Afghanistan: Hetsi-panoherana tao Kabul manohitra ny governemanta Iraniana

Nanao fihetsiketsehana teo ivelan'ny masoivoho Iraniana tao Kabul ireo Afgana mpanohitra tamin'ny Alakamisy,  Afghanistan manohitra ny antsojay mahazo ny Afgana mpifindra monina sy mpialokaloka any  Iran, ary koa manohitra ny ankivy ara-tsolika ataon'i Iran mahazo an'i  Afghanistan amin'izao fotoana izao. Ny fihetsiketsehana androany dia  nokarakarain’ ny Afghanistan Solidarity Party. Lazain'ny governemanta Iraniana fa ny tanjon'ilay ankivy dia hisakànana ny fahazoan'ny tafiky ny OTAN solika.

Doro sarin'ireo mpitarika Iraniana

Ity video ity dia mampiseho  ireo mpanao fihetsiketsehana mandoro ny sarin'ny Mpitarika Faratampon'ny Repoblika Islamika, Ali Khamenei sy ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad. Mikiakiaka ny olona hoe, “Aongàny Ahmadinejad sy Khamenei.”

Gadra Iraniana, Afghana maty

Ny Radio Koocheh dia namoaka sary marobe avy amin'ny fihetsiketsehana androany (13 Janoary 2011). Ireo Afgana mpanohitra dia nitondra sarin'ireo Afgana maro maty sy ireo mafàna fo ara-politika Iraniana notanana am-ponja (etsy ambony).

Radio Koocheh dia manoratra fa nisy ampolony mahery ireo mpanohitra no nitora-bato ny masoivoho Iraniana tao Kabul.

Porteghal Froosh (midika hoe ‘Mpivaro-Boasary laoranjy’) manoratra [fa] fa tamin'ny Zoma lasa, ny 07 Janoary, dia nisy hetsi-panoherana iray hafa manohitra ny fanapaha-kevitry ny Repoblika Islamika hanakana ireo fiarabe 200 mpitondra solika tsy hiditra any  Afghanistan. Ilay mpitoraka bilaogy dia manoratra fa ilay fanakànana dia niteraka sondro-bidy tamin'ny solika… Ny governemanta Afgana dia niampanga ny politika Iraniana ho manitsakitsaka ny lalàna iraisam-pirenena.

Eghtesad Afghnestan (midika hoe ‘Toekaren'i Afghanistan’) dia manoratra [fa] fa i Afghanistan dia manafatra ny solika rehetra ilainy ka  30% no avy any Iran.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.