Jordania: Fanehoan-kevitra noho ny fanalàna an'i Ben Ali avy amin'ireo ‘Jordaniana Tezitra’

Ny fanoherana tao Tonizia naharitra am-bolana maro noho ny olana ara-toekarena sy ny fanitsakitsahana ny zo, nitarika hatramin'ny fandosiran'ny Filoha  Zine El Abidine Ben Ali niaraka tamin'ny fianakaviany ho any Arabia Saodita, nametraka ho eo amin'ny toerany ny Praiministra Mohammad Ghannouchi. Io andro io ihany, dia nanao ny “Andron'ny Hatezeran”-dry zareo ny Jordaniana, manohitra koa ny sondro-bidim-piainana sy  ny adin-tsainy manoloana ny ara-toekarena tsy mandroso tsy mihemotra. Raha vao nandre ny fialàn'i Ben Ali, naneho hevitra an-karavoana ireo Jordaniana. Mahmoud Lattouf nanoratra hoe:

http://bit.ly/hPVdCj للشعب التونسي.. شكرا #SidiBouzid #Tunis #Tunisia
Ho an'ny vahoakan'i Tonizia… misaotra anareo.

Ashraf Shakah faly tsy nisy toy izany:

tsy islamika na Farany havia, tsy natosiky ny “Tandrefana” na novolavolain'ny CIA, fa tsotra fotsiny #Tonizia #Afaka #SidiBouzid

Ny hafa tonga dia nampifandray ny zava-nitranga tao Tonizia amin'ireo sisa any amin'ny tontolo Arabo. Wael Attili niteny:

Anatra avy amin'ny tantara: Leo hadalàna!! Ho an'ny fanjakàna Arabo rehetra, raha mampanantena fanavaozana ianareo, tsara ho anareo ny manatanteraka an'izay. #Tunisia #Arab

Ary ny hafa mampifandrohy mazava tsara ny zava-nitranga amin'izay misy any Jordania, amin'ny fakàna ho ohatra ny Praiministra Jordaniana Samir Al-Rifai. Ao anatin”izay, tsy mangataka  ny hanovàna ny fitondran'olon-tokana ireo  Jordaniana mpampiasa twitter, fa fijerena bebe kokoa ny resaka fisondrotam-bidy, ary amin'ny zavatra sasany, fanovàna ny governemanta tarihan'i Al-Rifai:

Bin Ali azonao entina miaraka aminao ve i  samir alrifai azafady ? #angryjordan #betterjordan #jo #amman

Hana Al-Moghrabi nanoratra:

@forbes19 nànana ny andron'ny hatezeranay izahay teto Jordania. Satria Eny tezitra izahay. Miova ny endrik'i MENA ( Middle East and North Africa – Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra)  #JO #AngryJordan #Tunisa no fiantombohany

Yassar Burgan nanentana mba ho mailo:

aoka isika tsy ho entin'ny fikoropahana ka hanafangaro zavatra! Lalaina sy hajaina ny fahaiza-mitarika ao #Jo . Manerana izao tontolo izao ny fahasahiranana ara-toekarena.

Hoy izy nanampy:

@LahibBaniSakher Tsy afaka hangataka fanampiana misimisy kokoa sy hetra ambany ny vahoaka raha toa ka voafetra ny loharanon-karen'ny firenena. #Jo tsy ho i #KSA @octavianas

Fanehoan-kevitra iray hafa mikasika ny fanovàna ny governemanta ao Tonizia no avy amin'ny Mpanjakavavy Rania al-Abdullah, izay nandefa  tweet hoe:

Mijery akaiky ny fivoaran-draharaha any #Tunisia ary mivavaka ny mba hisian'ny fitoniana sy filaminana ho an'ny vahoakany.

Mitohy manaraka ny resaka ao amin'ny twitter momba ny #sidibouzid ry zareo Jordaniana (fandrakofana ny zava-mitranga ao Tonizia), sahala amin'ny fanarahany ny tenifototra #angryjordan izay azy ireo manokana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.