Nomad Green: Amoron-tevan'ny faharavan'ny tontolo iainana i Mongolia

A winter sunset at White Lake, Mongolia. Image by Flickr user Karina Moreton. CC BY-NC-ND

i Mongolia dia tany iray manana ririnina lava sy mangatsiaka be, lohataona migaingaina sy haintany mandindona. Isan'ny olana ara-tontolo iainana atrehiny ny firosoan'ny tany efitra, ny fahasimban'ny ala vokatry ny fitrandrahana tafahoatra, ny tsy fahampian-drano ary ny fahalotoan'ny rivotra sy ny rano. Ireo olon-tsotra mpampita vaovao ao amin'ny Nomad Green dia miezaka manentana mikasika ny fahasimban'ny tontolo iainana ao amin'ny firenen-dry zareo amin'ny fitodihana amin'ireo vahoaka Mongoliana sy ny mpamaky avy amin'izao tontolo izao.

Hoh.Mongol dia manoratra momba ny fifindra-monina tsy re tsaika ateraky ny tontolo iainana mitranga any amin'ny tany efitr'i  Gobi any Mongolia:

Noho  ny fahasimban'ny tany fampiraofana ireo biby, milaza ireo mpiompy fa tsy afaka miverina any amin'ny ‘soums’ nisy azy ireo ry zareo. Ohatra iray amin'ny sesitany ara-tontolo iainana io.

Hoh.Mongol koa dia manadihady hoe nahoana ny fiakaran'ny hafanana nanerana ny tany no niteraka fahavoazana ara-tontolo iainana tany Mongolia.

Tumenbayar dia mitatitra ny faharinganan'ny ‘antilopes’ ao Mongolia ateraky ny fahasimban'ny tontolo iainana sy ny firosoan'ny tany hay. Marihan'i Badamgarav fa ny fihazàna tsy ara-dalàna dia iray amin'ny loza mitatao amin'ireo ‘antilopes’. Ny ‘antilopes saiga’  Mongoliana dia vonoina hakàna singa hanaovana fanafody sinoa.

Amin'izao fotoana, i Mongolia dia iray amin'ireo firenena 110 maneran-tany misedra ny firosoan'ny tany hay. Hazavain i Badamgarav ny mahatonga an'i Mongolia hiboridana noho ny afitsoky ny firosoan'ny tany hay:

19.0 tapitrisa hektara no fitambaran'ny haben'ny ala rehetra ao Mongolia, ka 13.4 tapitrisa no tena ala ara-bakiteny.  8.6% monja amin'ny velarantany Mongoliana. Na izany aza, araka ny mason-tsivan'ny UNDP dia firenena iray manana otrikarena tsy fahita firy i Mongolia. Araka ny tatitry ny antontan'isa ofisialy hatreto, 1.6 tapitrisa hektara amin'ny alan'i Mongolia no efa fongana. Mazava loatra fa antony iray amin'izany ny fiovaovan'ny toetrandro, saingy misy betsaka  ny avy amin'ny olombelona toy ny fanapahana tsy ampiheverana sy ny fanondranana, ary ny doro ala. [..]

Indraindray ny afo dia ateraky  ny haintany, nefa ny ankabeazan'izy ireny dia nataon'olona tsy ampiheverana.

Tranolay misy fivoahan-tsetroka tao amin'ny tany efitr'i Gobi, Mongolia. Sary avy amin'ilay mpampiasa Flickr, PnP! CC BY-NC-ND

Nefa tena maloka tokoa ve ny hoavy? Velom-panantenana koa ireo mpikambana ao amin'ny Nomad Green momba ny fanamby atrehana. Tamir mirezaka  mikasika ny làlana vaovao hiadiana amin'ny fahalotoan'ny rivotra ateraky ny setroka mivoaka avy amin'ny lafaoron'ireo tranolay.  Mitanisa ny asa famoronana nataona tanora Mongoliana injeniera iray izy, lafaoro mandeha amin'ny herinaratra ho an'ireo tranolay, izay hanafoana ny fampiasana ny solika fandrehitra ary  ho azo ampiasaina koa hahandroana sakafo sy hanamainana lamba. Ny herinaratra dia mety ho azo alaina avy amin'ireo angovo azo havaozina.

i Bor dia  nitafatafa tamin'i Gombojav Jamba , filoha lefitra teo aloha tao amin'ny Great Khural of Mongolia (Avy amin'ny mpandika: Parlemanta any an-toerana) sady mpitarika ny ONG  “Bogdkhan mountain’s natural complex”, izay miteny fa ny famerenana ny ala sy ny fambolena voninkazo no làlana hampihenana ny fahantràna ao  Mongolia.

Vakio ny bilaogin'ny Nomad Green (amin'ny tenim-pirenena enina) raha te-hahalala bebe kokoa momba ny zava-misy ara-tontolo iainana any Mongolia.

Tumenbayar rapporte comment les antilopes de Mongolie sont en danger d'extinction à cause de la dégradation de l'environnement et de la désertification. Badamgarav fait remarquer que la chasse illégale est l'une des menaces qui pèsent sur les antilopes. Les antilopes saïga de Mongolie sont tuées pour fournir des ingrédients de remèdes chinois

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.