Lalao baolina soccer Malezia-Indonezia nivadika ho fifanaovana teny mahery (Taim-bava)

Photo from twitpic page of NikeMY

Tsy ela akory izay, mendrika ny tarikampanao soccer avy any Malezia ny hiravoravo raha sambany izy tafakatra tamin'ny lalao famaranana hiadiana izay ho tombon-dakan'ny lalao ASEAN tao anatin'ny 14 taona nilalaovana ka nandresy ny mpiaro ny voninahitr'i Vietnam, nandresy an'i Indonezia 3-0 tamin'ny fihodinana voalohany natao tao amin'ny kianjan'i Bukit Jalil National Stadium.

Kanefa, ireo mpankafy ny Indoneziana dia nitaraina fa nanao izay hanelingelenana ny mpilalao Indoneziana ry zareo Maleziana tamin'ny alalan'ny fitsilovana azy ireo tamin'ny taratra lasers, ka naneho ny tsy hafalian-dry zareo tany anaty Twitter. Tenifototra roa no namadika azy ity ho lasa lohahevitra teo anivon'ny vohikala, ‘Hate Malaysia’ sy ‘#loveindonesia’.

Yopy Rinaldi dia nitoraka bilaogy fa tsy dia atao mahagaga loatra ny fandresena azon'i Malezia, satria voafitak'izy ireo ny mpitsara ka tsy nandray fepetra nanoloana ireo mpankafy nampiasa taratra lasers mba hanelingelenana ny mpiandry tsatokazo Indoneziana.

Tsy dia faharesena mahavalalanina loatra ny lalao nifanandrinana'i Indonezia sy Malezia tamin'ny Amboara Suzuki.

Malezia nisompatra ireo mpankafy tsy  nanohana azy tamin'ity lalao ity, ary ny mpitsara toa tsy nampiseho fahaiza-manao nanoloana ny fanohintohinana nataon'ny maleziana, nitarika hatrany amin'ny fahalavoan'ny Indonezia nandritra ity lalao fidina ny amboara suzuki ity.

Na izany aza, jasonmumbles dia nandefa tweet hoe ‘Izahay, Maleziana, dia mahatsiaro menatra noho ny resaka laser nefa tsy afaka ianareo hiteny hoe nisompatra izahay satria efa TAORIAN'ilay zava-nitranga izahay vao nahafaty baolina’.

Raha maro no mampiasa ny Twitter hanoherana ilay lazaina ho fanohintohinana nataon'i Malezia, ny sasany kosa miezaka mametraka fa tsy antony tokony hanaovana teny mahery ny zava-nitranga toy ireny.

PrinceofPopJB nandefa tweet hoe ‘#Mpianakavy ny Aziatika, sa tsy izany ?? Raha #Mpianakavy isika ATSAHARO NY FIFANKAHALANA. ATSAHARO NY HATE MALAYSIA fa fotsiny #LoveMalaysia sy #LoveIndonesia :)’

Apmaaaar koa dia nandefa tweet hoe tafahoatra loatra ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo Indoneziana maro.

‘Izahay TIA AN'I INDONEZIA, izahay MIREHAREHA NY AMIN'I INDONEZIA, saingy tsy ilainay akory ny HANKAHALA AN'I MALEZIA. Atsaharo ny mifanome tsiny dia ny làlana zorina!!’

Ny fihodinana faharoa amion'ny lalao famaranana dia hatao ao amin'ny Gelora Bung Karno Stadium any Jakarta amin'ny 29 Desambra,ary mila mampiditra baolina efatra i Indonezia raha kely indrindra raha te-hahazo ny anaram-boninahitra.

Nifampizaran'i Wakarimasenlol koa ireo sary tamin'ny lalao famaranana, ary ny fotoana nafana tamin'ny lalao dia azo jerena ao amin'ny  YouTube.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.