Côte d'Ivoire : Sehona habibiana ao amin'ny fonja be gadra indrindra

Misy video mampikorontana ny fiaraha-monina Ivoriana amin'ny aterineto amin'izao fotoana izao. Ahitàna ny miaramila midaroka gadra ao amin'ny fonja “Maison d'Arrêt et de Correction” (MACA) izany. Araka ilay olona namoaka ny video, mpomba an'i Alassane Ouattara ireo gadra ireo. Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny krizy ara-politia any Cote d'Ivoire, am-polony ireo olona nosamborina tany Abidjan noho ny fironany ara-politika, ary nogadraina ao amin'ny MACA.

Nahatohina ireo mpijery izany video izany. Maneho hevitra i Traore Tidiane ao amin'ny Facebook [Fr] :

“Voila la bassesse du regime moribond de LG !!! qui dit kil veut pas la force?”

“Izany no fahambanian'ny fitondràn'i Gbagbo eo am-baravaran'ny fahafatesana! Iza no niteny hoe tsy mila hery izy?”

Tamin'ny 10 Desambra, Jean-Paul Ney, mpanao gazety Frantsay nampangain'i Laurent Gbagbo ho nikasa hanongam-panjakàna tamin'ny Desambra 2007, dia namoaka tao amin'ny vohikalany “Les grandes oreilles“, video iray nalaina tamin'ny 2008 fony izy notànana tany amin'ny MACA.
Nampiseho fikomian'ireo gadra izany, arahan'ny habibiana ataon'ireo miaramila.

Tamin'ny 17 Desambra 2010, ny andro taorian'ny vono olona nitranga nandritra ny fihetsiketsehana nataon'ireo mpomba an'i Ouattara tany Abdijan, mbola ilay mpanao gazety ihany no niantso ny olona tao amin'ny kaontiny twitter mba hanampy ireo gadra ao amin'ny MACA:

“#civ2010: pour la MACA qui peut se mobiliser sur place et apporter de la nourriture ? Western Union impossible pour la RCI !

“#civ2010 ho an'ny MACA, iza ao Abidjan no afaka mifamory hitondra sakafo ho an'ny fonja? Tsy mety ny Western Union ho an'ny Repoblikan'i Côte d'Ivoire!”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.