Libanona: Mpikambana iraikambinifolo tao amin'ny Kabinetra nametra-pialàna, governemanta voaongana

The fifth anniversary of the assassination of Rafik Hariri

Herintaona lasa izao, nandritra ny firohotana nankalazana ny faha-5 taona nahafatesan'i Rafic Hariri. Photo © Demotix Deen Sharp

Vaovao lehibe maro avy amin'ny tontolo Arabo no azo tamin'ity hariva ity satria toa hoe hirodana ny governemanta Libane, nanaraka ny fametraham-pialàn'ny mpikambana 11 tao amin'ny kabinetra. Ireo mpikambana ao amin'ny kabinetra, ny mpikambana rehetra na ireo mpiara-dia amin'ny Hezbollah, dia nametra-pialàna noho ny tohankevitra avy amina tatitra iray nataon'ny Firenena Mikambana mikasika ny famonoana an'ilay praiminisitra Libane teo aloha, Rafiq Hariri, Al Jazeera nitatitra hoe.

Mailaka mihitsy ny mpitoraka bilaogy sy ny mpampiasa Twitter nanangona ny vaovao, tonga dia nilaza izany vantany vao nipoaka ny tati-baovao voalohany azo avy any Libanona. Ny solontenan'ny Al Jazeera, Dima Khatib (@dima_khatib) nandefa tweet nanodidina ny tamin'ny 6 ora hariva, ora ao Beirut:

Efa ofisialy izao fa nitontona ambany ny governemanta Libane, very ny fetr'isa noferan'ny lalàna, satria ao amin'ny Trano Fotsy miaraka amin'i Obama i M. Hariri . #Lebanon

Fotoana fohy taorian'ny tweet nalefan'i Dima, nitoraka bilaogy i Chan Bhatia ao amin'ny Chicks Gone Tech :

[Vaovao navaozina tamin'ny 11:13 a.m.] [Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: EST] Nirodana ny governemanta fampiraisam-pirenena Libane tamin'ny Alarobia taorian'ny nametrahan'ny Minisi-panjakana Adnan Sayyed Hussein ny fialàny, mpikambana faha-11 nanao toy izany.

Tsy ela ho an'ireo Libane “mpitoraka tweets” ny nanomboka nizara ny eritreriny sy fomba fijeriny tao amin'ny Twitter. @LebaneseVoices nanamarika tanaty tweets roa:

governemanta na tsy governemanta, tsy mbola manana rafitra foana isika #Lebanon

governemanta na tsy governemanta, mbola hanana herisetra miverimberina ataon'ny fiaramanidina israeliana foana isika eny amin'ny habakabatsika. #Lebanon

@Emile_Hokayem naneho hevitra momba ny fahitàna ilay fametraham-pialàna:

Nifidy ny hametra-pialàna ny minisitra avy amin'ny mpanohitra raha mbola tany Washington ny PM Hariri. Nifidy ny tsy naha-teo azy mba hilazàna fa tsy miraharaha an'i Libanona izy.

Ny sasany tao amin'ny Twitter, toa an'i @LSal92, dia nandray fomba fijery somary masiatsiaka mikasika ny raharaha mitranga amin'izao fotoana eo amin'ny tantaran'i Libanona, mandefa tweet:

Ka dia tsy manana governemanta indray ve izany isika? Dia inona no vaovao? #Lebanon

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.