Ireo lahatsoratra be mpamaky indrindra tamin'ny taona 2010

MIRARY TAOM-BAOVAO SAMBATRA! avy amin'i 1suisse ao amin'ny Flickr (Creative Commons Attribution-NoDerivs 2.0 Generic)

Ao amin'ny Global Voices izahay dia miara-miasa amin'ny fikambanan'ireo mpirotsaka an-tsitrapo mba hamoahana tantara mikasika ny zava-mitranga ao anatin'ny bilaogy sy ny mediam-bahoaka eran-tany. Eto ambany, ny sasantsasany amin'ireo tantara izay nahasarika ny sain'ny olona be indrindra tamin'ny taona 2010 avy amin'ireo mpamaky amin'ny teny Anglisy (ny vohikalanay Lingua amin'ny teny samy hafa dia mety  hanana vokatra hafa).

Matetika dia ireo lahatsoratra mifandraika amina tantara malaza eran-tany no lahatsoratra be mpamaky sy malaza indrindra, tahaka ilay horohorontany tany Haiti, na ny Amboara eran-tany tany Afrika Atsimo. Indraindray, dia zavatra tsy dia resahan'ny media loatra.

Ho an'ireo tamberina avy amin'ny faritra tamin'ny taona 2010 nataon'ireo mpanoratrantsika, jereo ny pejy fandrakofana manokana: Best of 2010.

Ny be mpamaky indrindra tamin'ny taona 2010

Ny lahatsoratra be mpamaky indrindra tamin'ny taona 2010 dia ny Brezila: Ny zava-mahagagan'ny Cala Boca Galvao izay amin'ny ampahany dia noho ny fanononan'ny mpiara-manorina, Ethan Zuckerman, ity tantara ity tamin'ny famelabelarany tao amin'ny TED.

Ireo fandrakofana be mpamaky indrindra

Fifandirana

MENA: Hatezerana aorian'ireo fanafihan'i Israely ny sambo Flotilla ho any Gaza”
Korea Avaratra: Anatin'ny ady psikolojika koa ny hatsaràn-tarehy
Costa Rica: Ady sisintany amin'i Nikaragoa
Rosia: fandrakofana voalohany mikasika ny fanapoahana baomba tany amin'ny lalambian'i Mosko
Filipina: niafara tamin-kerisetra ny fakana takalon'aina
Egypt: Khaled Said – Famonoana an-kamehana avy amina lalàna an-kamehana

Politika

Afrika Atsimo: Julius Malema sy ny ampitson'ny fahalalaha-miteny
Vosakana ny Facebook any Pakistana noho ny firotsahany amina fampielezan-kevitra tsy mifanaraka
Masedonia: Fikomiana ao amin'ny aterineto manohitra ny tetikasa “Skopje 2014″
Ny sainam-pirenena vaovao sy ny anarana vaovaon'i Myanmar

Fanatanjahan-tena

Afrika Atsimo: Manasongadina ireo hevitra mahaliana ny hira natokana ho an'ny Fiadiana ny Amboara Eran-tanin'ny FIFA 2010
Mali: Mihetsika ireo Mpankafy ny Fiadiana ny Amboara Eran-tany amin'ny antso mahabe resaka nataon'ny mpitsara lalao
Georgia: Mitranga ny loza nefa misokatra ny lalao Olaimpika amin'ny andro ririnina

“memes”n'ny aterineto

Filipina: Ny jejemon mahavery saina
Andiany indray mihira virtoaly: Teknolojia, fiaraha-miasa ary hira
Rosia: olona aseho amina “cartoon” ao amin'ny aterineto – Mr. Freeman – mandrava ny zava-misy, maneso ny olon'ny aterineto
Somonga nandritra ny fahatapahan'ny Facebook ny alakamisy teo
Boobquake – Horohoron’ny nofo miatrika ny vela-kevitry ny mpitarika fivavahana iraniana

Shina

Shina: fangatahan'ireo mpivaro-tena ny haha-ara-dalàna azy ireo, voafonja ny mpikarakara
Shina: Fihotsahan'ny tany tany Zhouqu, loza vokatry ny nataon'ny olombelona
Shina: ‘i Li Gang no Raiko’
Ny fahitàn'ny mpitoraka bilaogy Sinoa ny Avatar
Shina: Fibabohan'ny mpihazakazaka mitanjaka ao amin'ny Aterineto
Noam Chomsky tany Shina
Shina: Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana – Liu Xiaobo

Fiaramanidina

Polonina: Maty tamin'ny fianjerana fiaramanidina tany Rosia ny filoha Kaczyński – Fanehoan-kevitra voalohany
India: Hatezerana tamin'ny fianjerana fiaramanidia tany Mangalore

Volkano

Goatemala: Mametraka ny firenena ho ao amin'ny toeran'ny faharavàna nateraky ny natiora ny volkanon'i Pacaya
Ekoatora: Mamely faritany ekoatoriana maro ny fipoahan'ny volkano Tungurahua
Indonezia: Horohorontany, Tondran-drano, ary fipoahan'ny Volkano tao anatin'ny 48 ora.

Orana

Pero: Rotsa-korana mahery sy fihotsahan'ny tany tany Cusco
Arabia Saodita: Rehefa avy ny orana dia mivatravatra any Riyadh

Toekarena

Gresy, Alemana sy ny ratsan-tànan'ny Venus de Milo
Japana: toerana izay tsy ekena mihitsy ny fialan-tsasatra
India: Ady an-dokambarotra ifanandrinan'ny Rin sy ny Tide

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.