Chile: Mpitoraka bilaogy mifanakalo hevitra momba ny fanalan-jaza noho ny antony ara-pahasalamana

(Fanamarihana: Ny bilaogy tanisaina ato dia amin'ny teny espanioala daholo)

Tamin'ny Desambra 2010, ny loholona Evelyn Matthei (avy amin'ny  antoko elatra havanana Independent Democrat Union) sy Fulvio Rossi (avy amin'ny Parti socialiste ao Chili) dia nanolotra volavolan-dalàna ikendrena ny hanaovana ny  fanalàn-jaza noho ny antony ara-pahasalamana tsy ho toy ny heloka bevava intsony, zavatra izay noraràna hatramin'ny 1989 nandritra ny fitondrana jadon'i Augusto Pinochet. Ilay volavolan-dalàna manome alàlana hampitsahatra vohoka noho ny antony ara-pahasalamana raha toa ilay reny ka mitondra vohoka fantatra fa tsy ho tafita na mety hanohintohina ny ain-dehibeny. Nitodika amin'ny aterineto ireo mpitoraka bilaogy mba hifanakalo hevitra momba ilay tolo-dalàna.

Anaty lahatsoratra iray ahitàna fanamarihana hatrany amin'ny 230 ao amin'ny bilaogy Zancada [es], Anita dia milaza fa ny vehivavy tsy tokony hamela ny fanjakana hanapaka momba ity resaka ity eo amin'ny toeran'izy ireo:

El aborto no tiene por qué llamarse terapéutico para disfrazarlo o transformarlo en una práctica menos “cuestionable”. Creo que es un deber de las mujeres dar nuestra opinión al respecto y no dejar en manos del estado ni de nuestros parlamentarios -cada uno con su opción ética- que decidan por nosotras.

El aborto es un problema de salud pública y debe ser tratado como tal y no utilizado como un tema politico [.]

Tsy mila antsoina hoe noho ny antony ara-pahasalamana izany ny fanalan-jaza mba ho saron-tavany na hamadihana azy ho fomba fnao tsy dia  “mahabe resaka”. Heveriko fa adidin'ny vehivavy ny manome ny hevitsika mikasika ilay olana ary tsy mamela ny fanjakana na ny olon'ny kongresy – izay samy manana ny etika mifehy azy – handray fanapahan-kevitra amin'ny toerantsika.

Olana ara-pahasalamana ho an'ny daholobe ny fanalan-jaza ka tokony hotantanina mifanarka amin'izany sy tsy ampiasaina ho toy ny olana ara-politika[.]

Ao amin'ny bilaogy Blog del Chago [es], Santiago Mora dia manantitra fa ireo vondrom-pinoana dia manana dindo betsaka eo amin'ny Fanjakana Siliana (Chilean). Lazainy fa ireny vondrona ireny dia tsy manaiky ny ny fisian'ny fanalan-jaza noho ny antony ara-pahasalamana sady tsy te-hifanakalo hevitra mihitsy momba io olana io. Ary dia manohy miteny i  Santiago,

Mi opinión es no imponer restricciones basadas en algo de lo cual no soy participe. Pero con el ánimo de no imponer ni siquiera lo que pienso, es conveniente que se legisle y se debata al respecto. Es posible fijar criterios sobre hasta donde si y hasta donde no. Y es necesario.

Ny fanehoan-kevitro tsy hoe hametraka teritery mifototra amin-javatra tsy dia idirako loatra. Saingy miaraka amin'izay eritretritro tsy hametraka izay mba hevitro izay, ilaina ihany ny manao lalàna sy mifanakalo hevitra momba ilay olana. Azo atao ny mametraka mason-tsivana mikasika ny tsy azo ihoarana. Ary ilaina izany.

Mikasika ny fandraisan'anjaran'ny Finagonana Katolika ao anatin'ny fifanakalozan-kevitra, manoratra i Fernando Rodríguez G. [es]:

Aquí no se trata si la Iglesia es o no un poder fáctico. La Iglesia Católica o cualquier otra, como un estamento válido de la sociedad está en su derecho pleno de dar su opinión desde un punto de vista humanista, moral, y teológico, pues esa es su misión. No se le puede excluir por pensar diferente [.]

