Sodana: Fitsapan-kevibahoaka momba ny fahaleovantenan'ny Sodana Atsimo, ao amin'ny Twitter

Nandeha nandatsa-bato androany (9 Janoary) ireo Sodane mpifidy mba hanapa-kevitra na hisintaka na hijanona ihany ho isan'i Sodana. Fehina tweets mikasika ny fitsapan-kevibahoaka ity. Azonareo atao ny manaraka mivantana ireo Tweets amin'ny fampiasàna ny tenifototra  #SudanRef.

Alun McDonald manamarika fa novàna ny fifampiarahabàna Sodane fanao hatrizay:

Sahala amin'ny novàna androany ny fomba fifampiarahabàna nentin-drazana Sodane ka lasa  “Akory, efa nifidy ve ianao?” #SudanRef

“Mizotra tsara ny fifidianana hatreto,” hoy i Wandering Tracy mandefa  tweets :

Mizotra tsara ny fifidianana hatreto. Irariantsika mba ho fotoana fitoniana ihany koa ireo androm-pifidianana sisa sy ny vokatra ho avy. #Sudanref #sudan

Zendana i Ben amin'ny fahamatoran'ireo mpifidy:

Zendana aho amin'ny fahamatoran'ireo mpifidy ao #Sudanref ivelan'i Khartoum. #Sudan

Milahatra mandritry ny 6 ora ireo mpifidy fa tsy mitaraina, hoy Lindy Janssen manamarika :

Ny fomba milamina nentina nanatanterahana ny #sudanref dia tena miavaka. Milahatra mandritry ny 6 ora anaty hafanana nefa zara raha mitaraina. #respect

Misy atmosfera lehibe any amin'ireo birao fandatsaha-bato:

Laharana lavabe any amin'ireo birao fandatsaham-bato, mitarazoka & mafana, saingy toa tsy eritreretin'ny olona izany. Atmosfera lehibe. Nifidy ny hisintaka ny rehetra, “mazava loatra” #SudanRef

Manontany tena i Degner ny amin'izay mety ho anarana vaovao entin'i Atsimon'i Sodana:

Efa mba misy mahafantatra ny anarana hiantsoana ilay firenena Sodane vaovao ve ? Sodàna vaovao, Sodàna Atsimo, Repoblika Afovoany Andrefan'i Afrika? #SudanRef

Voasambotra nandritra ny fihetsiketsehana hanoherana ny fitsapan-kevibahoaka Sodane ny zafikelin'ny Praiminisitra teo aloha:

Abeer Osman zafikelin'ny Praiminisitra teo aloha nentina any amin'ny paositry ny polisy nandritra ny hetsika fanoherana  ny #Sudanref.

Vaviantitra iray no mihira hoe, “Veloma ry  Arabo”:

Vaviantitra iray mandihy eo ivelan'ny paositry ny polisy ao Garang sady mihira ny hoe  ‘Veloma ry Arabo’ #SudanRef

Lehilahy iray no nihiakan- karavoana tao amin'ny birao fandatsaham-bato:

Lehilahy iray tao amin'ny birao fandatsaham-bato no nihiaka hafaliana satria nifidy izy. Anjatony ireo nitehaka azy & nanome rariny azy. #SudanRef

Nanomboka niaraka tamin'ny hira sy vavaka ny latsabato tany Etazonia (Nandray anjara tamin'ny fitsapan-kevibahoaka ireo Sodane tatsimo  tany  amina firenena 8 hafa manerana izao tontolo izao):

Manomboka miaraka amina hira sy vavaka amin'ny teny Arabo ny fifidianana  araka ny fangatahan'ireo mpifidy tao Dallas. #SudanRef

Vijay manontany tena hoe fomba ahoana no hahafahana mampitàha ny fitsapan-kevibahoaka Sodane amin'ny tany Timor Atsinanana:

Manontany tena hoe ahoana no hampitahàna ny  #SudanRef amin'ny tany Timor Atsinanana. Ny fanontaniana goavana:  Hahasarika ireo orinasa Amerikana/Anglisy ve ny solika ao  SS (Sodana Atsimo) ka hanosika ny Sinoa hiala? Ho tonga ve ny fandriampahalemana?


Ny mpifidy voalohany
tao Dallas, Texas;

Zokiolona tamina biraom-pandatsahambato no mpifidy voalohany indrindra tao Dallas, izay taorian'ny nampidinany ny vatony tao anaty vata, dia nampiakatra ny tànany sady nanao ny mariky ny fanaovam-beloma #SudanRef #Sudan.

Mavesa-danja kokoa ve ny  Shari'a noho ny firaisam-pirenena?:

Sora-baventy ao Khartoum: “Tsy misy Firaisam-pirenena ivelan'ny  Shari'a,” mba hilazàna hoe mavesa-danja noho izay Sodana tokana ny  Shari'a. Tena mampanahy ny toy izany eto. #sudanref

Farany, ny zanaka vavin'ilay praiminisitra voalohany indrindra teto Sodàna  dia nanao hetsika hanoherana ny fitsapan-kevibahoaka:

Zanaka vavin'ilay Praiminisitra tsy miankina voalohany indrindra teto  #Sudan no nampisaona ny sainam-pirenena, nametraka fehy mainty tamin'ny rindrina mba ho fanoherana #Sudanref

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.