Mandray ny tolotra famatsiam-bola madinika ny Rising Voices ho an'ny tetikasa momba ny fanentanana ny fampiasàna ny fampielezam-baovaon'olon-tsotra

Faran'ny fisoratana: Zoma 4 Febroary 2011 amin'ny 11:59 hariva GMT

risingvoices1.jpgTelo taona mahery izao no nanombohan'ny Rising Voices “mandat” tokana: hanampy hitondra feo vaovao avy amin'ny vondrom-piaraha-monina tsy faheno matetika amin'ny dinidinika iraisam-pirenena, amin'ny alalan'ny hiano aman-jerin'olon-tsotra. Tanteratsika izany tamin'ny famatsiana madinika, ary koa ny fanohanana ara-teknika sy ara-pitaovana ho an'ireo vondrona tohanantsika. Tamin'ny vao nambara ny fifaninanana famatsiam-bola madinika voalohany tamin'ny volana May 2007, nanome famatsiam-bola fanombohana ho anà tetikasa 24 maneran-tany isika mba hanampiana azy hahatanteraka ny nofiny. Ny fahasamihafàn'ireo tetikasa novatsiana ireo dia nahatonga ny Rising Voices ho toerana tsy manam-paharoa amin'ny aterineto hanana topimaso voalohany amin'ny toerana maneran-tany, toy an'i Toamasina, Madagasikara sy Ulaanbaatar, Mongolia, tamin'ny alalan'ny kaontin'ireo mpitoraka blaogy vaovao.

Manomboka amin'ny 11 Janoary 2011, ny Rising Voices dia manomboka ny andiany farany indrindra amin'ny famatsiana madinika ary mandray ireo tolotra tetikasa avy amin'ireo fikambanana tsy miankina (ONG) na olon-tsotra, ho an'ny famatsiam-bola  hatramin'ny 4000 $ ho an'ireo tetikasam-panentanana momba ny media raitra maneran-tany. Ny mpandray anjara mendrika indrindra dia hanolotra soso-kevitra manavao sy an-tsipiriany, mba hampianarana teknikan'ny fampielezam-baovaon'olon-tsotra amin'ireo vondrom-piaraha-monina tsy faheno, izay ratsy toerana amin'ny fitrandrahana sy fanararaotana ny fitaovana tahaka ny blaogy, famoahana video, na ny “podcast” azy manokana.

Iza avy no afaka mandray anjara

Misokatra ho an'ny ONG sy ny olon-tsotra ity famatsiam-bola ity. Na izany aza, raha tsy manana mpampianatra manana traikefa momba ny fampielezam-baovaon'olon-tsotra ilay ONG dia tsy maintsy mitady fiaraha-miasa amin'ny vondrona mpitoraka blaogy any an-toerana mba ahitàna ny mpampianatra manana ny traikefa ilaina. Amin'ny lafiny iray, tombontsoa be ho an'ny olon-tsotra handray anjara ny miara-miasa amin'ny ONG avy amin'ny fiaraha-monina tiany hiasàna mba hampitomboana ny herin'ny akon'ilay tetikasa.

Tetikasa tahaka ny inona no afaka vatsiana

Rising Voices dia mitady tetikasa izay mitovy tanjona amintsika dia ny fitondràna feo amin'ny vondrom-piaraha-monina vaovao, ary koa ny vondrona tenim-pirenena tsy dia faheno, amin'ny dinidinika iraisam-pirenena amin'ny alalan'ny fampiasàna fampielezam-baovaon'olon-tsotra. Ny asa voalohany tokony ataon'ny tetikasa dia ny manome fanofanana momba ny fampielezam-baovaon'olon-tsotra ho an'ny vondrom-piaraha-monina kendrena, ary koa fanohanana sy fanampiana tsy tapaka ho an'ireo mpandray anjara. Tsidiho ny lisitr'ireo tetikasa vaovao sy tranainy novatsiana raha mila santionany amin'ireo tetikasa efa novatsiam-bola.

