Mametraka sivana amin'ny fanaovana gazety i Hongria

Efa zava-mahazatra any amin'ny faritra maro ny sivana atao amin'ny fampahalalam-baovao, saingy tsy nisy nisaina mihitsy hoe firenena iray ao afovoan'i Eraopa no handeha hizotra amin'izany làlana izany. Eny, te-hanova an'izany i Hongria.

Hoy i The Raw Story,

“Ny governemanta avy amin'ny elatra havanana vao voafidy teo ao Hongria dia nandroso lalàna iray mangataka – raha tsy izany dia ho tataovan'ny sazy ara-bola sy fanakatonana – mba ho “marina sy tsy mitanila” ny loharanom-baovao ka nindrana fehezanteny avy amina tambajotram-baovao Amerikana iray. Ilay fikisahana dia nahazo fanakianana mampahatahotra hoe hitarika mankany amin'ny fanampenam-bava ireo mpampita vaovao mpanakiana.

Ao anatin'ilay lalàna vaovao momba ny Fampitam-baovao sy ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-Gazety, ny Fahitalavi-panjakana izay ny rako-baovao alefany dia tsinjo ho “tsy voalanjalanja na manohintohina ny maha-olona na ny toe-tsaina ara-moraly iombonana  dia “tokony handoa sazy  1 tapitrisa dolara any ho any,…”

Ny fikisahan'i Hongria mankany amin'ny fampitam-baovao “marina sy tsy mitanila” bebe kokoa dia tonga ao anatina vanimpotoana iray hiomanany indrindra hisàhana ny  Fitantanana ifandimbiasana ao amin'ny Vondrona Eraopeana. Hahaliana ny hijery izay fomba hampifandanjàn'ity firenena ity ny politika vaovaony momba ny fanaovan-gazety manoloana ny zava-misy eo amin'ny Vondrona Eraopeana izay mitaky amin'ireo firenena mpikambana ao mba hanàja ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.