Ity tsy resaka mikasika ny maha-tena hery na tsia ny Fiangonana. Ny Fiangonana Katolika na ny hafa koa, toy ireo fikambanana ara-dalàna eo anivon'ny fiarahamonina, dia manana ny zony feno hitondra ny fomba fijeriny amin'ny maha-olona, ara-moraly sy ara-pinoana, satria izany rahateo no iraka tontosainy. Tsy azo atao ny manilika azy satria hoe hafa ny fisainany[.]

Any amparan'ilay lahatsoratra dia manome ny fomba fijeriny ny fanalan-jaza i  Fernando, amin'ny fiantsoana azy io ho heloka bevava sy  “ny endrika ratsy indrindra amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona”

Francisca Crispi, mpianatra ho mpoitsabo, dia manoratra manohana ny fanalan-jaza noho ny antony ara-pahasalamana ao anatin'ny Sentidos Comunes [es], amin'ny filazana fa ny fahatsapana ny tokony hatao no tokony ho ambony noho ny ideolojia:

La base del aborto terapéutico es la interrupción del embarazo cuando la vida de la madre está en riesgo. Por lo tanto, tenemos que desligarnos de ideologías y aplicar el sentido común para saber que si la madre muere el feto no podrá sobrevivir. Así, la interrupción del embarazo va, paradójicamente, a favor de la vida: la de la madre.

Ny fototra ijoroan'ny fanalan-jaza noho ny antony ara-pahasalamana dia ny fampiatoana ny fitondrana vohoka rehefa tandindonin-doza ny ain'ilay reny. Kanefa, ilaintsika ny miala amin'ny ideolojia ka mampihatra izay tokony hatao hahafantatra fa raha sanatria maty ny reniny dia tsy ho velona koa ilay ao am-bohoka. Araka izany, ny fampiatoana ny fitondrana vohoka, mifanohitra amin'ny lalan-tsaina, ho fanavotana aina: ny ain'ilay reny.

Farany, ilay mpitoraka bilaogy, Sabina Atalaski, dia mitanisa ny trangan'ny reny iray nitondra vohoka ka ilay zaza dia tratry ny fahasembanana amina dingana maro ary ampahany  betsaka amin'ny atidohany no tsy tao. Noho ny fandraràna ny fanalan-jaza noho ny antony ara-pahasalamana dia nentiny hatramin'ny farany ilay vohoka. Maty ora vitsy taorian'ny nahaterahany ilay zaza. Manampy izy [es]:

Pienso en ella y en varias otras que han vivido lo mismo. Algunas han podido aceptarlo con mayor resignación, amparándose en su fe, dándole sentido al sin sentido. Pero otras han quedado destruídas en el proceso. Literalmente. Lo que está claro es que el costo es demasiado alto. Y lo que es más terrible, más incomprensible (al menos para mi), es que la decisión no pueda ser tomada precisamente por aquellas que sufren este drama. A mi nadie me va a convencer que la sociedad, las leyes o un médico tiene más derecho a decidir sobre una materia tan sensible como ésta.

Miheriotreritra ny aminy aho sy ireo maro hafa niaina zavatra toy izany. Maro no nanaiky tsy sazoka an'izany, amin'ny fifikirana amin'ny finoany, manome lanja ny zavatra tsy azo omen-danja akory. Saingy maro koa ireo potika tao anatin'izany dingana izany. Tena ara-bakiteny. Ny hita mazava dia novidiana lafo izany. Ary ny tena mampivarahontsana, saro-takarina (ho ahy fara-faharatsiny) dia  tsy azon'ireo tena miaritra ny hirifiry entin'izany tantara ratsy izany raisina akory ny fanapahan-kevitra. Tsy misy olona haharesy lahatra ahy fa hoe ny fiarahamonina, ny lalàna na ny dokotera no manan-jo bebe kokoa hanapa-kevitra momba olana iray saro-pady toy ity iray ity.

Ireo loholona avy amin'ny antoko Party for Democracy (PPD) dia nanao tolo-dalàna iray izay manampy ny fanaovana an-keriny ho ao anatin'ny pitsopitsony [es] mety ho azo amelàna ny fanalan-jaza noho ny antony ara-pahasalamana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.