Ohatra amin'ireo tetikasa afaka mandray anjara:

  • Fizaràna kamera  amin'ireo mponina any an-toerana mba hanampiana amin'ny fandraketana sy fitaterana ireo olan'ny tontolo iainana misy any amin'ny faritra, sy ny fanolorana vahaolana.
  • Fiaraha-miasa amin'ny tranomboky any an-toerana manana solosaina mba hampianarana ny tanora ny fomba fandraketana sy fitantaràna ny tantaran'ny tanàna misy azy, amin'ny fampiasàna fandraketana mp3 hanadihadiana ireo zokiolona.
  • Fikarakaràna fampiofanana mitoraka blaogy ho an'ireo mpanao asa tànana any an-toerana mba hanampiana azy ireo hivarotra ny entany amin'ny aterineto, ary koa hilaza ny tantara sy ny mombamomba  ny asatanany.
  • Fizaràna fakantsary 10$ amin'ny vondrona roa samy hafa any amin'ny tanàna roa samihafa ary mamorona vondrona amin'ny Flickr izay hifampizaràn'ny roa tonta ny fomba fahitàny ny sarin'ny tanànany.

Fomba fisoratana anarana
Ireo liana te-handray anjara dia tokony hameno ny “formulaire” fandraisana anjara amin'ny aterineto (rohy ato), izay tokony ahitàna ny tetibola amin'ny antsipiriany ihany koa. Raha te-hisintona ilay “formulaire” fandraisana anjara ianao mba hamitàna izany ivelan'ny aterineto ka hampiakatra azy indray avy eo, sintony ato ny antontan-taratasy (endrika PDF). Na dia mandray sy mampirisika ireo tetikasa rehetra avy amin'ny faritra maneran-tany aza izahay dia amin'ny teny Anglisy no tsy maintsy hanaovana ny fandraisana anjara rehetra.

2000$-4000$ ny famatsiam-bola ataon'ny Rising Voices. Ilaina dinihana lalina, atao mazava tsara, ary “réaliste” araka ny tokony ho ianao amin'ny fanaovana ny tetibola. Ampirisihana ireo mpandray anjara mba handefa tetibola latsaky ny 4000$ satria ahafahanay mamatsy tetikasa bebe kokoa ny mahakely izany.

Ny fisoratana anarana dia mifarana ny 4 Febroary 2011 amin'ny 11:59 alina GMT. Hahazo mailaka fampilazàna daholo ireo mpandray anjara rehetra, milaza fa voaray soa aman-tsara ny tolotra tetikasa. Hojeren'ny kaomitin'ny tompon'andraikitra sy mpanolo-tena avy amin'ny Gobal Voices ireo tolotra, ary koa ireo mpikambana amin'izay efa novatsian'ny Rising Voices teo aloha. Hambaranay alohan'ny 28 Febroary 2011 ireo hahazo ny famatsiam-bola.

Fanantenana tetikasa mahomby

Ireo tetikasa nekena dia hasongadina amin'ny tambajotran'ny Global Voices. Tsy maintsy hanao sonia fifanekena amin'ny famatsiam-bola ireo hovatsiana, izay ahitàna ny fitantanam-bola, ny fanaovana tatitra, ary fifanekena hafa momba ny fomba hizaràna ny famatsiam-bola. Tsy maintsy hamoaka fanampim-baovao momba ny tetikasa matetika amin'ny vohikalan'ny Rising Voices, hifandray matetika amin'ny tompon'andraikitry ny Rising Voices, ary koa handray anjara mavitrika amin'ny vondrom-piaraha-monin'ny Rising Voices.

Aza misalasala mametraka fanontaniana ao amin'ny famelàn-kafatra na amin'ny alalan'ny mailaka amin'ny eddie [arobazy] globalvoicesonline [teboka] org.

2 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.