Sodàna: fialan-tsasatra mahafinaritra sy fitsapa-kevi-bahoaka feno filaminana

Raha ny hevitry ny Fifanarahana Naivasha 2005 mikasika ny governemanta afovoany any Sodana sy ny Hetsiky ny Vahoaka Liberasiona Tatsimo any Sodany , dia hanao fitsapakevibahoaka ny Sodàna Tatsimo na hijanona  ihany na tsia ho faritr'i Sodana izy amin'ny 9 Janoary 2011. Hanao fitsapa-kevi-bahoaka mitokana mba ho faritr'i Sodany Atsimo i Abyei, faritra manana “fanjakana mizaka tena mitokana” .

Ireto misy santionany amin'ireo lahatsoratra farany tamin'ny bilaogy mikasika ny Fitsapa-kevi-bahoaka 2011 amin'ny fahaleovan-tenan'i Sodana Tatsimo. Mitoraka bilaogy avy any Sodana atsimo, mirary fitsapa-kevi-bahoaka feno filaminana ho an'ny Sodanezy Tatsimo i Maggie Fick:

Tsy dia naheno feo maro aho tamin'ity taona ity, fa ny zavatra manam-panahy ahy kosa no tsapako eny amin'ny rivotra any amin'ny renivohitr'i Sodanezy Tatsimo amin'ity fotoam-pialan-tsasatra ity. Dia ny fitsapa-kevi-bahoaka izany. Manomboka miseho tsikelikely ny fifidianana ny fahaleovantenan'ny atsimo isan'andro, amin'ny endriny maro.

Misy ny famantaranandro nomerika lehibe sy goavana eo amin'ny iray amin'ny korontandrontan'i Juba. Misy ny hamaroan'isan'ny fangaron-javatry ny mpanohana ny fizarana manerana ny tanàna (nahazo mailaka aho omaly avy amin'ny mahery fon'ny mpanohana ny fizarana milaza hoe “ T-shirt-na fitsapa-kevi-bahoaka 100,000, kasikety 100,000, Saina taratasy 100,000 ary sary lehibe 200,000 ,” antsoiny hoe “fitaovana fanairana ho amin'ny fitsapa-kevi-bahoaka,” no nalefa any Nairobi avy amin'ny vondrom-piaraha-monina sivily antsoina hoe Countdown ho an'ny fitsapa-kevi-bahoaka Sodàna Tatsimo amin'ny 2011; alefako tsy ho ela ny sarin'ny tisôrta sns .). Ary fanampin'ny sonia sy ny akanjo, misy ihany koa ny fahatsapana lalandavana fanaitairana, fisorohana mialoha, ary tsy fahatokisana eo amin'ireo mponina Juba , hoy ny mpitondra fiarakaretsaka moto Afrikana Tatsinanana mahalala isan'andro mikasika ny mponina tatsimo miasa eny an-tsena, klinika, amin'ny mpiasa mpanampy, diplomaty, mpanao gazety…tsy azo iodivirana ny resaka mikasika ny fitsapa-kevi-bahoaka, fa manome laka azy kokoa ny sehatra iraisam-pirenena na lavitra kokoa aza, ny fiantraikan'izany eto Sodàna Tatsimo, inona moa no antony hahatonga ny olona hafa hiresaka zavatra hafa?

Ao amin'ny “From Cairo to Canberra to Kansas: Southern Sudanese say “Referendum Oyay”“, miresaka mikasika ny fanapahan-kevitra manome fahafahana ny Sodanezy Tatsimo izy hifidy, amin'ireo faritra valo maneran-tany:

Tsy lavitra ny tany niaviako, any Seattle, Washington, dia misy lisitry ny mpifidy misokatra ao amin'ny 608 Maynard Ave. S., manomboka amin'ny 9 ora maraina hatramin'ny 6 ora hariva ny Alatsinainy mandra-pahatongan'ny Sabotsy ary manomboka amin'ny mitatao vovonana hatramin'ny 5 ora hariva ny Alahady. I Nope, ilay namako Washingtoniana dia tsy taitra ny handray anjara na amin'izany fandraisan'andraikitra tsy mari-pototra izany na amin'ny zavatra hafa. Ho an'ny vahoaka Sodanezy Tatsimo izay mipetraka any amin'ny fanjakan'i Washignton ary mandray anjara amin'ny fametrahana ny hoavin'ny tanindrazany, io foiben'ny fisoratana anarana io.

Mikarakara “Fifidianana Ivelan'ny Firenena” eo amin'ny firenena valo ny Fikambanan'ny Fifindra-monina Iraisam-pirenena ao amin'ny Firenena Mikambana (IOM), mba tsy ho azo ozongozonina intsony ny sainam-pirenen'i vahoaka monina ivelan'i Sodany Tatsimo (hevero i Aostralia amin’ i Kalifornia amin'i Angletera). Fanajana ho an'ny vahoaka izay manao izao ezaka izao .

