Kazakhstan: Akon'ny Fihaonamben'ny OSCE

Hatrany amin'ny fisasahan'ny taona 2000 tany i Kazakhstan no efa nikendry fatratra ny hitarika ny Fikambanam-piaraha-miasa sy Filaminana ao Eraopa, na OSCE, fikambanana iraisam-pirenena isan'ny lehibe indrindra mpandàla ny demaokrasia eo amin'io kaontinanta io. Betsaka tamin'ireo firenena mpikambana no nanatsiny ilay fikasana noho ny faharatsian'ny fanajàna zon'olombelona misy any Kazakhstan. Nekena ihany tamin'ny farany ilay fanomezam-pitantanana noho nyady varotra ara-jeopolitika nafotaka, ny tsindry avy amin'ireo firenena tao anatin'ny firaisana Sovietika teo aloha, ary ny resaka samihafa mikasika ny angovo sy ny fiantohana fandriampahalemana ho an'ny tandrefana.

Ny manampahefana Kazakh dia mahita ny toerana maha-mpitantana ho toy ny fitaovana mahomby hanatsaratsarana ny endriny eo amin'ny sehatra iraisampirenena. Ary ny vovonamben'ny OSCE, fihaonambe iray nihaonan'ireo mpitarika avy amin'ireo firenena mpikambana ao amin'ny OSCE, dia nomanina ho toy ny fankalazana ny maha-mpitantana ny Kazakh sy vintana iray hanosehana an'i Astana, renivohitra vaovaon'ny firenena. Notanterahana ny voalohandohan'ny volana Desambra izy io. Nandreraka ny fanomanana:

“Tsy tsara loatra ho an'ny mponin'i Astana ny mararirary mandritra ny fotoana hanaovana ny fihaonambe. Ho diovina ho an'ireo mpandray anjara amin'ny vovonan'ny OSCE ny hopitaly […] Maro tamin'ny vahoaka no tohina tamin'ny fanapahan-kevitry ny manampahefana amin'ny fampidirana famerana amin'ny aretina”, zhuldyz manoratra hoe [ru].

Ireo Astaniana monina manakaiky ny toerana sy ny arabe aza dia nahazo fandraràna tsy hifoka eny an-davarangany mihitsy – fandraràna iray niteraka fanentanana manadrohadro nampitondraina lohateny hoe “Mbà lehilahy, mifoha anankiray” [ru].

Slavasay dia nanara-maso akaiky ilay fihaonambe avy eny an-dalantsaran'ilay hetsika [ru]:

Hanampy tosika tsara ny hetahetan'ny governemanta Kazakh ilay fihaonambe […] miaraka amin'ireo fotoana fakàna sary eny afovoan'ny hetsika rehetra eny.

Avy eo izy dia nitondra fanehoan-kevitra mikasika ny kabary fiarahabàna nataon'ny Sekreteram-panjakàna Kazakh, izay nanomboka ny famelabelarany tamin'ny fiarahabàna ny filohan'ny Kazakhstan amperinasa noho ny tsingerintaona faha-19 nahavoafidy azy ho filoha. “ Hitako ho miavaka kely mihitsy ny fanamarihana toy izany atao, manoloana ireo mpitarika firenena – heverina ho demaokratika”, hoy izy [ru].

Slavasay koa dia isan'ireo nanakiana ny tery vaimanta sy ny fandrakofana diso tafahoatra ataon'ny media Kazakh an'ilay fihaonambe. Izay rehetra mety ho fandaharam-baovao dia sisihana tatitra momba ilay fihaonambe daholo. Ny andro voalohany tamin'ilay fihaonambe, ny fantsona fahitalavi-panjakana sy tsy miankina rehetra dia samy nanao fandefàsana mivantana ny resaka avy amin'ilay fihaonambe avokoa nandritra ny ora maro. Maneho hevitra i Megakhuimyak [ru]:

“Mijery an'ilay izy aho ary tena tsy azoko mihitsy hoe nahoana ry zareo [media] no mifanakalo hevitra amina resaka foronina, raha toa ka tena làlan-jotra hafa tanteraka kosa no izoran'ny firenena? Toa azoko an-tsaina hoe izany koa no zava-nitranga tany Rosia tamin'ny 1915”

“Raha tsaraina avy amin'ny haben'ny fandrakofana atao ankehitriny, hitoetra eny anivon'ny fanapariahana sary sy feo eto an-toerana ary ny gazety an-tsoratra mandritry ny antsasaka taona iray raha kely indrindra ny fihaonamben'ny OSCE”, hoy i alramin manampy. Efa nanambàra ny filoha Kazakhstan Nazarbayev fa nanomboka ho “fandresena iray ho an'ny vahoaka  Kazakhstani” ilay fihaonambe.

Toy ity manaraka ity [ru] ny famintinana avy amin'i Slavasay:

Ho voarakitra tanteraka ao anaty tantara ilay fihaonambe, saingy fotsiny ho tahaka ireo 35 taona tsy nahitàna fahombiazana teo amin'ny tantaran'ny OSCE . Ny Fanambaran'i Astana dia tsy misy izay maha samihafa azy tamin'ireo antontan-kevitra hafa nankatoavina tanatin'ireo Filankevitra Ministerialy fanao isan-taona hatrizay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.