Meksika: Mandefa tweets mikasika ny Herisetra amin'ny #RedMexico

Leo ny mijery na mihaino vaovao mikasika herisetra mifandray amin'ny “zava-mahadomelina”  sy  ireo tranga samihafa miavaka izay mitohy  maka toerana eo amin'ny fireneny isan'andro ny Meksikana. Ao amin'ny Twitter, ny tenifototra # MexicoRojo (Meksika Mena”) dia lasa nalaza teo anivon'ireo Meksikana mpampiasa twitter noho izy ireo miresaka ny herisetra misy amin'izao fotoana.

Ny faran'nyvherinandro iny, ny sasany tamin'ireo tweets dia nikasika ireo razana 15 tapa-doha hita tao amin'ny fanjakan'i  Guerrero, toerana izay misy ny tora-pasika malazan'i  Acapulco.

Indreto sasantsasany amin'ireo tweets ao amin'ilay lohahavitra:

Tohizo ny misaina hoe “cool” ny fanjifàna zava-mahadomelina dia ataovy sahala amin'ny hoe tsy misy na inona na inona mitranga…ity #RedMexico ity dia fanomezana maimaimpoana avy amin'ireo mpidoroka rehetra

Acapulco Guerrero dia tahaka an'ireny toerana fanaovana horonantsary mampahatahotra ireny, nahita razana 15 tapa-doha ry zareo tao anaty vata iray #RedMexico// Andriamanitra o !!

#DearThreeKings mba te-hanontany anao aho fa tsy mba zatra ny toy izao izahay Meksikana #RedMexico

Tsy maniry herisetra toy izao ho an'ny fireneko aho! Tsy tiako ny hiainan'ny vahoaka ao anaty horohoro #Acapulco #RedMexico

Io no mety, indrisy mantsy, vono olona goavana indrindra amin'ny karazany (fanapahan-doha). Tamin'ny Aogositra 2008, nisy 12  tany  Yucatán #RedMexico

Ny Filoha Meksikana Felipe Calderon nanamafy fa taona tena nanjakan'ny herisetra ny 2010 hatramin'izay nahatongavany ho Lohan'ny Fanjakana nanomboka ny 2006. Manantena ny Meksikana fa mba hitondra vokatra hafa mihitsy ny taona 2011.

Les Mexicains sont fatigués de regarder ou d'écouter les nouvelles quotidiennes liées à «narco» (médicament) la violence et les différents événements frappant de constater que continuent d'avoir lieu dans le pays. On Twitter, the hashtag #MexicoRojo (”Red Mexico”) has become popular among Mexican Twitter users as they discuss the ongoing violence. Sur Twitter, le hashtag # MexicoRojo (“Red Mexique») est devenue populaire parmi les utilisateurs de Twitter mexicains ils discutent de la violence en cours.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.