Fifanoherana mahagaga ny mieritreritra ny lisi-pifidianana miseho amin'izao vanim-potoan'ny orana amin'izao fialan-tsasatra izao. I Seattle ary koa ireo eo ambanin'ny hazo amin'ireo tanàna tsy misy herinaratra amin'ny tanàna maro any Sodany Tatsimo. Nefa manana izany ianao any: tena manan-tantara ny fahavitrihan'ny Tatsimo hifidy, ary ny fiantraikan'izany dia hihoatra lavitra tsy ho eo amin'ny sisin-tanin'i Sodany ihany sy ny toerana manodidina ny faritra, fa manerana izao tontolo izao, toerana izay mety hahazoan'ireo Sodanezy anjara hahazoany mampihatra ny zo azony tamin'ny mafy.

Mamaritra ny asan'ny “mpanamarina olona” i Laura Heaton nandritra ny fitsapa-kevi-bahoaka:

Toy ny ankamaroan'ny fifidianana maneran-tany, dia mila maneho karazana taratasy fanamarinana ny mpifidy voalaza any Sodany Atsimo hanamarinana fa olona afaka mifidy ara-dalàna izy ireo mba hisoratra anarana amin'ny fifidianana amin'ny volana Janoary. Any amin'ny faritra norakofan'ny ady efa ela, toerana izay matetika mifindra toerana ny olona, ary ny fahefa-manaon'ny fanjakana sy ny farafahakeliny tratra, dia mety azo sorohana ny olana sasany amin'ny hanamarinana ny mpifidin'i Sodany Atsimo.

Nefa ny tena mahagaga, mety ho iray amin'ireo fandehan-javatra mora indrindra amin'ny fitsapa-kevi-bahoaka amin'ny 09 Janoary ny fanamarinana anarana, noho ireo vehivavy sahala amin'i Catherine Paul…

Isaky ny tsanganana fisoratana anarana iray, dia zokiolona roa avy amin'ny fiaraha-monina no fidiana mba ho mpanamarina anarana. Raha misy olona manoratra anaran'olona tsy manana kara-panondro, dia ny asan'ny mpanamarina dia manamarina fa tena io olona io marina tokoa  ity olona mitono-tena ity ary manaraka ny fitsipika takian'ny fifidianana izy. Fotoana manokana mihitsy ny nanontany ny zava-nisy raha toa ka tsy fantany ilay olona, hoy i Catherine naninvingivin-doha. “Tsy hisy mihitsy izany.”

Manoratra i Alex Thurston, “Sodany: korontana kokoa any Abyei”:

Telo andro lasa izay, nanoratra mikasika ny tahotra amin'ny hisian'ny ady sivily vaovao indray any Sodany ny tenako. Nafantoko tamin'ny faritra roa lehibe ny olana: ny olana retorika avy amin'ny antokon'ny mpitondra (Antokon'ny Kongresy Nasionaly) NCP mikasika ny fanekeny na tsia ny valin'ny fitsapa-kevi-bahoaka tsy azo ozongozona mikasika ny fahaleovan-tena Sodanezy Tatsimo, sy ny fifanoherana tsisy fiafarana any Abyei, faritra any amin'ny sisiny izay nahemotra vao haingana ny fitsapa-kevi-bahoakany. Toa niseho ho nalefaka ny retorikan'ny NCP – nanao fanambarana omaly ny mpanampy ny Filoha Omar al Bashir, i Nafie Ali Nafie, mikasika ny fitsapa-kevi-bahoaka (lehibe) izay toa “famantarana voalohany avy amin'ny manam-pahaizana Tavaratra fa tena toa hiala tokoa ny Tatsimo aorian'ny fitsapa-kevi-bahoaka mazava” – fa ny zava-miseho any Abyei kosa dia mbola korontana foana. Midika korontana ho an'i Sodany ny korontana any Abyei.

The Repatriates ho an'i Abyei: Lasa nolavina sy hoavy tsy fanta-pototra:

Olona anjatony maro no nangorona ny entany ary niverina any Abyei, toerana kely manelanelana ny Atsimo sy ny Avaratra izay nanjary lasa kitrokelin'i Achilles mikasika ny Fifanarahana Naivasha. Ny sasany tonga mba manantena hanana hoavy tsaratsara kokoa, nefa dia tena mandiso fanantenana tokoa ny miandry izany. Na dia manana solika betsaka aza i Abyei, dia mahantra amin'ny zavatra hafa rehetra.

