ho tsy nisy na inona na inona nitranga akory anefa raha ny tena marina. Na amin'ny sehatra inona na amin'ny sehatra inona, ny zavatra manan-danja indrindra dia ny hoe ho voavahan'ny fitsarana io raharaha io ary raha toa ka misy olona voaporofo hoe meloka , dia tokony ho voasazin'ny lalàna izy amin'izany.

Nanda ho nanolana ireo zazavavy tsy ampy taona ireo i Kalimba . Ary raha toa ka voaporofo ho meloka io mpihira io dia hanefa izany any an-tranomaizina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.