55 taona i Ashoul Paul maty vady izay hitako tamin'izy nanampy ireo zanany lahy naka ny entany tao amin'ny kamiao izay nitondra azy hankaty Abyei. Na dia antitra aza izy, dia tena ambony tokoa ny moraliny, ary tena navitrika toy ireny vehivavy kely roapolo taona ireny izy. Nitangorona teto amiko ny zanany sy ny zafikeliny niangavy ahy mba haka sary azy ireo eo akaikin'ny entany, etsy andanin'izany kosa dia nanomboka nihira hira nentim-paharazana Dinka i Ashoul miresaka mikasika ny hanina ny tanindrazana, raha ny hevitr'ireo mpandika teny izay niaraka tamiko.

Nilaza ny fomba nahatongavana avy any Wadi Halfa i Ashoul, tamin'ny alalan'ny programan'asan'ny malala-tanana amin'ny fampodiana ny olona an-tanindrazana. Efa zatra niasa tamin'ny fitaterana an-drano izy. Maty namela azy niaraka amin'ny zaza valo lahy sy vavy ny vadiny. Niasa mafy irery izy mba hanandratana azy ireo noho io asany io. “Eto an-tanindrazako aho izao izay nilaozako fony aho mbola tovovavy kely. Hamboly eo amin'ny taninay aho, ary hanampy ahy ireo zanakolahy lehibe hanandratra ireo mpiray tampo aminy mbola tanora. Tsy manahy amin'ny ho avy aho”, hoy izy nanampy.

Aiza no ianjeran'i South Kurdufan raha miala i Sodany Tatsimo?: Kordofan Atsimo: Manan-danja foana ny ara-politika

Farany, mamela irery ny fandehanana ataon'ny Fanjakana Kordofan Atsimo izay tena eo ambonin'ny tsipika mamaivay manelanelana ny Atsimo sy ny Avaratra ny fanatonan'ny fitsapa-kevi-bahoaka sy ny fiantraikan'izany izay efa fantatra fa fizaran'ny firenena ho roa misasaka ka mametraka ny tsirairay amin'ny fanairana ambony indrindra sy tsindry mafy dia mafy.

Nanantona ny Tafika Liberasion'ny Vahoaka Sodany (SPLA) ireo fanjakana roan'ny Blue Nile sy Kordofan Atsimo nandritra ny ady sivily. Nanome ny toromarika mekanisma mikasika ny “Fijerena ny hevi-bahoaka” ho an'ireo fanjakana roa ireo ny CPA mba hifanaraka amin'ny firenena ho famaritana ny fanjakana.

Raha mijery ny pitsopitsony amin'ny “Fijerena ny Hevi-bahoaka” raha ny hevitry ny lahatenin'ny CPA, dia mazava hoe hatraiza no hisokafan'izany amin'ny fandikana maro isan-karazany, manomboka amin'ny zo handray fanapahan-kevitra raha ny fijerin'ny SPLM ka hatramin'ny fanaovana izany ho tonga mekanisma mihitsy fotsiny. Na izany aza, tsy azo ifandresen-dahatra mihtsy aloha fa ny fitsipik'izany dia sady lava no sarotra, ary mandalo masoivoho maro sy ambaratonga maro alohan'ny hahavitan'ny endrika farany, na dia voatsinjaran'ny fotoana mazava tsara aza izany izay tsy mihoatra ny telo volana ny fitambarany.

Farany, tohizin'ny tranonkala Sudan Vote Monitor nanomboka ny 3 Janoary 2011 ho an'ny fotoana fitsapa-kevi-bahoaka tena izy hoy ny vaovao:

Ny tanjon'ny Sudan Vote Monitor dia ny hanohana ny fampianarana mahaleo tena sy ny filazana ny fandehan'ny fitsapa-kevi-bahoaka ataon'ny Fikambanan'ny Fiaraha-monina Sivily, ny haino aman-jery ary ny vahoaka amin'ny ankapobeny. Hahazo ny vaovao amin'ny alalan'ny hafatra an-tsoratra, mailaka ary amin'ny alalan'ny tranonkalany i Sudan Vote Monitor. Hataon'ny mpanolo-tenantsika an-tsarintany daholo ny vaovao rehetra ary haseho amin'ny tranonkalantsika amin'ny fotoana marina. Hanome fehin'ny bilaogy isan'andro ihany koa isika mikasika ireo vaovao izay voaraintsika.

Hanomboka amin'ny Alatsinainy 03 Janoary 2011ny filazam-baovao

Amin'izao fotoana izao, tena sahirana be isika miaro ny teny fanalahidy. Litera 4 amin'ny laharana finday ny teny fanalahidy izay afaka alefan'ny olona hafatra an-tsoratra. Rehefa manana ny teny fanalahidy isika, dia afaka manaparitaka izany amin'ny maro izay vitantsika, amin'izay ny olon-drehetra dia afaka mandefa amintsika ny vaova manambara ny zavatra niainany mikasika ny fitsapa-kevi-bahoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.